Dans la męme rubrique

TIA VONINAHITRA

18/01/2019

Tia voninahitra loatra ny filoha mpisolo toerana Rivo Rakotovao. Na efa anio aza ny famindram-pahefana eo aminy sy ny filoha vaovao no hatao,

TIA VONINAHITRA

Hamaky ny tohiny...

BOLOKIM-BAZAHA

17/01/2019

Efa hita tokoa fa bolokim-bazaha ny filoha vaovao Andry Rajoelina na dia niezaka ny nanafina izany aza tamin'ny filazana fa tsy hiankina ara-bola amin'ny

BOLOKIM-BAZAHA

Hamaky ny tohiny...

Mpianatra malagasy

17/01/2019

Mpianatra Malagasy monina any frantsa antsoina hoe Andotiana Randriamampianina, 23 taona, mirefy 1m58 no tsy hita popoka nanomboka ny 9 janoary teo. Mitaintaina fatratra mikasika ny momba azy ankehitriny ny raiamandreniny sy ny fianakaviany ary manao antsoavo amin’izay mahafantatra azy rehetra manerana izao tontolo izao mba hampandre rehefa misy vaovao.

Mpianatra malagasy

Hamaky ny tohiny...

KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA

16/01/2019

Hanao izay ho afany ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny famahana ny fitohanan’ny fifamoivoizana izay nampitaraina ny maro.

KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA

Hamaky ny tohiny...

Resaka fanonganam-panjakana

16/01/2019

Miezaka mivoy indray ankehitriny ireo haino aman-jery frantsay fa fanonganam-panjakana no nitranga teto Madagasikara ny taona 2009. Tafakatra eo amin’ny fitondrana indray, hoy ny gazety Le Monde, ny mpanongam-panjakana mpanefoefo.

Resaka fanonganam-panjakana

Hamaky ny tohiny...

FITSARAM-BAHOAKA

15/01/2019

Raha tsy tonga haingana ny polisy dia efa matin’ny fitsaram-bahoaka ny rangahy iray izay tompon’antoka tamin’ny heloka bevava.

FITSARAM-BAHOAKA

Hamaky ny tohiny...

Mampitaraina sahady

15/01/2019

Mampitaraina sahady ireo mpiara-miasa aminy ny minisitry ny mponina satria dia mbola andrasana hatramin’izao ny valin’ny

Mampitaraina sahady

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

FIARA NAMOA-DOZA

18/12/2018

Nifatratra tao anaty toeram-pivarotana ny fiara kely iray tetsy Ankorahotra.

 

 

 Ny antony dia satria reraka mafy  ny ramatoa izay nitondra ny fiara ka tsy nahafehy intsony ny familiana. Mbola nandona moto koa izy vao nandona ilay toeram-pivarotana sakafo izay nisy olona iray naratra mafy ka tsy maintsy nentina tany amin’ny hopitaly. Niparitaka teo amin’ny arabe ny sakafo rehetra. 


MAHADOMELINA

Roa lahy mpivarotra « cocaïne » sy « héroïne » no nidoboka am-ponja ao Antsiranana. Lehilahy iray tsy nanan-tsafidy intsony ankoatra ny nanendaka mba hahazoany vola hividianana ireo zava-mahadomelina no voasambotra voalohany. Avy amin’io no nahafahana namantatra ny misy ireo mpaninjara ireo mahadomelina mahery vaika. Nidoboka am-ponja avokoa na ny mpividy na ny mpivarotra. 

HERISETRA

Vehivavy iray tsy fantatra anarana ary tsy fantatry ny manodidina ihany koa no hita faty tetsy Ambohidrabiby ary efa somary niboridana. Raha ny fijerin’ny zandary azy dia naolana izy io ary novonoina avy eo. Nisy indray anefa no nilaza fa mpivarotena avy any Sabotsy Namehana izy io ary nahiana nanaraka lehilahy izay namono azy nony avy eo. Simba tanteraka ny tarehiny ary nahitana dian-dratra maro ny vatany.

 

 

 HITA FATY TENY ANDRAIKIBA

Lehilahy iray indray no hita faty tao amin’ny farihin’Andraikiba omaly. Tsy fantatra ny momba azy io ary raha ny tsikaritra dia efa potika tanteraka ny vatany, simban’ny rano sy ny biby. Nivarahontsana ny olona, indrindra noho ny fahafantarana fa ny farihin’Andraikiba no mamatsy rano ny renivohitr’i Vakinankaratra. Raha tsiahivina dia vao tamin’ny faran’ny herinandro teo koa no nisy olona maty tao raha teo am-panaovana fanodinana sarimihetsika. 

BEN’NY TANANA MATY

Maty tao anatin’ny lozam-pifamoivoizana omaly ny ben’ny tanànan’i Mitsinjo. Potika tanteraka ny vatany ary na noezahina novonjena aza dia tsy avotra intsony ny fahavoazana mafy izay nanjo azy. Omaly ihany dia efa nanomboka namangy ny olona satria raiamandrenin’ny tanàna sady olobe rahateo no namoy aina. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny mpitandro ny filaminana ao an-toerana. 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana