Dans la mme rubrique

Lalao Ravalomanana “Ao anatin’ny 100 andro misy asa goavana vita”

15/01/2019

Tonga niarahaba ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Lalao Ravalomanana omaly ireo mpiara-miasa akaiky aminy noho ny fahatongavan’ny taona vaovao 2019.

Lalao Ravalomanana “Ao anatin’ny 100 andro misy asa goavana vita”

Hamaky ny tohiny...

Ampijalian’ny delestazy i Toamasina Tsy ampy solika ny Jirama

14/01/2019

Hopitaly kely – Gare routière – Tanambao V – Ankirihiry avaratra sy atsimo – Andranomadio – Cité Valpinson – Cité Haras – Ambohijafy – Asecna – Antseranampasika – Tahity Kely – Rasseta – Ampilaolava – Analamalotra – Ivoloina – Ctht – Lycée Agricole –

Ampijalian’ny delestazy i Toamasina Tsy ampy solika ny Jirama

Hamaky ny tohiny...

Halatra jiro eny amin’ny digin’i Fenoarivo 9 lahy migadra eny Tsiafahy

14/01/2019

Miisa 15 hatreto ny isan’ireo olona efa tratra nangalatra ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro eny an-dalambe eny amin’iny digy mihazo an’i Fenoarivo Atsimondrano iny.

Halatra jiro eny amin’ny digin’i Fenoarivo 9 lahy migadra eny Tsiafahy

Hamaky ny tohiny...

Mpitsara manilika andraikitra amin’ny vahoaka Mahatonga fitsaram-bahoaka, hoy i Olala

12/01/2019

Araka ny didy navoakan’ny HCC sy ny CENI dia nahazo filoham-pirenena vaovao isika, hoy ny mpahay lalàna Willy Razafinjatovo na Olala. Hita ho nisy fahamehana teo amin’ny CENI.

Mpitsara manilika andraikitra amin’ny vahoaka Mahatonga fitsaram-bahoaka, hoy i Olala

Hamaky ny tohiny...

Fitsarana an-tampony Ho afa-bela ve i Andry Rajoelina ?

12/01/2019

Betsaka ny fanontaniana mipetraka eo anivon’ny fiarahamonina mahakasika ny filoham-pirenena vaovao Andry Rajoelina, indrindra mahakasika ireo raharaha nahavoarohirohy azy izay mipetraka eo anivon’ny Fitsarana an-tampony (HCJ).

Fitsarana an-tampony Ho afa-bela ve i Andry Rajoelina ?

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Antananarivo Renivohitra 49 miliara ariary ny tetibola 2019

12/01/2019

Lany teo anivon’ny filankevitry ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), ny tetibola hampiasain’ny kaominina amin’ity taona 2019 ity.

Kaominina Antananarivo Renivohitra 49 miliara ariary ny tetibola 2019

Hamaky ny tohiny...

Delegasion’ny CNaPS sy ny Faritra Betsiboka Niarahaba manokana an’i Rivo Rakotovao

12/01/2019

Nifanesy noraisin’ny Filoham-panjakana mpisolo toerana Rivo Rakotovao teny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra ny Delegasionina mafonja avy amin’ny Faritra Betsiboka sy ny avy amin’ny orinasam-panjakana CNaPS omaly zoma 11 janoary maraina.

Delegasion’ny CNaPS sy ny Faritra Betsiboka Niarahaba manokana an’i Rivo Rakotovao

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Rivodoza KENANGA Tafiditra ao amin’ny ranomasimbe Indianina

18/12/2018

Tafiditra ao amin’ny fari-dranomasina Indiana ny alahady lasa teo ilay rivodoza Kenanga niforona tany amin’ny fari-dranomasin’i Indonesiana. Any amin’ny 3.500 km Atsinanan’i Madagasikara no nisy ny foibeny omaly ary ahiana hivadika ho Tempête Tropicale Moderée izy.

 

 

 Tombanana  hitombo hery hatrany koa i Kenanga  mandritra ny 24 ka hatramin’ny 48 ora ho avy. Na izany aza, tsy  hahakasika an’i Madagasikara ity rivodoza iray  ity  raha tombanana miisa telo ireo tsy maintsy handalo eto amintsika hatramin’ny volana aprily taona 2019.  Ankoatra izay  dia tombanana hivadika ho  rivodoza ihany koa ny tangoron-drahona ao Avaratra Atsinanan’ny Nosy ato anatin’ny 2 na 3 andro ho avy. Tafiditra ao anatin’ny fiatrehana ny fifidianana izay ho filoham-pirenena izany amin’ny ankapobeny ka  arahi-maso akaiky ny fivoarany. Mikasika ny fiomanan’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary amin’ny fiatrehana ny fotoam-pahavaratra moa dia fantatra fa efa tsy mitsahatra ny manofana olona izy ireo ankehitriny hanaitra sy hampianatra ireo mponina eny amin’ny faritra iva, raha vantany vao misy zavatra mitranga.

Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana