Dans la mme rubrique

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

15/01/2019

Ny sabotsy takariva dia nihaona manokana i Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, saingy tsy nisy nipika ny resaka. Mandeha ny fanangonan-tsonia amin’izao eny amin’ny antenimieram-pirenena amin’ny mbola hamerenana an’Atoa Ntsay Christian ho praiminisitra.

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

Hamaky ny tohiny...

Rajoelina sy ny IEM Hisedra olana goavana ara-bola…

15/01/2019

Tsy maniry ratsy ho an’ny fitondram-panjakana vaovao hotarihin’i Andry Rajoelina sy ny firenena fa sarotsarotra ny zavatra miandry ny mpitondra.

Rajoelina sy ny IEM Hisedra olana goavana ara-bola…

Hamaky ny tohiny...

Fitadiavan-tseza sy fahefana Raikitra ny resa-poko sy fiaviana

15/01/2019

Fomba fanao amin’ny fitadiavan-tseza sy fahefana ary toerana ao anaty fanjakana ny resa-poko sy fiaviana.

Fitadiavan-tseza sy fahefana Raikitra ny resa-poko sy fiaviana

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny firenena Sarotra ny mitondra ny Malagasy

15/01/2019

Goavana ny asa miandry ny filoham-pirenena vaovao. Fanamby sy velirano ao anatin’ny fandaharan’asa ny filoham-pirenena vaovao ny hanatsarana ny sosialim-bahoaka ao anatin’ny dimy taona.

Fitantanana ny firenena Sarotra ny mitondra ny Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Vinan’i Andry Rajoelina Tokony hifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka, hoy ny ABA

15/01/2019

Mitohivakana ny fanehoan-kevitra mikasika ny fahazoan’ny malagasy filoham-pirenena vaovao, Andry Rajoelina. Naneho ny heviny manoloana izany ny filohan’ny Antokom-Bahoaka malagasy (ABA), Dany Rakotoson.

Vinan’i Andry Rajoelina Tokony hifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka, hoy ny ABA

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Maro ny adidy mbola miandry azy

15/01/2019

Niomana fatratra ny hitondra firenena i Marc Ravalomanana, ary nipetrapetraka ny programam-pampandrosoana, kanefa ireny no voka-pifidianana izay niteraka adihevitra saingy naneho fahendrena izy.

Marc Ravalomanana Maro ny adidy mbola miandry azy

Hamaky ny tohiny...

Arlette Ramaroson « Manana ny heviny Andriamanitra. »

15/01/2019

Tsy matin’ny malagasy maro lolo hatramin’izao ny anton’ilay fianianana tsy misy vavaka sy baiboly etsy Mahamasina amin’ny sabotsy.

Arlette Ramaroson « Manana ny heviny Andriamanitra. »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fikambanana Asandratro ny fireneko Tian’ny sokajin’olona rehetra Ravalomanana

15/12/2018

Nandiso tanteraka ny feo mandeha ankehitriny ny profesora James Ratsimba, filohan’ny fikambanana Asandratro ny fireneko omaly mikasika ny filazan’ny sasany fa tsy tian’ny any anindrana sy ny tambanivohitra ary ny manam-pahaizana ny kandida Ravalomanana. Izy no tena tian’ny olona,

 

 

hoy ity profesora ity ary manantena 80 % izahay   aorian’ny fifidianana fihodinana faharoa satria efa tonga saina ny vahoaka ary mahay manavaka ny vary sy ny tsiparifary. Tsy adala aho manohana azy satria tsy te hahita ny firenena Malagasy hozarazaraina sy hamidin’ny kandida laharana faha-13 amin’ny vahiny eto. Naneho ny heviny niaraka tamin’ity profesora ity ireo mpandraharaha sy olona avy any amin’ny faritra ary ny tambanivohitra ka nilazan’izy ireo fa ny kandida Ravalomanana irery ihany no afaka hanavotra ny firenena sy hanafoana ny tsy fandriampahalemana misy eto amintsika. Mikasika ny fanehoan-kevitra hataon-dRatsirahonana amin’ny alatsinainy ho avy izao moa dia nanamafy ny profesora James Ratsima fa olona mpandainga sy mpamita-bahoaka ity farany ary efa  diso fantatry ny maro loatra izy tamin’ny fametrahana ireo mpitondra nifandimby teto amin’ny firenena ka tsy mahaliana intsony.

Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana