Dans la męme rubrique

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

15/01/2019

Ny sabotsy takariva dia nihaona manokana i Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, saingy tsy nisy nipika ny resaka. Mandeha ny fanangonan-tsonia amin’izao eny amin’ny antenimieram-pirenena amin’ny mbola hamerenana an’Atoa Ntsay Christian ho praiminisitra.

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

Hamaky ny tohiny...

Rajoelina sy ny IEM Hisedra olana goavana ara-bola…

15/01/2019

Tsy maniry ratsy ho an’ny fitondram-panjakana vaovao hotarihin’i Andry Rajoelina sy ny firenena fa sarotsarotra ny zavatra miandry ny mpitondra.

Rajoelina sy ny IEM Hisedra olana goavana ara-bola…

Hamaky ny tohiny...

Fitadiavan-tseza sy fahefana Raikitra ny resa-poko sy fiaviana

15/01/2019

Fomba fanao amin’ny fitadiavan-tseza sy fahefana ary toerana ao anaty fanjakana ny resa-poko sy fiaviana.

Fitadiavan-tseza sy fahefana Raikitra ny resa-poko sy fiaviana

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny firenena Sarotra ny mitondra ny Malagasy

15/01/2019

Goavana ny asa miandry ny filoham-pirenena vaovao. Fanamby sy velirano ao anatin’ny fandaharan’asa ny filoham-pirenena vaovao ny hanatsarana ny sosialim-bahoaka ao anatin’ny dimy taona.

Fitantanana ny firenena Sarotra ny mitondra ny Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Vinan’i Andry Rajoelina Tokony hifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka, hoy ny ABA

15/01/2019

Mitohivakana ny fanehoan-kevitra mikasika ny fahazoan’ny malagasy filoham-pirenena vaovao, Andry Rajoelina. Naneho ny heviny manoloana izany ny filohan’ny Antokom-Bahoaka malagasy (ABA), Dany Rakotoson.

Vinan’i Andry Rajoelina Tokony hifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka, hoy ny ABA

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Maro ny adidy mbola miandry azy

15/01/2019

Niomana fatratra ny hitondra firenena i Marc Ravalomanana, ary nipetrapetraka ny programam-pampandrosoana, kanefa ireny no voka-pifidianana izay niteraka adihevitra saingy naneho fahendrena izy.

Marc Ravalomanana Maro ny adidy mbola miandry azy

Hamaky ny tohiny...

Arlette Ramaroson « Manana ny heviny Andriamanitra. »

15/01/2019

Tsy matin’ny malagasy maro lolo hatramin’izao ny anton’ilay fianianana tsy misy vavaka sy baiboly etsy Mahamasina amin’ny sabotsy.

Arlette Ramaroson « Manana ny heviny Andriamanitra. »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fifanatrehana faharoa Tsy hifampitsitsy Ravalo sy Rajoelina

15/12/2018

Nisy ny fivoriana niarahan'ny CENI tamin'ny ORTM sy ny mpanentana ny fandaharana, ny solontenan'ny kandida roa tonta, ary ireo solontenan'ny

 fiarahamonim-pirenena ho fanatsarana ny adihevitra ifanatrehan'ny kandida Ravalomanana sy Rajoelina rahampitso alahady 16 desambra manomboka amin'ny 8 ora alina  mivantana amin'ny TVM sy RNM. Tsy misy mahazo mitondra na inona na inona (na tahirinkevitra taratasy na tahirinkevitra elektronika) fa tanam-polo ny kandida roa tonta, saingy manana zo hangataka amin'ny CENI taratasy fotsy sy penina raha toa ka ilainy izany. Noferana ho 27 isa ny mpomba ny kandida tsirairay avy, afaka hanatrika mivantana ny adihevitra. Ireto avy ireo lohahevitra horesahina : Tetikasa sy vinam-piarahamonin'ny kandida, dia ny lafiny politika : firafitry ny governemanta, fampiharana ny fahefana, ny îles éparses, ady amin'ny fahantrana, ady amin'ny kolikoly, fampihavanam-pirenena, ny tsy fampifangaroana ny ara-pivavahana sy ny ara-pitantanam-panjakana). Mety hivoaka ao ve ny resaka 7 febroary ? Ny volabe tao amin’ny Banky Foibe ? Ny vidin’ny Air Force One ? Ny vidin’ny vy tany Soalala ? Ny lafiny ara-toekarena kosa dia: politikam-pitantanam-bola, fananan-tany, fambolena sy fiompiana, fampananan’asa. Lafiny sosialy sy fiarahamonina: fanabeazana, miralenta, ny fanambadian'ny lahy sy ny vavy, fiahiana ara-tsosialy, fahasalamana, rano fisotro madio. Ny lafiny kolontsaina sy fanatanjahantena, Lafiny ara-tserasera sy fizaram-baovao (média). Ny laharana faha-13 no miteny voalohany ary ny laharana faha-25 no mamarana ny fitenenana, nifamadika tamin'izay nitranga tamin'ny adihevitra voalohany. Anisan’ny niteraka adihevitra ny fampiasana finday nataon-dRajoelina ny 9 desambra teo. Tsy hisy intsony izany eto fa ny saina no hiasa ary inoana fa hangotraka kokoa noho ny teo aloha. Raha ireo lafin-javatra ireo no hifampitsarana tamin’ny nitantanan’ny an-daniny sy ny an-kilany ny firenena, dia very lavitra i Andry Rajoelina.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana