Dans la męme rubrique

Seranam-piaramanidina Ivato Tofoka amin’ny kolikoly ny mpandeha

18/02/2019

Voaporofo indray ankehitriny ny mahatonga ny olona maro na teratany na vahiny tsy hisafidy ny sidin’ny kaompania Air Madagascar rehefa ho avy na handao an’i Madagasikara.

Seranam-piaramanidina Ivato Tofoka amin’ny kolikoly ny mpandeha

Hamaky ny tohiny...

Herinandron`ny Akoranafo Vidin-tsolika ahazoan’ny rehetra tombony no tanjona

18/02/2019

Nifarana tamin’ny faran’ny herinandro teo ny herinandron’ny akoranafo.

Herinandron`ny Akoranafo Vidin-tsolika ahazoan’ny rehetra tombony no tanjona

Hamaky ny tohiny...

Pharmacie MĂ©tropole Feno 120 taona katroka

18/02/2019

Notanterahina ny tolakandron’ny sabotsy 16 febroary 2019 teo teny amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina ny famaranana ny fankalazana ny faha-120 taona niorenan’ny Pharmacie Métropole eny Antaninarenina.

Pharmacie MĂ©tropole Feno 120 taona katroka

Hamaky ny tohiny...

ANDOTIANA – maty tany Frantsa Ho avy amin’ny zoma ny nofo mangatsiakany

18/02/2019

Higadona an-tanindrazana amin’ny zoma 22 febroary ho avy izao ny nofo mangatsiakan’i Andotiana, ilay tovovavy malagasy very ary hita faty tany Frantsa ny herinandro lasa teo.

ANDOTIANA – maty tany Frantsa Ho avy amin’ny zoma ny nofo mangatsiakany

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ivato Tsy manana olana amin’ny fandraisana ilay tetikasan’ny filoha

18/02/2019

Tsy manana olana amin’ny fandraisana ireo tetikasan’ny filoham-pirenena ny kaominina Ivato, raha ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa omaly.

Kaominina Ivato Tsy manana olana amin’ny fandraisana ilay tetikasan’ny filoha

Hamaky ny tohiny...

Nahazo filoha vaovao ny SMM Manantena fahamarinana ny vahoaka

18/02/2019

Andriamatoa Clement Jaona indray manomboka izao no filohan’ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM) mandritra ny 3 taona. Izay no vokatry ny fifidianana no tanterahana teny Anosy ny zoma 15 febroary lasa teo.

Nahazo filoha vaovao ny SMM Manantena fahamarinana ny vahoaka

Hamaky ny tohiny...

Orinasa Jirama Ny tetezamita no tena namotika azy

16/02/2019

Hampiakarina avo roa heny araka ny tenin-dRajoelina tokoa ve ny famokarana herinaratra eto amin’ny firenena sa hahena avo telo eny mba hampijaly ny vahoaka ?

Orinasa Jirama Ny tetezamita no tena namotika azy

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Gazety boky Trandraka 04 Mampibaribary ny tsy fanajana ny zon`olombelona eto Madagasikara

11/12/2018

Mandrafitra ny gazety boky Trandraka laharana fahefatra ny lahatsoratra miisa 9 nosoratan`ireo mpanao gazety18 avy amin`ny faritra manerana an`i Madagasikara.

 

Miompana amin`ny fitsarana sy ny zon`ny olombelona ny fanadihadiana lalina nataon`izy ireo. Nivoaka omaly tamin`ny fomba ofisialy tetsy Carlton Anosy ny Trandraka andiany fahefatra. Nozaraina tamin`io fotoana io ihany koa ny mari-pankasitrahana an`ireo mpanao gazety nahavita fiofanana. Tafiditra ao anatin’ilay tetikasa  IDIRC (Institutions Démocratiques, Intègres, Responsables et Crédibles) izy ity, vatsian’ny « Fonds pour la consolidation de la paix » vola ary karakarain’ny UNESCO.   Marihana fa ny Trandraka andiany fahatelo dia nifantoka tamin`ny lohahevitra fanjakana tsara tantana sy zon`olombelona. Omaly rahateo no nanamarihana ny andro eran-tany ho an’ny zon’olombelona, niaraka tamin’ny fankalazana ny faha-70 taonan’ny  fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona. Nandritra ny lahateniny, niaiky ny Jeneraly Rasolofonirina Béni Xavier, minisitry ny fiarovam-pirenena, fa mbola maro amin’ireo andininy ireo no tsy voahaja eto Madagasikara. Fanambin’izao tontolo izao ary fanambintsika eto Madagasikara ihany koa ny fampanjariana ny zon’olombelona kanefa mbola maro amin’ireo andininy miisa 30 voatanisa ao anatin’ny fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona mantsy no tsy voahaja eto amintsika, raha tsy hilaza afa-tsy ireo karazana herisetra mitranga mandritra ny fanafihan-dahalo.

 

Marigny A.

 

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana