Dans la mme rubrique

Vinan-dRajoelina Ireo manan-katao no tena hahazo tombony ?

16/01/2019

Ny hamisavisana ny ratsy hiavian’ny soa, hoy ny fomba fiteny, ka enga tokoa anie tsy ho arakaraka ny ahiahin’ny olona ny hafitsoky ny fitondrana Rajoelina. Maro ireo velirano nambara fa hotanterahina, ary tsy misy ratsy ireny.

Vinan-dRajoelina Ireo manan-katao no tena hahazo tombony ?

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana asam-panjakana Ho sarotsarotra ny fitsinjarana ny teti-bola iasana

16/01/2019

Hiisa 22 ireo minisitra handrafitra ny governemanta hotarihin`ny praiminisitra vaovao ho avy eo fa tsy ho 30 mahery. Tombanana fa mety ho fitsitsiana izao, araka ny nambaran`ny filoham-pirenena vaovao nandritra ny fampielezan-keviny.

Fitantanana asam-panjakana Ho sarotsarotra ny fitsinjarana ny teti-bola iasana

Hamaky ny tohiny...

Hary Razafindrazaka « Enga anie ka hahay hamondrona ny Malagasy ny Filoha vaovao »

16/01/2019

Ny atao hoe tsy azo hivalozana dia midika hoe tsy maintsy eken’ny rehetra, hoy ny mpanao politika, Hary Razafindrazaka.

Hary Razafindrazaka « Enga anie ka hahay hamondrona ny Malagasy ny Filoha vaovao »

Hamaky ny tohiny...

Mety ho fidiran’ny TIM anaty governemanta Adihevitra tsy hifankahitana

16/01/2019

Ny sabotsy 19 janoary aorian’ny fianianan’ny filoha nambaran’ny HCC fa voafidy dia hisy ny filankevitry ny minisitra hotarihiny, ary hametra-pialana ny governemanta Ntsay Christian aorian’izay, raha ny vaovao mivoaka.

Mety ho fidiran’ny TIM anaty governemanta Adihevitra tsy hifankahitana

Hamaky ny tohiny...

Revolisionina namotika taty Afrika Manomboka tonga saina ireo firenena sasany

16/01/2019

Nifanesy ireo karazana Revolisionina taty Afrika tany amin’ny 10 taona lasa na latsaka kely tany ho any.

Revolisionina namotika taty Afrika Manomboka tonga saina ireo firenena sasany

Hamaky ny tohiny...

Emmanuel Macron Hihaona amin-dRajoelina any Paris

16/01/2019

Herinandro taty aorian’ny fanambaran’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) fa voafidy ho filoham-pirenena Malagasy i Andry Rajoelina dia nandefa taratasy fiarahabana azy ny filoha Frantsay Emmanuel Macron.

Emmanuel Macron Hihaona amin-dRajoelina any Paris

Hamaky ny tohiny...

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

15/01/2019

Ny sabotsy takariva dia nihaona manokana i Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, saingy tsy nisy nipika ny resaka. Mandeha ny fanangonan-tsonia amin’izao eny amin’ny antenimieram-pirenena amin’ny mbola hamerenana an’Atoa Ntsay Christian ho praiminisitra.

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

Hamaky ny tohiny...


Politique

K25 Ambohimahitsy sy Avaradrano Mandeha ny “porte à porte” hampandaniana an’i Dada

10/12/2018

Efa mandroso sy mivelatra tsara ny fomba fiasan'ny K25, ary efa mandeha ny fanentanana toy ny an'ny Kaominina Ambohimangakely, ka anisan’ireny ny fokontanin'Ambohimahitsy.

 Ny "Porte à porte" no paikady hampiasainay ka misy ny fanentanana miampy ny fizarana ny “Manifesto” sy fametahana ireny peta-drindrina ireny, hoy Rakotoarijaona Jean Claude anisan’ireo manampy amin’ny fanentanana. Manentana ny rehetra mba samy handray anjara izy ireo ary aoka tsy hisy fanilikilihana ny namana izay maniry hiaraka amintsika sary ady sy tolona no hatrehantsika. Mila ezaka sy asa ny fandresentsika. Nahazo 51% tamin'ny faritra Avaradrano fifidianana fa tanjona ny 70% hatrany amin'ny 75% farafahakeliny amin'ny fihodinana faharoa, hoy Ratovondrahona Solofoniaina na “Riri”. Manentana ny olona ho tonga hifidy satria maro ihany ny nieritreritra hoe handeha ho azy, saingy efa miara-mahita ny rehetra izao fa zava-dehibe ny fiaraha-mientana. Ny DIS TIM Avaradrano dia manentana ny rehetra handrotsaka ny laharana 25 fa eo isika no horaisina raha diso safidy eo. Manentana ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka mba handrotsa-bato ho an’i Marc Ravalomanana amin’ny 19 desambra, ary hanara-maso ny safidy natao. Izy no farafanantenana ho antsika, ary vao diso safidy eo dia hanenina tokoa ary hisy fiantraikany hatrany amin’ny taranaka faramandimby, hoy Ratovondrahona Solofoniaina na “Riri”, anisan’ireo mpitarika ny TIM Avaradrano.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana