Dans la mme rubrique

Vinan-dRajoelina Ireo manan-katao no tena hahazo tombony ?

16/01/2019

Ny hamisavisana ny ratsy hiavian’ny soa, hoy ny fomba fiteny, ka enga tokoa anie tsy ho arakaraka ny ahiahin’ny olona ny hafitsoky ny fitondrana Rajoelina. Maro ireo velirano nambara fa hotanterahina, ary tsy misy ratsy ireny.

Vinan-dRajoelina Ireo manan-katao no tena hahazo tombony ?

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana asam-panjakana Ho sarotsarotra ny fitsinjarana ny teti-bola iasana

16/01/2019

Hiisa 22 ireo minisitra handrafitra ny governemanta hotarihin`ny praiminisitra vaovao ho avy eo fa tsy ho 30 mahery. Tombanana fa mety ho fitsitsiana izao, araka ny nambaran`ny filoham-pirenena vaovao nandritra ny fampielezan-keviny.

Fitantanana asam-panjakana Ho sarotsarotra ny fitsinjarana ny teti-bola iasana

Hamaky ny tohiny...

Hary Razafindrazaka « Enga anie ka hahay hamondrona ny Malagasy ny Filoha vaovao »

16/01/2019

Ny atao hoe tsy azo hivalozana dia midika hoe tsy maintsy eken’ny rehetra, hoy ny mpanao politika, Hary Razafindrazaka.

Hary Razafindrazaka « Enga anie ka hahay hamondrona ny Malagasy ny Filoha vaovao »

Hamaky ny tohiny...

Mety ho fidiran’ny TIM anaty governemanta Adihevitra tsy hifankahitana

16/01/2019

Ny sabotsy 19 janoary aorian’ny fianianan’ny filoha nambaran’ny HCC fa voafidy dia hisy ny filankevitry ny minisitra hotarihiny, ary hametra-pialana ny governemanta Ntsay Christian aorian’izay, raha ny vaovao mivoaka.

Mety ho fidiran’ny TIM anaty governemanta Adihevitra tsy hifankahitana

Hamaky ny tohiny...

Revolisionina namotika taty Afrika Manomboka tonga saina ireo firenena sasany

16/01/2019

Nifanesy ireo karazana Revolisionina taty Afrika tany amin’ny 10 taona lasa na latsaka kely tany ho any.

Revolisionina namotika taty Afrika Manomboka tonga saina ireo firenena sasany

Hamaky ny tohiny...

Emmanuel Macron Hihaona amin-dRajoelina any Paris

16/01/2019

Herinandro taty aorian’ny fanambaran’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) fa voafidy ho filoham-pirenena Malagasy i Andry Rajoelina dia nandefa taratasy fiarahabana azy ny filoha Frantsay Emmanuel Macron.

Emmanuel Macron Hihaona amin-dRajoelina any Paris

Hamaky ny tohiny...

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

15/01/2019

Ny sabotsy takariva dia nihaona manokana i Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, saingy tsy nisy nipika ny resaka. Mandeha ny fanangonan-tsonia amin’izao eny amin’ny antenimieram-pirenena amin’ny mbola hamerenana an’Atoa Ntsay Christian ho praiminisitra.

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Andry Rajoelina Voahodidina tsy fahamatoram-poto-kevitra

10/12/2018

Miditra tsikelikely amin’ny famaranana ny fifidianana izay ho filoham-pirenen’i Gasikara isika ankehitriny ary efa mandeha ny fampielezan-kevitry ny fihodinana faharoa.

 Mitohivakana ihany koa ireo fanambaran’ny kandida tsy tafita ho amin’ny dingana faharoa. Ao ireo nisafidy ny tsy hanohana na iza na iza. Ao ny hanohana ny kandida laharana faha-25, Marc Ravalomanana. Ao koa ireo hanohana ny laharana faha-13, Andry Rajoelina. Raha ny zavatra hita ankehitriny dia voahodidina tsy fahamatoram-poto-kevitra hatrany ity farany, raha ny zava-nitranga tao anatin’ny 3 andro monja fotsiny no resahana. Anisan’ny naha be resaka ny mpanara-baovao, ohatra, ny fanohanan’ny kandida Randriamampionona Joseph Martin na Dadafara izay nanao fanambarana rehefa nalaza ho niresaka 2 minitra monja tamin’ny kandida Ravalomanana. Fanohanana mila tambiny avy hatrany no namakian’ny mpanara-baovao ny fihetsiny ka rehefa tsy nahafa-po ny an-daniny dia tonga dia tsy mandinika ela fa nitodika amin’ny an-kilany avy hatrany; avy eo manondrana indray fahitalavitra fa : “ manana vintana matanjaka i Andry Rajoelina matoa 36 taona izy nahavita nanongam-panjakana, nanongana filoha teo am-perinasa …”. Ny kandida iray indray dia efa nanao fanambarana izao fa hiala sasatra kely amin’ny tontolo politika aloha kinanjo dia hoe hanohana kandida indray amin’ny fihodinana faharoa. Ny fahatelo moa dia efa nilaza izao fa tsy hanohana kandida amin’ny fihodinana faharoa kinanjo nanao fanambarana nanohitra izany indray avy eo. Mbola lavitra ezaka ny hanarina ny tontolo politika eto amintsika mba ho amin’ny matihanina kokoa raha mijery ny zava-misy hatreto ary tena marobe ireo noheverina fa nahazo lesona ary lasa olon-kendry kanefa dia niha adala kokoa noho ny tena adala aza.

J. Mirija

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana