Dans la mme rubrique

FITSARAM-BAHOAKA

15/01/2019

Raha tsy tonga haingana ny polisy dia efa matin’ny fitsaram-bahoaka ny rangahy iray izay tompon’antoka tamin’ny heloka bevava.

FITSARAM-BAHOAKA

Hamaky ny tohiny...

Mampitaraina sahady

15/01/2019

Mampitaraina sahady ireo mpiara-miasa aminy ny minisitry ny mponina satria dia mbola andrasana hatramin’izao ny valin’ny

Mampitaraina sahady

Hamaky ny tohiny...

NOVONOINA AVY EO NALEVINA

14/01/2019

Novonoina ny tompon’ny fiara dia nalevina tao anaty ala. Izany no nitranga tany amin’ny tanàna kely iray manodidina an’Andranovelona.

NOVONOINA AVY EO NALEVINA

Hamaky ny tohiny...

Miandry fifidianana

12/01/2019

Miandry ny fahavitan’ny fifidianana solombavambahoaka sy ben’ny tanàna izany vao mety hahazo praiminisitra vaovao isika,

Miandry fifidianana

Hamaky ny tohiny...

FAKANA AN-KERINY

11/01/2019

Mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny rano sy ala no nisy naka an-keriny tany Isoanala, distrika Betroka. Vola mitentina 12 tapitrisa ariary no notakian’ireo olon-dratsy mba ho solon’ny ainy.

FAKANA AN-KERINY

Hamaky ny tohiny...

Nisoroka ady

11/01/2019

Mitohivakana ny fiarahabana ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, izay milaza ny fahendrena nasehony nanomboka ny 8 janoary teo ka hatramin’izao.

Nisoroka ady

Hamaky ny tohiny...

POLISY MENDRIKA

10/01/2019

Sambany mba nanao fihetsika mendri-piderana ireo polisy. Nahavariana ireo mponina teo Anosy ny nahita polisy efatra mirahalahy nanamboatra ny lalana goaka manoloana ny boriborintany. Asa raha baiko na fandavantena fa izy ireo mihitsy no nandray borety sy nanampina ny lavaka

POLISY MENDRIKA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

BILETA TOKANA

06/12/2018

Afaka telo andro no ho tonga ny bileta tokana vao nohafaran’ny Ceni. Miisa 10.300.000 izany ankoatra ny bileta tokana hanaovan’ny kandidà roa fampielezan-kevitra ka hozaraina amin’izy ireo tsy ho ela.

 

 

 

Betsaka ny manahy hala-bato avy amin’ny fampiasana ny bileta tokana saingy efa izay aloha ny lamina sy ny lalàna manan-kery ary tsy afaka ny hihemotra intsony. Ny fanaraha-maso ny vato no mila hamafisin’ny kandidà tsirairay avy mba hialana amin’ny ahiahy izay mety hiteraka korontana. 


NIANJERA TAMPOKA

 

Ramatoa iray no nianjera tampoka teo Ambondrona ary torana tsy nahatsiaro tena intsony. Noheverina ho mbola niaina izy teo kinanjo efa namoy ny ainy. Nentina teo amin’ny mpitsabo tsy miankina teo amin’ny manodidina teo mba hanavotana ny ainy saingy tsy avotra intsony. Enimpolo taona katroka ilay ramatoa ary mpampianatra ny asany, raha araka ny hita tao anatin’ny kara-panondrony. Heverina ho avy niantsena koa izy ary mba nividy firavaka kely, anisan’ny hita tao anaty poketrany.

 

HALATRA AMIN’NY FIARA

 

Taorian’ny pare-brise, ny batterie, izao dia ny bokotra fibaikoana fitaratra indray no hataon’ny jiolahy lasibatra. Mba hahazoana ireo bokotra kely miisa efatra dia vakian’izy ireo mihitsy ny varavaram-pitaratry ny fiaran’olona. Bokotra izay raha misy mividy ambony indrindra angamba dia arivo ariary kanefa ny fitaratry ny olona an-tapitrisany ary mety tsy hisy vaovao akory aza. Midina tanteraka ilay toe-tsaina eto an-drenivohitra. 


TOMPONA GAZETY HIAKATRA FITSARANA

 

Anio no hiatrika fitsarana ny tompon’ny gazety iray fanta-daza. Ny antony dia ny fitorian’ny mpiasa vavy iray tao aminy izay voaroaka noho ny fandehanany tany andafy kanefa tsy nomen’ny orinasa alalana. Vao tafaverina izy dia noroahina ary mba ho valifatiny dia nametraka fitoriana noho ny antony hafa mihitsy dia ny karama tsizarizary sy ny tsy fanarahana ny lalàn’ny asa, anisan’izany ny tsy fisian’ny taratasy fifanarahana.

 

 

 


FANDRIAMPAHALEMANA ANY MENABE

 

Ny fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana no nanapa-kevitra ny hitondra sy hiantoka mpitandro ny filaminana mba hamerina ny fandriampahalemana any Menabe. Omaly no niainga ny valopolo lahy avy amin’ny mpitandro ny filaminana izay hiantohana ny rehetra. Mahamenatra izany satria asa tokony hataon’ireo andavanandro ny fampandriana ny fahalemana kanefa dia tsy afa-mihetsika raha tsy misy mpamatsy vola.

 

ARTISTA TSY NAHAZO VISA

Artista fanta-daza miisa efatra no tsy nomen’ny kaonsilin’i Frantsa eto Madagasikara Visa. Anisan’izany i Mr Sayda izay anisan’ny ankafizin’ny tanora tokoa amin’izao fotoana. Amin’ny mpanara-baovao sy mpankafy azy ireo dia fanambaniana ny Malagasy tanteraka ny toy izao. Niverim-potsiny ireo artista efatra izay marihina fa efa maty paika ny fandaminana amin’ny hetsika izay saika hataon’izy ireo any Lafrantsa. Asa izay fantiantoka mety hahazo ny mpikarakara amin’ity raharaha ity.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana