Dans la mme rubrique

Mpitandro filaminana Malagasy Tena mbola tsy ampy isa

22/03/2019

Resy tosiky ny olona tezitra noho ny delesstazy teo an-toerana ny mpitandro filaminana noho ny tsy fahampian’ny isan’ireto farany, raha ny tranga teo Antalaha no heverina, ka nahamay ny biraon’ny Jirama.

Mpitandro filaminana Malagasy Tena mbola tsy ampy isa

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo- fandriampahalemana Mifarimbona manidy lalana ny mpitandro filaminana

21/03/2019

Manara-maso tanteraka ireo lalana miditra, indrindra mivoaka ny Renivohitra ireo mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao.

Antananarivo- fandriampahalemana Mifarimbona manidy lalana ny mpitandro filaminana

Hamaky ny tohiny...

Fanafihana teny Andranonahoatra Itaosy Voatifitra ilay mpanao “versement”

19/03/2019

Manomboka miaina anaty tsy fandriampahalemana tanteraka ny eny Itaosy sy ny manodidina amin’izao. Ankoatra ny hala-botry sy ny vaky trano mantsy dia efa tsy matahotra ny manafika amin’ny andro atoandro intsony ireo jiolahy.

Fanafihana teny Andranonahoatra Itaosy Voatifitra ilay mpanao “versement”

Hamaky ny tohiny...

Fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna Basy mahery vaika 4 nisy nanatitra tany amin’ny zandary

19/03/2019

Ati-pako! Tamin’ny zoma tapaky ny volana martsa teo no nisy nanao ati-pako ny basy kalaknikov roa, fa ny 2 hafa kosa mpitana ireny fitaovam-piadiana ireny efa nahazo alalana tany aloha no nanatitra izany teo amin’ny zandary,

Fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna Basy mahery vaika 4 nisy nanatitra tany amin’ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Tsaratanana Mpaka takalon’aina 5 tamin’ny 60 no voatifitra

19/03/2019

Dimy izay anisan’ireo heverina ho mpaka takalon’aina saika hanohitra sy handositra tamin’ireo mpivory enipolo mahery no lavo voatifitry ny zandary nandritra ny fifanjevoana.

Tsaratanana Mpaka takalon’aina 5 tamin’ny 60 no voatifitra

Hamaky ny tohiny...

Tsaratanana Mbola tsy hita ilay kandida natao takalon’aina

18/03/2019

“Mbola tsy tafaverina ilay mpirotsaka ho fiadiana ho solombavambahoaka izay saika hiaraka amin’ny Fitondrana izay mijoro”.

Tsaratanana Mbola tsy hita ilay kandida natao takalon’aina

Hamaky ny tohiny...

Tetik’adin’ny jiolahy mpanafika Mpanampy vavy no atao mpitsikilo

15/03/2019

Ny fampidirana mpiasa amin’ny trano hotafihina hitsikilo mba hahazoana ny vaovao indray izao no ketrik’ireo tambazotran’olondratsy.

Tetik’adin’ny jiolahy mpanafika Mpanampy vavy no atao mpitsikilo

Hamaky ny tohiny...


Fandriampahalemana

Kidnapping tany Toamasina Olon’ny MAPAR no atidoha…

06/12/2018

Manomboka sarona ny atidohan’ny fanaovana fakana an-keriny na « kidnapping » eto amintsika rehefa nandeha ny famotorana lalina ireo sarona tany Toamasina.

 

 

Lehilahy iray mpikatroka ao anatin’ny antoko MAPAR raha ny sary mivoaka no voasambotra tany Antsirabe tamin’ity herinandro ity, rehefa nibaradaka ny iray tratra tany Toamasina tamin’ny raharaha fakana an-keriny an’i Arman Kamisy, tompon’ny orinasa Transfy tany Toamasina ny alarobia 21 novambra. Io lehilahy voasambotra tany Antsirabe io no voalaza ho atidohan’ny fakana an-keriny an’i Arman Kamisy sy nampaniraka ireo mpaka an-keriny. Efa voarohirohy tamin'ny fakana an-keriny an'i Shane Kourjee izay misy rohim-pihavanana amin’iry voalohany ihany tany Antsirabe ny taona 2016, saingy nahazo fahafahana vonjy maika. 500 tapitrisa ariary no vola notakiana tamin’ny fianakavian’i Shane Kourdjee izay vao votsotra tamin’ny 14 aprily 2016 ary 3 tapitrisa no nanakaramana ireo iraka. Volabe 3 miliara ariary kosa no nokasaina hampandoavina ny fianakavian'i Arman Kamis.  Ankoatra azy, dia nisy namany 7, ary nisy tamin’ireo no voalaza ho nandray anjara tamina kidnapping tany Sambava no voasambotra. Mbola misy ireo karohina. Efa tena tambajotra izy io ary maro ny raharaha “kidnapping” voalaza fa efa nataon’izy ireo saingy misy mpiaro ambony hatrany. Mihenjana ny Mpitsara mpanao famotorana sy ny mpitandro ny filaminana ary tsy hanaiky fanelanelanana na “intervention” hanafahana ireo voarohirohy. Efa misy aza ny toromarika hisambotra ny mpiray tsikombakomba. Tsy hay aloha na misy hifandraisana amin’ny politika ny raharaha na ahoana fa ity lehilahy ity, ankoatra ny maha mpikatroka MAPAR azy dia voalaza fa zanak’anadahina minisitra vehivavy iray ao anatin’ny governemanta ankehitriny izay MAPAR ihany koa. Rahampitso zoma 7 desambra dia hisy ny valandresaka amin’ny mpanao gazety hataon’ny tribonaly ao Toamasina momba ity raharaha fakana an-keriny ity.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana