Dans la mme rubrique

SEG eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny atitany Tsy mahafaly ny zandary

18/01/2019

Mafana ny adihevitra any anatin’ny zandarimariam-pirenena momba ny firafitry ny governemanta vaovao raha ny feo re.

SEG eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny atitany Tsy mahafaly ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao Nitokana ny toby miaramila RFI Ivato

18/01/2019

Manoloana ny famindram-pahefana anio eo amin`ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha vaovao, Andry Rajoelina, nilaza ny filoham-panjakana, Rivo Rakotovao fa tsy tombontsoa ambonin`ny firenena ny fambolena korontana.

Rivo Rakotovao Nitokana ny toby miaramila RFI Ivato

Hamaky ny tohiny...

Fikajiana ny tontolo iainana eto Madagasikara Tena mila ezaka goavana

18/01/2019

“Mitentina 70 tapitrisa dolara no azon’i Madagasikara tao anatin`ny tetikasa “credit carbone” tamin`ny taon-dasa”, hoy ny minisitry ny tontolo iainana, ny ekolojia ary ny ala, Randriatefiarison Guillaume

Fikajiana ny tontolo iainana eto Madagasikara Tena mila ezaka goavana

Hamaky ny tohiny...

Sambo nirehitra Mpiasa iray maty…

18/01/2019

Vokatry ny tsy fitandremana noho ny baikon’ny mpiampiasa azy ireo dia nipoaka sy nirehitra ny sambo “Nosy Mangabe” izay miantsona miandry entana ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny alarobia 16 janoary teo tokony ho tamin’ny 11ora atoandro.

Sambo nirehitra Mpiasa iray maty…

Hamaky ny tohiny...

Lycée Jacques Rabemananjara ao Toamasina Hanamparan'ilay karana mpanefoefo ny maha izy azy

18/01/2019

Mbola manakoako sy mitohy hatrany ankehitriny ny fanjakazakana sy fanaparam-pahefana ataon'ilay teratany karana malaza ho mpanefoefo ao Toamasina ao.

Lycée Jacques Rabemananjara ao Toamasina Hanamparan'ilay karana mpanefoefo ny maha izy azy

Hamaky ny tohiny...

Tontolon`ny Fitsarana Maniry ny fitohizan`ny fanatsarana natao ny minisitra

16/01/2019

Na dia 7 volana monja aza ny fotoam-piasana izay nitantanan`ny minisitry ny Fitsarana, Rtoa Norovololona Harimisa, dia nisy ny ezaka vitan`ny minisitera tao anatin`ny fotoana fohy.

Tontolon`ny Fitsarana Maniry ny fitohizan`ny fanatsarana natao ny minisitra

Hamaky ny tohiny...

Trafikana volamena Tsy mety tratra ireo tena atidoha

16/01/2019

Malagasy 3 no tratra nitondra volamena milanja 25,5 kilao tany Maorisy ny 10 janoary lasa teo, saika ho any Mumbai (Inde) ny roa raha toa ka nilaza ny ho any Dubai ny iray.

Trafikana volamena Tsy mety tratra ireo tena atidoha

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Filankevi-pitantanan’ny Jirama Tomponan’andraikitra maromaro nosoloina

30/11/2018

Mahagaga ary tsy nampoizin’ny rehetra ny fanovana tampoka tamin’ny fitantanana ny orinasam-panjakana Jirama satria nisy mpitantana maromaro nesorina tamin’ny toerany nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 28 novambra lasa teo.

 

 

 Nisy ampahany foana ny didim-panjakana 2017-049 tamin’ny 19 janoary 2017, fanendrena tompon’andraikitra ambony ao anatin’ny Filankevi-pitantanan’ny Jirama. Raha hiverenana ny tantara dia nesorina tamin’ny toerany tamin’io 19 janoary 2017 io ny filohan’ny filankevi-pitantanana tamin’izany Rachidy Mohamed ary nosoloina manontolo ihany koa ny filankevi-pitantanana ka 12 mianadahy no mpikambana. Ankehitriny anefa, dia nisy ny fanovana, ka voatendry hisolotena ny Primatiora i M. Ramarolahy Christian,  Jaosolo Gelase no misolotena ny minisiteran’ny toekarena sy ny planina, Randrianarison Valéry Leroy no solontenan’ny minisiteran’ny Indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina, Rakotomanga Soloalitiana no avy amin’ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana, Andriantahina Tsiry no avy amin’ny minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo,  Raselison Julien Mamiarivao no avy amin’ny minisiteran’ny rano, ary  Rabialahy Jean Rostand dia notendrena noho ny fahaiza-manaony manokana. Amin’izao fotoana izao moa dia marihina fa misy ny fitarainan’ny vahoaka momba ny vidin-jiro, izay tsy misy ny fijerena ny « relevé » fa manome faktiora avy hatrany. Tsy mijery ny marika ao amin’ny « compteur » fa tonga dia mizara faktiora ary rehefa anontaniana dia hoe tena mbola misy fanamboarana be ao amin’ny jirama ao. Dia ahoana indray izany amin'ny iray volana ho avy satria efa tsy misy «repère » ny fandaniana fa ataon-dry zareo salan’isa fotsiny ny fandaniana jiro sy rano ? Andrasana ny fanazavana.

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana