Dans la mme rubrique

Fahaizana mitantana eran-tany Nahazo ny toerana voalohany ny CNaPS

18/01/2019

Ny fandinihana ny tantaran’ireo firenena matanjaka na koa olo-malaza eran-tany sy tafita teo amin’izay nifotorany no niaingan’ny fianarana ny fahaizana mitantana.

Fahaizana mitantana eran-tany Nahazo ny toerana voalohany ny CNaPS

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana TAMIA Ho avy tsy ho ela ny zaikabem-pirenena

18/01/2019

Tao anatin’ny fiarahabana ny vahoaka Malagasy nataony izay nampitainy tamin’ireo mpanao gazety tafaresaka tamin’izy ireo teny Antanimena ka nilazan’ny filohany, Randriamahefa Benjamina ny hoe :

Fikambanana TAMIA Ho avy tsy ho ela ny zaikabem-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjaram-pahefana eto Madagasikara Lava loatra ny lalam-bola

17/01/2019

Miainga amin’ny fandraisana sy ny fampiharana ny andraikitry ny fanjakana ihany ny fahatanterahan’ny fitsinjaram-pahefana tena izy hoy ny mpahay lalàna momba ny fitantanam-bola, Fanahimanana Tiaray.

Fitsinjaram-pahefana eto Madagasikara Lava loatra ny lalam-bola

Hamaky ny tohiny...

Fahefana mpanao lalàna Mahasolotena ny depiote ny senatera

15/01/2019

Mihetsiketsika ny birao maharitra eo anivon`ny Antenimieram-pirenena amin`ny fanitarana fe-potoana farany hiasan`ireo depiote voafidim-bahoaka. Mazava anefa ny lalàna fa tapitra ao anatin`ny dimy taona ny fe-potoana hiasan`ny solombavambahoaka.

Fahefana mpanao lalàna Mahasolotena ny depiote ny senatera

Hamaky ny tohiny...

Federasionan’ny mpivarotra sy ny indostria Miandrandra fitoniana

14/01/2019

Manantena fitoniana ara-politika sy fampiroboroboana ny sehatry ny fandraharahana ny federasionina ny antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Madagasikara, izay miisa 24.

Federasionan’ny mpivarotra sy ny indostria Miandrandra fitoniana

Hamaky ny tohiny...

Fitsarana eto Madagasikara Maro ireo rafitra mampandringa azy

14/01/2019

Ny 19 janoary ho avy izao no hanao fianianana ampahibemaso eny amin’ny kianjan’i Mahamasina ny filoham-pirenena vaovao ka aorian’izay no hijoro ny governemanta vaovao.

Fitsarana eto Madagasikara Maro ireo rafitra mampandringa azy

Hamaky ny tohiny...

ENMG Hanatsara ny fampidirana ny mpiadina

12/01/2019

Nisy ezaka teo anivon’ny Fitsarana nandritra ny enim-bolana faharoa tamin’ny taona 2018 nataon’ny minisitry ny fitsarana entina hamerenana ny hasin’ny fitsarana eto Madagasikara.

ENMG Hanatsara ny fampidirana ny mpiadina

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Fiampitana amin’ny angovo azo havaozina Tsy maintsy miroso i Madagasikara

30/11/2018

Natao tao amin’ny minisiteran’ny Angovo tetsy Ampandrianomby ny tomban’ezaky ny sehatra angovo tamin’ny taona 2016-2017 omaly alakamisy 29 novambra. Noresahina tao ny tontolon’ny famokarana herinaratra nijerena ny antsipiriany amin’ny fiaviany sy ny fampiasana ireo angovo amin’izany.

 

 

 

Notarafina tao ihany koa ny ezaka sy ny fanatsarana tsy maintsy atao amin’izay sehatra angovo eto Madagasikara. Fantatra fa mbola mahazo vahana sy be mpampiasa  ny  hazo sy ny kitay fandrehitra eto amin’ny firenena satria mahatratra hatrany amin’ny 80% ny tahan’ny  filàna amin’izany, araka ny tatitry ny minisitry ny angovo, Rasoloelison Lantoniaina. Tsy tsy maintsy ialana izany satria tena efa ho fongana sy miharipaka ary kely sisa ny ala misy. Ny loharano sy ny ony miteraka angovon’aratra amin’ny alalan’ny toha-drano aza moa efa ritra noho ny fahapotehan’ny ala sy ny fahasimban’ny tontolo iainana. Ilaina, araka izany, ny fandraisana ny fepetra sy ny paikady ary ireo fanapahan-kevitra haingana amin’ny ady amin’ny doro tanety sy ny fanapahana ny ala misy eto Madagasikara. Tsy misy ary tsy ampy amin’izao ny  rano na aty an-drenivohitra na ny any ambanivohitra noho ny tsy fisian’ny rotsak’orana kanefa efa tokony ho fotoana fiaviany izao, hoy hatrany  ny minisitra,  antony mahatonga an’io  tsy fahampian’ny herinaratra io ihany koa. Tsy azo ihodivirana ary tsy maintsy hizoran’i Madagasikara ny fiampitana mankany amin’ny angovo azo havaozina (transition énergétique). Rehefa izay mantsy dia hihena tsikelikely ny fampiasana ny arina sy ny kitay fandrehitra. Mila ezahina hatrany ny famoronana arina sy ny fanaovana ny fatana tsy ilana fampiasana ala. Halana tsikelikely amin’ny fanimbana ala ny tantsaha dieny izao ary hatao amin’ny alalan’ny fanofanana sy fampirisihana azy hamboly hazo mandrakariva. Tsy tokony hanapaka vatan-kazo mihitsy izy ireo fa miezaka mampiasa ireny bozaka na kirihitra ireny aloha farafaharatsiny amin’ny zavatra ataony. Efa tsy tokony hikitika ireo ala sisa ananana ireo intsony mantsy ny Malagasy satria tsy vitan’ny potika ny tontolo iainana fa sady tsy misy intsony ny hazo sy ny ala  mba ho an’ireo taranaka faramandimby ka handova tany ngazana izy ireo.

Tsirinasolo

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana