Dans la mme rubrique

TIA VONINAHITRA

18/01/2019

Tia voninahitra loatra ny filoha mpisolo toerana Rivo Rakotovao. Na efa anio aza ny famindram-pahefana eo aminy sy ny filoha vaovao no hatao,

TIA VONINAHITRA

Hamaky ny tohiny...

BOLOKIM-BAZAHA

17/01/2019

Efa hita tokoa fa bolokim-bazaha ny filoha vaovao Andry Rajoelina na dia niezaka ny nanafina izany aza tamin'ny filazana fa tsy hiankina ara-bola amin'ny

BOLOKIM-BAZAHA

Hamaky ny tohiny...

Mpianatra malagasy

17/01/2019

Mpianatra Malagasy monina any frantsa antsoina hoe Andotiana Randriamampianina, 23 taona, mirefy 1m58 no tsy hita popoka nanomboka ny 9 janoary teo. Mitaintaina fatratra mikasika ny momba azy ankehitriny ny raiamandreniny sy ny fianakaviany ary manao antsoavo amin’izay mahafantatra azy rehetra manerana izao tontolo izao mba hampandre rehefa misy vaovao.

Mpianatra malagasy

Hamaky ny tohiny...

KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA

16/01/2019

Hanao izay ho afany ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny famahana ny fitohanan’ny fifamoivoizana izay nampitaraina ny maro.

KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA

Hamaky ny tohiny...

Resaka fanonganam-panjakana

16/01/2019

Miezaka mivoy indray ankehitriny ireo haino aman-jery frantsay fa fanonganam-panjakana no nitranga teto Madagasikara ny taona 2009. Tafakatra eo amin’ny fitondrana indray, hoy ny gazety Le Monde, ny mpanongam-panjakana mpanefoefo.

Resaka fanonganam-panjakana

Hamaky ny tohiny...

FITSARAM-BAHOAKA

15/01/2019

Raha tsy tonga haingana ny polisy dia efa matin’ny fitsaram-bahoaka ny rangahy iray izay tompon’antoka tamin’ny heloka bevava.

FITSARAM-BAHOAKA

Hamaky ny tohiny...

Mampitaraina sahady

15/01/2019

Mampitaraina sahady ireo mpiara-miasa aminy ny minisitry ny mponina satria dia mbola andrasana hatramin’izao ny valin’ny

Mampitaraina sahady

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

LOZA TENY AMIN’NY RN7

29/11/2018

Iray no maty tsy tra-drano ary 52 naratra ka ny fito amin’ireo dia mbola miady amin’ny fahafatesana.

 

  Izany no vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny RN7 izay tsy lavitra an’Ambositra, teo amin’ny PK 258+50. Kamiao mpitatitra olona mahazaka hatramin’ny 82 isa no nivadika tany anaty hantsana. Niala bala ny mpamily ary nilaza fa nisy nanafika ka voatery nandeha mafy. Tsy voamarin’ny zandary anefa izany ary hatreto dia raisina ho lainga. 

MATY AM-PERINASA

 

Maty am-perinasa ny Adjudant Hery komandin’ny borigady ao Ranomafana. Tao amin’ny fokontany Tsaramandroso, ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ranomafana no notifirin’ny dahalo izy raha nanao fanadihadiana tany an-toerana ka natory tao. Lasan’ireo jiolahy koa ny basy kalachnikov izay mbola misy bala 60 nentiny. Vitsy loatra ireo zandary miisa telo manoloana ny 50 lahy nitam-basy nanafika azy ireo ka voatery nitsoaka. 

COCKTAIL MOLOTOV

 

Roa lahy nihaodihaody teo anoloan’ny biraon’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana omaly tamin’ny iray ora maraina no nanaitra ny mpitandro ny filaminana ka nantsoina avy hatrany. Nitsoaka ny iray ary tafaporitsaka tao anatin’ny haizina. Ilay faharoa no voasambotra ka nahitana « cocktail molotov » tao anatin’ny kitapony. Nosamborina avy hatrany ary nentina nanaovana fanadihadiana etsy amin’ny biraon’ny zandary etsy Fiadanana misahana ny heloka bevava. 

KARANA NOTIFIRIN’NY JIOLAHY

 

Nassim Goulzaraly teratany karana no namoy ny ainy omaly antoandro tao Mahajanga rehefa notifirin’ny jiolahy. Nitondra vola tamin’ny baoritra tao anaty fiarany izy no narahin’ny roa lahy mitaingina scooter sy mitam-basy. Norarafana bala ny fiara nentiny ary nahavoa azy. Nezahina nentina teny amin’ny hopitaly Androva ihany hanavotana ny ainy saingy tsy tana intsony. Namela mananon-tena iray sy zaza telo ity teratany karàna mpampanofa fiara ao Mahajanga ity. 

 

 

 

 

SINOA MIGADRA ENY TSIAFAHY

 

Sinoa dimy nidoboka eny Tsiafahy noho ny fikasana hanao trafikan’olombelona vehivavy. Novadian’ireo sinoa avy amin’ny fanaovana kolikoly tao amin’ny kaominina Ihosy ireo zazavavy avy any Ambanivohitra. Nokasain’izy ireo hoentina any Chine avy eo ka teo am-panaovana pasipaoro no sarona. Vehivavy tsy ampy taona ireo saika nentina. Nisy mpiasan’ny kaominina izay nanao ny taratasy koa anisan’ny niditra am-ponja ary vehivavy iray hafa mpanelanelana nalefa eny Antanimora. 

ANTSAKABARY

Nirehitra indray Antsakabary. Tao amin’ny fokontany Ambalavary dia trano miisa 13 no may kilan’ny afo ary olona 56 avy amin’ny fianakaviana maro no tsy manan-kialofana. Hatreto dia tsy fantatra izay tena mety ho fototry ny afo ary sarotra rahateo ny manao ny fanadihadiana noho ny tsy fisian’ny fitaovana any an-toerana. Matetika mitranga ny hain-trano ao Antsakabary ary ny farany izay nisy dia ny fandoran’ny polisy ny tanàna mba ho valifaty tamin’ny namonoana ny naman’izy ireo. 

SAZY MOMBA NY FANARIANA FAKO

 

Manomboka miditra amin’ny fanasaziana ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Arahin’ny tompon’andraikitra akaiky ny lera fanariana fako eny amin’ny daban-jaoridira ka izay tratra manary fako amin’ny ora tsy izy dia homena azy. Izay indray no fepetra vaovao noraisina manoloana ny fivangongon’ny fako ato Antananarivo. Misy fahamarinany satria miainga amin’ny toe-tsaina tokoa no hahafahana miady amin’ny loto. Ny teny anefa dia tsy ampy intsony noho ny fanabeazana ambany dia ambany, ny sazy ihany sisa no afaka manova ny fanao ratsy.

 

# Mandrahona ny hitondra mpitandro ny filaminana ny olona nilaza fa nividy ny ampahan-tany amin'Antsahamanitra. Raha ny marina anefa dia an'ny fiangonana Fjkm sy Flm io tany io ary tsy novarotana mihitsy. Miteraka olana izany ankehitriny ary tezitra ny mponina sy ny mpampiasa ny kianja satria efa noraisina ho toy ny vakoka "patrimoine" ny kianjan'Antsahamanitra.

K25 ALAOTRA                                                   

Ambohipihaonana ireo mpomba ny kandida Marc Ravalomanana ny tao amin'ny efitrano malalaky ny Espace Laza Antanifotsy Ambatondrazaka omaly 28 novambra teo.Ankoatra ny antoko Tim sy ny KMMR dia tonga nanatevindaharana ao anatin'ny K25 AMBATONDRAZAKA ireo ben'ny tanàna HVM sy ny vondrona olon-tsotra.Tonga tany an-toerana nametraka io rafitra handrindra ny K25 any Ambatondrazaka io ny Coach faritany Toamasina Atoa Andriamorasata julien. Niara dia taminy ny depiote Hery RABEKIJANA sy ny depiote teo aloha tany Amparafaravola depiote Hasina. Hitarika ny K25 ao Ambatondrazaka arak'izany Atoa Elyse sy Liva Ralambomanana.                                     

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana