Dans la mme rubrique

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy

18/01/2019

Hotontosaina anio eny amin’ny Lapam-panjakana eny Iavoloha ny fifamindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha nambaran’ny HCC fa lany hitantana ny firenena ao anatin’ny 5 taona dia i Andry Rajoelina.

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy

Hamaky ny tohiny...

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”

18/01/2019

Tanterahana anio ny famindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha sy ny filoha vaovao ary rahampitso faha 19 janoary no hatao eny Mahamasina no fotoana hanatanterahan’ny filoham-pirenena vaovao ny fianianany.

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Mihena sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy

18/01/2019

Tsy vita akory ny fianianana sy fandraisan’Atoa Andry Nirina Rajoelina ny toerana maha filoham-pirenena voafidim-bahoaka araka ny voalazan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, dia tsikaritra fa mihena ny taham-pankafizan’ny olona azy.

Andry Rajoelina Mihena sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sy fiainam-pirenena Izay tompon’ny vola no mibaiko

18/01/2019

Maro ny lalana nodiavn’ny firenena, raha tsy hitanisa afa tsy ny nanomboka ny 2009-2010.

Fifidianana sy fiainam-pirenena Izay tompon’ny vola no mibaiko

Hamaky ny tohiny...

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR

17/01/2019

Mafana ny adivarotra sy ny don-tandroka eny amin’ny Antenimieram-pirenena amin’ny fanendrena praiminisitra. Mbola i Ntsay Christian ve sa i Fienena Richard ?

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR

Hamaky ny tohiny...

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »

17/01/2019

Mbola maro ny asa miandry ny komitin’ny fampihavanana Malagasy ao anatin’ny 4 taona, hoy ny filoha lefitry ny CFM, Gerard Ramamimampionona.

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »

Hamaky ny tohiny...

Politika, toekarena, sosialy Mikorontana izao tontolo izao

17/01/2019

Notsipahan’ny parlemanta ilay fifanarahana momba ny fisintahan’i Grande Bretagne amin’ny vondrona eoropeanina.

Politika, toekarena, sosialy Mikorontana izao tontolo izao

Hamaky ny tohiny...


Politique

Jean Eric Rakotoarisoa “Nampitandrina ireo miketrika adim-poko”

29/11/2018

Nahitsy sy nazava tsara ny kabarin’ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC ) Jean Eric Rakotoarisoa omaly taorian’ny fanononana ny voka-pifidianana ofisialy teny Ambohidahy.

 

 

 

 

Miandraikitra ny maha ara-dalàna sy mamoaka ny voka-pifidianana ny asan’ny HCC, hoy izy. Nanao fanisana sy fanaraha-maso, nijery ny fitoriana, nanitsy ny diso, nanarina ny lesoka, nisy ny fitadiavana ny voka-pifidianana tena marina. Vita iny ny dingana iray lehibe na dia nisy aza ny sakana sy fingampingana maro samihafa. Raha resaka fifidianana dia tsy misy ny fahagagana na mazia, hoy i Jean Eric Rakotoarisoa. Nampiseho fahamatorana sy fahendrena ny mpifidy tamin’iny fihodinana voalohany iny. Mila manao toy izany koa ireo mpisehatra rehetra amin’ny fifidianana, hoy izy. Nanao ny asany araka ny rariny sy ny hitsiny ny HCC, ny vahoaka no mifidy, notohizany fa hoe mila misintona lesona mikasika ny fihodinana voalohany isika, ny CENI sy ny mpifaninana. Tokony hisy fepetra raisina amin’ny fizarana ny karatry ny mpifidy, tohizana ny fanentanana sy fanabeazana ny mpifidy. Mpifaninana ianareo fa tsy mpifahavalo, samy Malagasy ary ny firenena dia iombonana, hoy ny teniny niantefa tamin’Atoa isany Rajoelina Andry sy Ravalomanana Marc ka ny iray no ho filohan’ny Malagasy rehetra. Fadio ny mety hampiady, hampisaraka, mandratra, ny mifampiantsy. Tezao ny mpomba anareo fa mila firaisankinan’ny Malagasy. Fa anisan’ny fanambarana nafonja nataon’ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana omaly ny antso ho an’ny fitiavan-tanindrazana. Hoy indrindra izy : “ ireo izay mahalala ny tantaran’i Madagasikara, tantara tena izy fa tsy ny tantara ofisialy, dia mahafantatra tsara fa ity taona 2018 ity no tokony hamerenana ny hasim-piandrianan’ny Fanjakana Malagasy izay very sy  novonoina ary nofafana tamin’ny fanjanahantany. Adidintsika ankehitriny, indrindra izay manantena hitondra ny tany sy ny fanjakana ny manatanteraka izany, ka asakasak’izay mitsivalana amin’izany fa masina ny tanindrazana.Mampitandrina ireo alaim-panahy miketrika sy handrehitra adim-poko, tsy azo leferina izany ary tsy maintsy mandray andraikitra amin’izany ny governemanta sy ny mpitandro filaminana.” Mazava ny valim-pifidianana, hoy i Jean Eric Rakotoarisoa, tsy mila korontana ny Malagasy. Manantena antsika rehetra hiroso milamina any amin’ny fihodinana faharoa, am-panajana ny soatoavina Malagasy. Ny mpifidy no tompon’ny teny farany. Anisan’ireo manampahaizana manana ny maha izy azy eto Madagasikara ity filohan’ny HCC ity. Ankoatra ny maha mpitsara, mpampianatra mpikaroka azy dia mpanao gazety ihany koa izy ary inoana fa mahalala zavatra matoa nanao fanambarana hentitra tahaka izao

RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana