Dans la mme rubrique

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy

18/01/2019

Hotontosaina anio eny amin’ny Lapam-panjakana eny Iavoloha ny fifamindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha nambaran’ny HCC fa lany hitantana ny firenena ao anatin’ny 5 taona dia i Andry Rajoelina.

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy

Hamaky ny tohiny...

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”

18/01/2019

Tanterahana anio ny famindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha sy ny filoha vaovao ary rahampitso faha 19 janoary no hatao eny Mahamasina no fotoana hanatanterahan’ny filoham-pirenena vaovao ny fianianany.

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Mihena sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy

18/01/2019

Tsy vita akory ny fianianana sy fandraisan’Atoa Andry Nirina Rajoelina ny toerana maha filoham-pirenena voafidim-bahoaka araka ny voalazan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, dia tsikaritra fa mihena ny taham-pankafizan’ny olona azy.

Andry Rajoelina Mihena sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sy fiainam-pirenena Izay tompon’ny vola no mibaiko

18/01/2019

Maro ny lalana nodiavn’ny firenena, raha tsy hitanisa afa tsy ny nanomboka ny 2009-2010.

Fifidianana sy fiainam-pirenena Izay tompon’ny vola no mibaiko

Hamaky ny tohiny...

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR

17/01/2019

Mafana ny adivarotra sy ny don-tandroka eny amin’ny Antenimieram-pirenena amin’ny fanendrena praiminisitra. Mbola i Ntsay Christian ve sa i Fienena Richard ?

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR

Hamaky ny tohiny...

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »

17/01/2019

Mbola maro ny asa miandry ny komitin’ny fampihavanana Malagasy ao anatin’ny 4 taona, hoy ny filoha lefitry ny CFM, Gerard Ramamimampionona.

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »

Hamaky ny tohiny...

Politika, toekarena, sosialy Mikorontana izao tontolo izao

17/01/2019

Notsipahan’ny parlemanta ilay fifanarahana momba ny fisintahan’i Grande Bretagne amin’ny vondrona eoropeanina.

Politika, toekarena, sosialy Mikorontana izao tontolo izao

Hamaky ny tohiny...


Politique

Ravalomanana sy Rajoelina Hangotraka ny fihodinana faharoa

29/11/2018

Araka ny efa nanampoizana azy, mizotra mankany amin’ny fihodinana faharoa ny fifidianana filoha, araka ny voka-pifidianana ofisialy navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC omaly.

 

Tsy nisy kandida nahafeno ny fepetra voalazan’ny andininy faha-47 andalana faha-3 amin’ny Lalàmpanorenana, izay milaza fa voafidy ho filohan’ny Repoblika avy hatrany izay mahazo ny antsasamanilan’ny vato manan-kery amin’ny fihodinana voalohany. Nazava ny voka-pifidianana ofisialy omaly fa hiatrika ny fihodinana faharoa ny kandida laharana faha-13 Andry Rajoelina sy ny kandida laharana faha-25 Marc Ravalomanana. Miisa 5 367 550 tamin’ny mpifidy voasoratra anarana 9 949 083 no tonga nandatsa-bato, izay nanome taham-pandraisana anjara 53,95%. Nahatratra 386 946 ny vato maty ary  4 980 604 kosa ny vato manan-kery. Nahazo vato 1 954 023 manome salan’isa 39,23% i Andry Rajoelina, ary 1 760 837 manome 35,35% kosa i Marc Ravalomanana. Tsy nifanalavitra tamin’ny valiny vonjimaika navoakan’ny CENI ny 17 novambra lasa teo izay 39,19% sy 35,29% io. Hangotraka ny fihodinana faharoa ary hotsarain’ny vahoaka eo ny nanongana sy naongana tamin’ny 2009 hoe: iza no nanasoa ary iza no namotika firenena? Azo ambara ho mandiso ny fanasoketana ny CENI sy ny rindram-baiko na “logiciel” nampiasainy io. Nambaran’ny kandida Andry Rajoelina mantsy fa “truqué” iny. Raha hiverenana ny teniny, nambarany fa fitarihany no ekeny fa tsy amin’io isam-bato io. Iny anefa ny vokatra nivoaka tamin’ny alalan’ny fampiasana rindram-baiko hafa mihitsy. Nisy ireo fitoriana samihafa izay nisy ny azo noraisina saingy nambara fa tsy nitombina, ary tao no tsy azo noraisina mihitsy, ka tsy nanova firy ny voka-pifidianana. Nanamarina, namerina nanisa ary nampanan-kery indray ireo biletà voalaza amin’ny tsy rariny fa fotsy sy tsy manan-kery taminà biraom-pifidianana miisa 133 tamina toerana maro ny HCC, ka izany fanitsiana izany dia nampanan-kery vato miisa 4379. Azo raisina nefa tsy mitombina ny fitoriana nataon’ny kandida Hery Rajaonarimampianina mitaky ny hanafoanana tanteraka ny voka-pifidianana. Tsy azo noraisina kosa ny fitorian’ny Vondron’ny kandida, izay nirona tany amin’ny fanafoanana tanteraka ny voka-pifidianana ihany koa. Raha raisina tsirairay ireo tsy fetezan-javatra voalaza sy hita ireo, heloka azo enjehina eo anatrehan’ny lalàna izy ireny. Tsy fetezan-javatra mitsitokatokana izy ireny fa tsy mahasahana ny firenena manontolo na dia tsy azo hodian-tsy hita aza ny vokany araka ny lalàna eo amin’ny fari-pifidianana nisehoany ka raha akambana na amin’ny habetsahany na amin’ny endrika isehoany, dia tsy antony hahafoana ny raharaham-pifidianana amin’ny ankapobeny, hoy ny ampahany tamin’ny fanambaran’ny HCC. Mifantoka any amin’ny fihodinana faharoa izany ny sain’ny rehetra.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana