Dans la mme rubrique

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy

18/01/2019

Hotontosaina anio eny amin’ny Lapam-panjakana eny Iavoloha ny fifamindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha nambaran’ny HCC fa lany hitantana ny firenena ao anatin’ny 5 taona dia i Andry Rajoelina.

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy

Hamaky ny tohiny...

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”

18/01/2019

Tanterahana anio ny famindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha sy ny filoha vaovao ary rahampitso faha 19 janoary no hatao eny Mahamasina no fotoana hanatanterahan’ny filoham-pirenena vaovao ny fianianany.

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Mihena sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy

18/01/2019

Tsy vita akory ny fianianana sy fandraisan’Atoa Andry Nirina Rajoelina ny toerana maha filoham-pirenena voafidim-bahoaka araka ny voalazan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, dia tsikaritra fa mihena ny taham-pankafizan’ny olona azy.

Andry Rajoelina Mihena sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sy fiainam-pirenena Izay tompon’ny vola no mibaiko

18/01/2019

Maro ny lalana nodiavn’ny firenena, raha tsy hitanisa afa tsy ny nanomboka ny 2009-2010.

Fifidianana sy fiainam-pirenena Izay tompon’ny vola no mibaiko

Hamaky ny tohiny...

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR

17/01/2019

Mafana ny adivarotra sy ny don-tandroka eny amin’ny Antenimieram-pirenena amin’ny fanendrena praiminisitra. Mbola i Ntsay Christian ve sa i Fienena Richard ?

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR

Hamaky ny tohiny...

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »

17/01/2019

Mbola maro ny asa miandry ny komitin’ny fampihavanana Malagasy ao anatin’ny 4 taona, hoy ny filoha lefitry ny CFM, Gerard Ramamimampionona.

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »

Hamaky ny tohiny...

Politika, toekarena, sosialy Mikorontana izao tontolo izao

17/01/2019

Notsipahan’ny parlemanta ilay fifanarahana momba ny fisintahan’i Grande Bretagne amin’ny vondrona eoropeanina.

Politika, toekarena, sosialy Mikorontana izao tontolo izao

Hamaky ny tohiny...


Politique

Dr Jules Andriamaholison “Manatsara paikady ny K25”

29/11/2018

Naneho ny heviny momba ny toe-draharaham-pirenena ny mpandinika politika Dr Jules Andriamaholison, mpikambana ao anatin’ny K25.

  Mazava ireny vokatra nomen’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana omaly ireny. Ny fifidianana fihodinana voalohany no vita fa ho avy ny faharoa. Izahay na iray segaondra aza dia tsy nieritreritra voka-pifidianana hitsimbadika hoe hisy kandida hampandresena fihodinana voalohany, ary manonofy ny olona nilaza izany, hoy izy, ary iny niaraha-nahita omaly iny tokoa. Fahatsapan’i Marc Ravalomanana fa nisy ny ezaka saingy mbola tokony hampiana no nahatongavan’ny K25. Betsaka ny olona te hanohana kanefa tsy te hiditra na any amin’ny TIM na any amin’ny KMMR, ka izay no nahatonga ny kandida Marc Ravalomanana nanokatra kokoa izany. Mamondrona na ny TIM na ny KMMR na ny CSDE (komity manohana ny fampandrosoana sy ny fahamarinana), eny ny olon-drehetra io K25 io. Ny tanjona dia ny fandresena, ka tsy misy ny fanilikilihana ary ireny efa niaraha-naheno ireny ny fanambaran’ny kandida Marc Ravalomanana fa misokatra amin’ny rehetra. Hararaotina ny fahasahiranana sy ny fahantran’ny Malagasy, ary any ambanivohitra aza dia raviravezana vola. Tsy isika ihany no nahita an’io, fa nisy hatramin’ny tatitry ny avy any ivelany, saingy ny kandida Marc Ravalomanana tsy mba tao anatin’izany, hoy izy. Vonona ny K25, ary efa midina ifotony manapariaka izany. Misy tsikaritra ihany ary azo lazaina ho ambony be ny resaka fiandanian’ny fahefam-panjakana. Mandeha ny fampihorohoroana raha vao manonona fotsiny mikasika ny kandida Marc Ravalomanana, re ny fampiasana ny fananam-panjakana,… ka tokony hosorohana amin’ny fihodinana faharoa, hoy ny Dr Jules Andriamaholison. Nisy ny lesoka tamin’ny fihodinana voalohany fa hareninay avokoa izany, hoy hatrany izy.

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana