Dans la mme rubrique

Fitsarana ireo dosie mafana ao amin’ny PAC Ho hentitra ny fanaraha-maso sy ny fitandroana ny filaminana

23/08/2019

Maro ireo dosie mafampana hotsaraina eo anivon’ny PAC na “Pôle Anti-Corruption” tsy ho ela.

Fitsarana ireo dosie mafana ao amin’ny PAC Ho hentitra ny fanaraha-maso sy ny fitandroana ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Fambolena “Algue” ataon’ny Sinoa Mampihena ny vokatra amin’ny jono any Vohemar

23/08/2019

Ny minisitry ny jono teo aloha Augustin Andriamananoro no nanao sonia ny fahazoan-dalàna manao fikarohana sy andrana fambolena Algue rouge ho an’ireo sinoa tany Vohemar.

Fambolena “Algue” ataon’ny Sinoa Mampihena ny vokatra amin’ny jono any Vohemar

Hamaky ny tohiny...

Fampidirana vokatra avy any ivelany Maro ny fepetra raisina hiarovana ny orinasa Malagasy

22/08/2019

Nitondra fampahafantarana mahakasika ireo fandraisana fepetra fiarovana mahakasika ny vokatra Malagasy amin’ireo fifanakalozana ara-barotra ny rafitra mpanao fanadihadiana momba ny lalàn’ny fifaninanana ara-barotra (ANMCC) omaly tetsy amin’ny foibeny Antanimena.

Fampidirana vokatra avy any ivelany Maro ny fepetra raisina hiarovana ny orinasa Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana holovain-jafy Lalana iray hahatrarana ny tanjona ny antenimieram-pirenena

21/08/2019

Tonga niarahaba tamin’ny fomba ofisialy an’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine tamin’ny nahavoafidy azy tamin’ny fifidianana tamin’izany ny solotena maharitry ny Firenena Mikambana eto Madagasikara Ramatoa Violet Kakyomya.

Fampandrosoana holovain-jafy Lalana iray hahatrarana ny tanjona ny antenimieram-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana raharaham-panjakana Mila fanaraha-maso goavana

21/08/2019

Hiditra amin`ny fandaniana ny tetibolam-panjakana lasitra ho an`ny taona 2020. Mijanona ho 2020 ny PMO saingy mifanaraka amin`izay ve ny tetibolam-panjakana ?

Fitantanana raharaham-panjakana Mila fanaraha-maso goavana

Hamaky ny tohiny...

Politika ankapoben`ny fanjakana Tokony hampafantarina amin`ny vahoaka eny ifotony

19/08/2019

Araka ny andininy faha-99 amin`ny lalàmpanorenana dia iray volana farafahatarany aorian`ny fanendrena ny praiminisitra dia tsy maintsy mitondra ny “Programme de mise en oeuvre” (PMO) eo anivon`ny politika ankapoben`ny fanjakana (PGE)

Politika ankapoben`ny fanjakana Tokony hampafantarina amin`ny vahoaka eny ifotony

Hamaky ny tohiny...

Sehatra fambolena Tsy manana fitaovam-pamokarana ny tantsaha

12/08/2019

Miantoka ny fahombiazan’ny 75% ny voka-pambolena ny fampiasana ny fitaovam-pamokarana manara-penitra.

Sehatra fambolena Tsy manana fitaovam-pamokarana ny tantsaha

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Minisitry ny vola sy ny tetibola “Tia tena loatra ireo depiote”

28/11/2018

Fitiavan-tena be no nanjaka teny Tsimbazaza ary tsy navela naneho hevitra sy niteny aho, hoy ny fanambaran’ny minisitry ny vola sy tetibola Vonintsalama Sehenosoa Andriambololona.

 

 

  Tonga dia nolaniana tamin’ny tsangan-tanan’izy ireo ny volavolan’ny tetibolam-panjakana na dia nangataka fanazavana sy nampahafantatra ny zava-misy marina aza ny minisitra ka hita ho niova tanteraka ny tetibolam-panjakana. Raha momba ny Komity eto an-toerana ho an’ny fampandrosoana (CLD) izay napetraka ho 250 tapitrisa Ariary ho an’ny distrika iray manana depiote dia nampiakarin’ireto farany ho 400 tapitrisa Ariary isaky ny depiote izany. Miisa 156 anefa ny isan’izy ireo ary raha atao ny kajy dia mitentina hatrany amin’ny 62 400 000 000 Ariary ny fandaniana. Raha momba ny tetibola fampandehanan-draharahan’ny Antenimieram-pirenena indray dia nampitomboina 11 miliara Ariary ka dia lasa 70 miliara Ariary mihoatra be ny tamin’ny herintaona. Izany hoe betsaka lavitra noho ny vola atontona amin’ny fambolena sy ny fahasalamana indray aza ny tetibolan’ny Antenimieram-pirenena amin’ny taona 2019. Ahazoana mameno an’io fanovana io dia nilaza ireto depiote fa tokony hotapahana hatrany amin’ny 50 miliara Ariary ny fanampiana ny JIRAMA. Nanambara anefa ny minisitra fa tena mbola ilaina ny fanampiana ny JIRAMA satria mbola mivarotra fatiantoka hatrany ny JIRAMA hatreto ka ahiana hatrany, araka izany, ny mbola mety ho fisondrotana aterak’ity fanapahan-kevitra miharo fitiavan-tenan’ny depiote ity. Ankoatra izay dia mangataka ireo depiote ny hanapahana ihany koa ny vola laniana amin’ny fitsaboana ataon’ny mpiasan’ny minisiteran’ny vola sy tetibola ankoatra ireo hafa izay notakiana hotapahina ihany koa. Lany taorian’ny fanitsiana izany ny volavolan’ny tetibolam-panjakana ary saika ny fitiavan-tenan’ireo depiote hatrany no mibahan-toerana, hoy ny minisitra.

 

 

 

Tsirinasolo

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana