Dans la mme rubrique

Vinan-dRajoelina Ireo manan-katao no tena hahazo tombony ?

16/01/2019

Ny hamisavisana ny ratsy hiavian’ny soa, hoy ny fomba fiteny, ka enga tokoa anie tsy ho arakaraka ny ahiahin’ny olona ny hafitsoky ny fitondrana Rajoelina. Maro ireo velirano nambara fa hotanterahina, ary tsy misy ratsy ireny.

Vinan-dRajoelina Ireo manan-katao no tena hahazo tombony ?

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana asam-panjakana Ho sarotsarotra ny fitsinjarana ny teti-bola iasana

16/01/2019

Hiisa 22 ireo minisitra handrafitra ny governemanta hotarihin`ny praiminisitra vaovao ho avy eo fa tsy ho 30 mahery. Tombanana fa mety ho fitsitsiana izao, araka ny nambaran`ny filoham-pirenena vaovao nandritra ny fampielezan-keviny.

Fitantanana asam-panjakana Ho sarotsarotra ny fitsinjarana ny teti-bola iasana

Hamaky ny tohiny...

Hary Razafindrazaka « Enga anie ka hahay hamondrona ny Malagasy ny Filoha vaovao »

16/01/2019

Ny atao hoe tsy azo hivalozana dia midika hoe tsy maintsy eken’ny rehetra, hoy ny mpanao politika, Hary Razafindrazaka.

Hary Razafindrazaka « Enga anie ka hahay hamondrona ny Malagasy ny Filoha vaovao »

Hamaky ny tohiny...

Mety ho fidiran’ny TIM anaty governemanta Adihevitra tsy hifankahitana

16/01/2019

Ny sabotsy 19 janoary aorian’ny fianianan’ny filoha nambaran’ny HCC fa voafidy dia hisy ny filankevitry ny minisitra hotarihiny, ary hametra-pialana ny governemanta Ntsay Christian aorian’izay, raha ny vaovao mivoaka.

Mety ho fidiran’ny TIM anaty governemanta Adihevitra tsy hifankahitana

Hamaky ny tohiny...

Revolisionina namotika taty Afrika Manomboka tonga saina ireo firenena sasany

16/01/2019

Nifanesy ireo karazana Revolisionina taty Afrika tany amin’ny 10 taona lasa na latsaka kely tany ho any.

Revolisionina namotika taty Afrika Manomboka tonga saina ireo firenena sasany

Hamaky ny tohiny...

Emmanuel Macron Hihaona amin-dRajoelina any Paris

16/01/2019

Herinandro taty aorian’ny fanambaran’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) fa voafidy ho filoham-pirenena Malagasy i Andry Rajoelina dia nandefa taratasy fiarahabana azy ny filoha Frantsay Emmanuel Macron.

Emmanuel Macron Hihaona amin-dRajoelina any Paris

Hamaky ny tohiny...

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

15/01/2019

Ny sabotsy takariva dia nihaona manokana i Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, saingy tsy nisy nipika ny resaka. Mandeha ny fanangonan-tsonia amin’izao eny amin’ny antenimieram-pirenena amin’ny mbola hamerenana an’Atoa Ntsay Christian ho praiminisitra.

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fitondrana malagasy misambadidaka ankehitriny Hanahirana izay filoham-pirenena vaovao eo

26/11/2018

Firenena tan-dalàna sy fitondrana tsara tantana raha fehezina no tena tanjona napetrak’ireo mpitondra fanjakana rehetra teto Madagasikara sady fototr’ireo vina ankapoben’ireo kandida ho filoham-pirenena rehetra teo ihany koa.

 

 Natao hankato lalàmpanorenana avoakan’ny HCC. Eto Madagasikara, ny filoham-pirenena no mitarika, ny antenimieram-pirenena avy eo, ny antenimierandoholona ary izay vao ny governemanta sy ny rafitra hafa rehetra. Nisambadidaka ambony ambany ny andraikitr’ireo rafitra ireo raha ny zava-nisy tato ho ato no dinihina. Lasa nipetraka amina toerana avo dia avo ny HCC, hany ka voadingany ny andraikitry ny filoham-pirenena sy ny antenimieram-pirenena. Ny HCC, ohatra, no namoaka ny lalàm-pifidianana, nefa tokony ho ny antenimieram-pirenena. Izy koa no nandrava ny governemanta kanefa tokony ho andraikitry ny filoham-pirenena sy ny antenimieram-pirenena, raha ny fanazavan’ireo mpahay lalàna tamin’ireny fotoana ireny no jerena. Mbola ao anatin’ny vanim-potoam-pifidianana hatrany isika ankehitriny ary nametraka olana maro ny dingana rehetra nolalovana tao. Raha hanatontosa ny fianianany sy hanao ny fampanantenany izay filoha hitondra vaovao eo dia ahoana no fomba ahazoana antoka fa afaka hanatontosa ny vinany an-kalalahana izy ? Araka ny andininy faha-54 ao anatin’ny lalàmpanorenana dia izay manana parlemantera be indrindra no tokony hanendry ny praiminisitra. Amin’ny fomba ahoana no hahafahan’izay praiminisitra Mapar hanatontosa ny vinan’ny filoham-pirenena lany tamin’ny anaran’ny antoko TIM na ny mifanohitra amin’izay ? Sa ve hamoaka didy hitsivolana na « ordonnance » hanafoanana ny antenimieram-pirenena izay filoha ho lany eo ? Mbola ho sarotra ny raharaha.

J. Mirija

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana