Dans la mme rubrique

FITSARAM-BAHOAKA

15/01/2019

Raha tsy tonga haingana ny polisy dia efa matin’ny fitsaram-bahoaka ny rangahy iray izay tompon’antoka tamin’ny heloka bevava.

FITSARAM-BAHOAKA

Hamaky ny tohiny...

Mampitaraina sahady

15/01/2019

Mampitaraina sahady ireo mpiara-miasa aminy ny minisitry ny mponina satria dia mbola andrasana hatramin’izao ny valin’ny

Mampitaraina sahady

Hamaky ny tohiny...

NOVONOINA AVY EO NALEVINA

14/01/2019

Novonoina ny tompon’ny fiara dia nalevina tao anaty ala. Izany no nitranga tany amin’ny tanàna kely iray manodidina an’Andranovelona.

NOVONOINA AVY EO NALEVINA

Hamaky ny tohiny...

Miandry fifidianana

12/01/2019

Miandry ny fahavitan’ny fifidianana solombavambahoaka sy ben’ny tanàna izany vao mety hahazo praiminisitra vaovao isika,

Miandry fifidianana

Hamaky ny tohiny...

FAKANA AN-KERINY

11/01/2019

Mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny rano sy ala no nisy naka an-keriny tany Isoanala, distrika Betroka. Vola mitentina 12 tapitrisa ariary no notakian’ireo olon-dratsy mba ho solon’ny ainy.

FAKANA AN-KERINY

Hamaky ny tohiny...

Nisoroka ady

11/01/2019

Mitohivakana ny fiarahabana ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, izay milaza ny fahendrena nasehony nanomboka ny 8 janoary teo ka hatramin’izao.

Nisoroka ady

Hamaky ny tohiny...

POLISY MENDRIKA

10/01/2019

Sambany mba nanao fihetsika mendri-piderana ireo polisy. Nahavariana ireo mponina teo Anosy ny nahita polisy efatra mirahalahy nanamboatra ny lalana goaka manoloana ny boriborintany. Asa raha baiko na fandavantena fa izy ireo mihitsy no nandray borety sy nanampina ny lavaka

POLISY MENDRIKA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

TRAFIKANA RONGONY

24/11/2018

Teratany Venezoelianina ilay vehivavy izay nosamborina tetsy Ivato rehefa nitondra « drogue » tao anaty entany.

 

 

 

Nafeniny tao anatin’ny valizy izany no saron’ny ladoany. Milanja 1250 girama izany raha araka ny fanampim-baovao azo. Saika handeha tamin’ny zotra Ethiopian Airlines ity vahiny ary any Brésil ny anton-diany rehefa avy mandalo ny seranam-piaramanidin’i Addis Abbeba. Vita omaly ny fitsirihina ireo zava-mahadomelina ary voamarina fa « cocaine » ilay karazana. Mitombina tanteraka ny tombana hatramin’izay fa toerana fandalovan’ny zava-mahadomelina i Madagasikara noho ny maha-makarakara ny seranana ao aminy. 

ASAN-JILOLAHY ANY SAVA

Mirongatra ny asan-jiolahy mitam-basy any Sava noho ny fikaran’ny lavanila. Nisy olona izay nitazona io « volamena maintso » io tao an-tranony no norobain’ny jiolahy ary naratra mafy vokatry ny daroka nanjo azy. Lasa ny lavanila sy ny entana maro izay tao an-trano ary lasan’ny jiolahy hatramin’ny moto aza.

MPANDRAHARAHA MALAGASY

Olana amin’ny mpandraharaha malagasy, raha ny fanazavana voaray nandritry ny hetsikaz Carrefour de l’entrepreunariat tetsy amin’ny Pavé Antaninarenina, ny tsy fahampian’ny fivelaran’ny tsena. Antony, hoy ny voalaza, nanaovana ny fampiratiana hatramin’ity anio ity izany.

TAMBAZOTRAN-TSERASERA

Efa tena tsy voafehy intsony ankehitriny ny tambazotran-tserasera eto amintsika. Misy sahisahy ratsy mihitsy ireo mpikirakira azy ireny satria dia raim-pianakaviana iray omaly izao no mampiseho ny sariny misery manindrona antsy zaza iray.

FITATERANA

Manoloana ny hafitsok’ireo mpitatitra eny amin’iny kaominin’Ivato iny izay mikasa hampiakatra ny sara-pitateran’izy ireo ho  800 ariary dia hisy ny hetsika goavana ataon’ireo mponina anio. Ny kalitao, hoy izy ireo, 0,01% koa hampiakatra aho hampiakatra.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana