Dans la mme rubrique

Air Madagascar Izay vao tena ho faty

02/05/2016

Nampihetsi-po ireo tonga nanamarika ny fankalazana ny fetinny mpiasa teny Alarobia omaly ny fanazavana nentin-dRabarilala Rado sy ireo namany ny aminny fanaovana zinona ny zonizy ireo sy ny fiheveranny mpitantana ny Air Madagascar ny tenany ho amboninny lalna. Niady ny aminny tsy hanaovana tantely afa-drakotra ny toeram-piasany sy ho fiarovana ity harem-pirenena ity no nahatonga an-dry Rabarilala Rado nitarika fitokonana tao aminny Air Madagascar. Voaporofo ankehitriny ny finiavana te hamotika ity orinasa ity mba ahafahana mivarotra azy aminny vidiny mora fa izay fisintahanny fanjakana aminny fitantanana izay rahateo no tanjona ka eo am-panaovana ny sonianny fifampivarotana vao tena hiseho ireo mpaka tombontsoa na ny ao anaty fitondrana na ny ivelany. Alohanny hamarotanizy ireo ny Air Madagascar anefa, izay tetika efa natsidiky ny minisitry ny Fizahantany Ratsiraka Roland ny faranny herinandro teo, dia fantatra ankehitriny fa efa lasanolon-tsotra ny orinasa iray izay nitambatra taminny Air Madagascar izay nikarakara ny Handling eny Ivato. Fantatrireo mpitantana tao aminny Air Mad teo aloha mantsy fa io sampanasa io dia mampiditra vola foana na dia tsy misy tombony intsony aza ny asa fitaterana ataonny Air Mad, ka dia any indray izy ireo no nifandrombaka. Tsy re be tsy re kely ny momba ny nisintahanny fanjakana taminity fitantanana ny Handling ity fa izy efa eny an-tananolona vao tena fantatra. Ny mpiasa tao aminny Air Mad fahiny ihany anefa no nosintoninny mpitanana vaovao ho ao aminy indray. Mahatsikaiky ny zava-miseho fa lazaina fa maty antoka ny Air Mad noho ny fahasarotanny fifaninanana saingy ny orinasam-pitaterana ana habakabaka hafa na eto Madagasikara na ny atsy Maorisy sy La Runion anefa miroborobo. Atsy aminny nosy Kaomoro aza ankehitriny efa ahitana kompania tsy miankina roa dia ny AB Aviations sy ny Inter- les. Izany ve no fomba firoboroboanny asa fitaterana ana habakabaka aty aminny faritry ny ranomasimbe Indiana dia mahasahy milaza ny mpitantana ny Air Mad fa tsy mandeha ny tsena. Sao dia diso taranja ?

Air Madagascar Izay vao tena ho faty

Hamaky ny tohiny...

Tsy hiverin-dalana

16/04/2015

Na inon-kidona na ho inon-kihatra dia tsy hiverin-dalana aminny izay heveriny ho fampihavanam-pirenena ireo filoham-piangonana mivondrona ao aminny Fiombonanny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara.

Tsy hiverin-dalana

Hamaky ny tohiny...

Mampiesona

15/04/2015

Tsy mitsahatra ny mamingana sy manaratsy ani Dada na ny fitondrana na ireo tetezamitatra mpankahala.

Mampiesona

Hamaky ny tohiny...

Mampiesona

14/04/2015

Tsy nisy nanome baiko aminny fanakanana ani Marc Ravalomanana hiseho vahoaka na hikabary, hono.

Mampiesona

Hamaky ny tohiny...

Mampiesona

13/04/2015

Miverina indray ny fampiasana ny herim-pamoretana, hifehezana ny tsy mitovy hevitra aminny tena

Mampiesona

Hamaky ny tohiny...

Mampiesona

10/04/2015

Hovana indray, hono, ny endriky ny vola 10.000 Ar izay nanomboka taminny 2003.

Mampiesona

Hamaky ny tohiny...

Mampiesona

09/04/2015

Horaisinny mpandraharaha vahiny mandritra ny 10 taona ny toby anankiroa fanodinana jiro fanananny Jirama.

Mampiesona

Hamaky ny tohiny...


Humour

Profesora Solonjatovo Rakotonirina « Tsy ampy fisokafana ny tanora malagasy »

24/11/2018

Nankalaza ny faha-21 taona nisiany omaly tetsy amin’ny P.K 0 Soarano ny oniversite Kristianina HECCMA, tarihin’ny filohany ny Profesora Solonjatovo Rakotonirina.

 

 

 

 Ny tiana ampitaina, hoy izy dia 60 taona izao isika no niaina tanaty repoblika. Ahoana ny fivoaran’ny fampandrosoana sy ny fampianarana ? Mitombo ny be diplaoma fa mihena ny kalitaom-panabeazana. Midika izany, hoy ity profesora ity, fa mila fanorenana koa io sehatra io. Tokony homena vahana ny votoatin-javatra. Avahana tsara fa ny diplaoma Doctorat dia natao ho an’ireo mpampianatra mpikaroka fa ny hatreo amin’ny Bacc +5 kosa dia natao ho an’ireo tokony hisokatra amina sehatra maro. Io lafiny fisokafana io, hoy ity tomponandraikitra ity no tsy ampy amin’ny tanora eto ary izay no himasoanay sy soso-kevitra nomanay ny fanjakana hatramin’izay. Ny filoham-pirenena amerikanina, Barack Obama, hoy izy, dia tsy manana Doctorat. Soso-kevitray amin’ny mpitondra fanjakana, hoy izy, dia mba aoka ireo avara-pianarana manana hatreo amin’ny bacc+5  no tena ezahana izay hivelarany sy hisokafany amina zavatra hafa ankoatry ny fahaizany manokana na “spécialité”. Miisa 99 mianadahy moa ireo mpianatra navoakan’ity oniversite ity omaly ary isan’ny mari-pahaizana manokan’izy ireo ny resaka fanajariana ny tany sy ny haitarika. Isan’ny reharehan’ny ity oniversite ity kosa ny filoha mpanorina ny vondron’orinasa Mada Jeune, Lahatra Andriamahatsangy.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana