Dans la męme rubrique

Lalao Ravalomanana “Ao anatin’ny 100 andro misy asa goavana vita”

15/01/2019

Tonga niarahaba ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Lalao Ravalomanana omaly ireo mpiara-miasa akaiky aminy noho ny fahatongavan’ny taona vaovao 2019.

Lalao Ravalomanana “Ao anatin’ny 100 andro misy asa goavana vita”

Hamaky ny tohiny...

Ampijalian’ny delestazy i Toamasina Tsy ampy solika ny Jirama

14/01/2019

Hopitaly kely – Gare routière – Tanambao V – Ankirihiry avaratra sy atsimo – Andranomadio – Cité Valpinson – Cité Haras – Ambohijafy – Asecna – Antseranampasika – Tahity Kely – Rasseta – Ampilaolava – Analamalotra – Ivoloina – Ctht – Lycée Agricole –

Ampijalian’ny delestazy i Toamasina Tsy ampy solika ny Jirama

Hamaky ny tohiny...

Halatra jiro eny amin’ny digin’i Fenoarivo 9 lahy migadra eny Tsiafahy

14/01/2019

Miisa 15 hatreto ny isan’ireo olona efa tratra nangalatra ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro eny an-dalambe eny amin’iny digy mihazo an’i Fenoarivo Atsimondrano iny.

Halatra jiro eny amin’ny digin’i Fenoarivo 9 lahy migadra eny Tsiafahy

Hamaky ny tohiny...

Mpitsara manilika andraikitra amin’ny vahoaka Mahatonga fitsaram-bahoaka, hoy i Olala

12/01/2019

Araka ny didy navoakan’ny HCC sy ny CENI dia nahazo filoham-pirenena vaovao isika, hoy ny mpahay lalàna Willy Razafinjatovo na Olala. Hita ho nisy fahamehana teo amin’ny CENI.

Mpitsara manilika andraikitra amin’ny vahoaka Mahatonga fitsaram-bahoaka, hoy i Olala

Hamaky ny tohiny...

Fitsarana an-tampony Ho afa-bela ve i Andry Rajoelina ?

12/01/2019

Betsaka ny fanontaniana mipetraka eo anivon’ny fiarahamonina mahakasika ny filoham-pirenena vaovao Andry Rajoelina, indrindra mahakasika ireo raharaha nahavoarohirohy azy izay mipetraka eo anivon’ny Fitsarana an-tampony (HCJ).

Fitsarana an-tampony Ho afa-bela ve i Andry Rajoelina ?

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Antananarivo Renivohitra 49 miliara ariary ny tetibola 2019

12/01/2019

Lany teo anivon’ny filankevitry ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), ny tetibola hampiasain’ny kaominina amin’ity taona 2019 ity.

Kaominina Antananarivo Renivohitra 49 miliara ariary ny tetibola 2019

Hamaky ny tohiny...

Delegasion’ny CNaPS sy ny Faritra Betsiboka Niarahaba manokana an’i Rivo Rakotovao

12/01/2019

Nifanesy noraisin’ny Filoham-panjakana mpisolo toerana Rivo Rakotovao teny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra ny Delegasionina mafonja avy amin’ny Faritra Betsiboka sy ny avy amin’ny orinasam-panjakana CNaPS omaly zoma 11 janoary maraina.

Delegasion’ny CNaPS sy ny Faritra Betsiboka Niarahaba manokana an’i Rivo Rakotovao

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Fiarovana sisin-dranomasina Nampitomboina ny traikefan’ ireo Mpamonjy voina

24/11/2018

Mpamonjy voina ao amin`ny SAR (Search and Rescue) 27 avy amin`ny firenena dimy toa an`i Madagasikara, Afrika Atsimo, Mozambika,

 Kaomoro ary Namibia no nahazo fiofanana avy tamin` ny solontenan`ny IMRF (International Maritime Rescue Federation) sy OMI (Organisation Maritime). Fampiofanana naharitra telo andro izay nifarana omaly zoma 23 novambra 2018 izay nentina hanatsarana ny fikambanan`ny mpamonjy voina an-dranomasina Malagasy sy ireo mpisahana ny asa famonjena voina rehetra ary koa mba hahatonga azy ireo hahafehy ny asany. Mitana andraikitra lehibe eo amin`ny fiarovana ny mpiatsambo ireo mpamonjy voina ao amin`ny SAR.  Na dia manana fitaovana arifomba aza ny firenena ankehitriny dia ilaina koa ny manana mpiasa voaofana sy manana traikefa amin`ny fampiasana ireny fitaovana ireny. Araka izany, nahazo fahalalana ilaina rehetra ny mpamonjy voina an-dranomasina malagasy ao amin`ny SAR amin`ny fanatanterahana ny asany. Ny ministeran`ny Fitanterana sy ny Famatarana ny toetr`andro, ny sampandraharaham-panjakana misahana ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy (APMF) no nikarakara nny fampiofanana ireo mpamonjy voina SAR, izay nataon`ny IRMF ary notohan`ny OMI izay natao tetsy Antaninarenina. Tsara ny manamarika fa ny APMF no misahana ny fitantanana sy fanaraha-maso seranan-tsambo maro eto Madagasikara ary ao anatin`izany ny fandrindrana ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy sy ny fisorohana ny loza. Ilaina mihitsy ny fanaraha-maso ny sisin-dranomasina ho fiarovana ny harena mba ho fitrandrahana ara-dalàna sy ara-drariny ary mitsinjo ny taranaka ho avy.

 

Tsirinasolo sy Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana