Dans la mme rubrique

TIA VONINAHITRA

18/01/2019

Tia voninahitra loatra ny filoha mpisolo toerana Rivo Rakotovao. Na efa anio aza ny famindram-pahefana eo aminy sy ny filoha vaovao no hatao,

TIA VONINAHITRA

Hamaky ny tohiny...

BOLOKIM-BAZAHA

17/01/2019

Efa hita tokoa fa bolokim-bazaha ny filoha vaovao Andry Rajoelina na dia niezaka ny nanafina izany aza tamin'ny filazana fa tsy hiankina ara-bola amin'ny

BOLOKIM-BAZAHA

Hamaky ny tohiny...

Mpianatra malagasy

17/01/2019

Mpianatra Malagasy monina any frantsa antsoina hoe Andotiana Randriamampianina, 23 taona, mirefy 1m58 no tsy hita popoka nanomboka ny 9 janoary teo. Mitaintaina fatratra mikasika ny momba azy ankehitriny ny raiamandreniny sy ny fianakaviany ary manao antsoavo amin’izay mahafantatra azy rehetra manerana izao tontolo izao mba hampandre rehefa misy vaovao.

Mpianatra malagasy

Hamaky ny tohiny...

KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA

16/01/2019

Hanao izay ho afany ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny famahana ny fitohanan’ny fifamoivoizana izay nampitaraina ny maro.

KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA

Hamaky ny tohiny...

Resaka fanonganam-panjakana

16/01/2019

Miezaka mivoy indray ankehitriny ireo haino aman-jery frantsay fa fanonganam-panjakana no nitranga teto Madagasikara ny taona 2009. Tafakatra eo amin’ny fitondrana indray, hoy ny gazety Le Monde, ny mpanongam-panjakana mpanefoefo.

Resaka fanonganam-panjakana

Hamaky ny tohiny...

FITSARAM-BAHOAKA

15/01/2019

Raha tsy tonga haingana ny polisy dia efa matin’ny fitsaram-bahoaka ny rangahy iray izay tompon’antoka tamin’ny heloka bevava.

FITSARAM-BAHOAKA

Hamaky ny tohiny...

Mampitaraina sahady

15/01/2019

Mampitaraina sahady ireo mpiara-miasa aminy ny minisitry ny mponina satria dia mbola andrasana hatramin’izao ny valin’ny

Mampitaraina sahady

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

FITOHANAN’NY FIARA

22/11/2018

Feno fitohanana eraky ny tanàn’Antananarivo omaly. Ny fihetsihetsehana teo Ambohidahy teo amin’ny arabe mankany amin’ny HCC ary koa ny fetin’ny ankizy teo Mahamasina no isan’ny tena niteraka izany,

 

 

 

 

 ankoatry ny fiakaran’ny fiara marobe avy amin’ny faritra mba hitatitra entana novidiana eto Tanà ka hamidy amin’ny krismasy. Sempotra tanteraka Antananarivo vokatr’izany rehetra izany ary mila adim-pamataran’andro maromaro vao mampiasa fiara ankehitriny.  

SERANAM-PIARAMANIDINA ANTALAHA

 

Mitaraina ankehitriny ny mpiasan’ny seranam-piaramanidina ao Antalaha noho ny tsy fahazoan’izy ireo ny karamany izay efa fito volana ankehitriny. Nanao fampitandremana izy ireo fa raha tsy aloa ao anatin’ny telo andro ny karama dia hanao fitokonana faobe izy ireo. Notsipihan’ireo olona fa mifanilika ny Adema sy ny Acm amin’ity raharaha ity. Ny fiaramanidina manokana sy zotra manokana no tena betsaka amin’ity seranana ity ary angamba no isan’ny hialàn’ny fanjakana ny karaman’ny mpiasa. 

FAKANA AN-KERINY

 

Nisy naka an-keriny omaly tolakandro ny tale jeneralin’ny orinasa Transfy Toamasina, mitondra ny anarana Armane Kamis. Teo amin’ny biraony tao Ampasimazava Toamasina izy no nalain’ireo olon-dratsy izay nitondra fiara 309. Ny fiara Touareg miloko sokola izay an’ilay karàna ihany no nitondràn’izy ireo azy nitsoaka. Tokony ho tamin’ny telo ora sy fahefany teo no nitranga ilay kidnapping tao Toamasina. Tsy mbola nisy antso nifanaovan’ny fianakaviana sy ny mpaka an-keriny omaly. 

 

HALATRA MASO

 

 Nivarahontsana indray ny tanànan’i Toliara sy ny manodidina azy manoloana ny fisian’ny zazalahy kely izay notsoahina ny masony. Kilemaina izy io ary vao enin-taona monja no nisy nanao herisetra izay tsy mbola fantatra izay tena antony nanaovana an’izany. Mandeha ny feo fa halatra taova no nitranga. Misy koa anefa ny milaza fa hanaovana ody gasy izay hahafahana manao « masobe tsy mahita » no antony nangalàna ny maso. Fanindroany izay tao anatin’ny telo volana no nisian’izany. 

NISOLOKY HO TATSAMBO

 

Nosamborin’ny zandary ny telo lahy izay mpisoloky ka milaza ho mahatafiditra ho tatsambo. Vola mitentina dimy tapitrisa ariary no alain’izy ireo amin’olona ary efa marobe no voan’ity fikambanan-jiolahy mpisoloky ity. Misandoka ho mpiasan’ny APFM na ny sampam-panjakana izay manome alalana ho tatsambo ireo olon-dratsy. Nandeha ny fikarohana noho ny habetsahan’ny fitarainana izay tonga tao amin’ny zandary ary dia izao nitarika ny fisamborana azy ireo izao. 

 

 

 

 

 

FANAFIHANA ANY MAEVATANANA

Mihorohoro ny olona ao Maevatanana noho ny fisesin’ny fanafihana mitam-basy. Miisa 15 ireo vatan-dehilahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana ary toeram-pivarotana dimy no indray nanamparan’ireo ny asa ratsiny. Mitentina folo tapitrisa ariary sy entana maro no lasan’ireo olon-dratsy ary nanam-potoana izy ireo nanatontosana an’izany satria naharitra adim-pamataran’andro roa mahery izany. Nilaza mihitsy ireo olon-dratsy fa tsy azo atao na inona na inona.  


TIFITIFITRA TENY AMIN’NY RN7

 

Raikitra indray ny tifitifitra teny amin’ny lalam-pirenena fahafito. Tao anatin’ny haizina no nisy nanafika ny taksibrosy iray izay soa ihany fa nitondra zandary mpiaro ny mpandeha. Teo Ivato-Centre, Ambositra no nitranga ny fanakanan-dalana tamin’ny vato. Vao nivoaka ny mpitandro ny filaminana dia tora-bato avy hatrany no niandry azy ireo. Namaly tifitra tao anatin’ny maizina ary dia iray no maty, roa naratra tamin’ireo jiolahy mpanakan-dàlana. Tsiahivina fa vao afak’omaly koa  no nisy mpandeha taksibrosy maty voatifitry ny jiolahy mpanakan-dalana tamin’ny RN44.

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana