Dans la mme rubrique

Olan’ny fandraharahana eto Madagasikara Manampy trotraka ny ataon’ny fadin-tseranana

18/01/2019

Misedra olana goavana ny sehatra fandraharahana hoy i Randriamampionona Joseph Martin na i Dadafara amin’izao fotoana izao.

Olan’ny fandraharahana eto Madagasikara Manampy trotraka ny ataon’ny fadin-tseranana

Hamaky ny tohiny...

Fifandraisana ara-toekarena maneran-tany Tokony hahay maka tombontsoa i Madagasikara

18/01/2019

Tsy maintsy mahay mifandray amin’ireo firenena avy any ivelany i Madagasikara, indrindra ny amin’izao fotoanan’ny fanatontoloana izao.

Fifandraisana ara-toekarena maneran-tany Tokony hahay maka tombontsoa i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ampitatafika Hisy fananganana orinasa maromaro ato ho ato

18/01/2019

Nanana olana hatrany ny kaominina Ampitatafika hatramin’izay noho ny fitohanana mampalaza ity faritra ity ka tsy mahasarika ireo mpandraharaha hampiasa ny volany eny an-toerana.

Kaominina Ampitatafika Hisy fananganana orinasa maromaro ato ho ato

Hamaky ny tohiny...

Orinasa Malagasy Salone sy Somacou Nankasitraka ny fanapahan-kevitry ny ANMCC

15/01/2019

Ny vokatry ny fandalinan’ny rafitra mpanao fanadihadiana amin’ny lalàna momban’ny fifaninanana (ANMCC) dia namoaka ny taha fanatataovana haban-tseranana ho an’ny fanafarana paty, savony ary bodofotsy avy any ivelany izy ireo.

Orinasa Malagasy Salone sy Somacou Nankasitraka ny fanapahan-kevitry ny ANMCC

Hamaky ny tohiny...

Fianarantsoa Azo hanaingana ny toekaren’i Madagasikara

15/01/2019

Nifaly havanja sy nitotorebika ary nikorana ireo zanaky ny faritra dimy dia Atsimo Atsinanana, Vatovavy Fitovinany, Ihorombe, Matsiatra Ambony ary Amoron’i Mania izay mandrafitra ny faritanin’i Fianarantsoa tamin’ny faran’ny herinandro teo tetsy amin’ny Espace Myrah Ambatomaro.

Fianarantsoa Azo hanaingana ny toekaren’i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Paty, savony, bodofotsy avy any ivelany Hotataovana haban-tseranana

14/01/2019

Hanomboka ny talata 15 janoary ho avy izao dia hotataovana haban-tseranana ny fanafarana paty, savony ary ny bodofotsy avy any ivelany, hoy ny rafitra mpanao fanadihadiana amin’ny lalàna momba ny fifaninanana (ANMCC) tamin’ny sabotsy 12 janoary lasa teo tetsy amin’ny foiben-toerany Antanimena.

Paty, savony, bodofotsy avy any ivelany Hotataovana haban-tseranana

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara Ilàna mpitondra feno fahasahiana

11/01/2019

Nanambara ireo tanora mivondrona ao amin’ny vovonana iraisan’ny fikambanana silamo fa raha tiana ho tojo fampandrosoana haingana i Madagasikara dia tsy maintsy manana fahasahiana amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ny mpitondra.

Fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara Ilàna mpitondra feno fahasahiana

Hamaky ny tohiny...


Toekarena

Volavolan-dalàn’ny tetibolam-panjakana 2019 Tokony hahatsara ny harifaobe ny tarehimarika

22/11/2018

Nizotra mankany amin’ny fahamarinan-toeran’ny harifaobe (stabilités macro-économiques) ny firenena raha ireo tarehimarika sy ezaka voatanisa tao anatin’ny volavolan-dalàn’ny tetibolam-panjakana 2018 lasa no tanteraka. 5,1%

ny tahan’ny fitomboana ara-toekarena, tazomina tsy hihoatra ny 7,8% ny tahan’ny fisondrotan’ny vidim-piainana ary tena hohamafisina ny politikan’ny hetra sy ny fadin-tseranana. Tokony hampiroboroboana ireo sehatra manaraka ny fambolena tahaka ny Indostria sy ny sehatra tsy miankina. Tsy azo avela ihany koa anefa ny sehatra fambolena izay laharam-pahamehana eto Madagasikara. Nolazaina fa hampitomboina hatrany amin’ny 3,2%  io sehatra io araka ny tao anatin’ny  volavolan-dalàna tamin’ny 2018 lasa teo. Niiba  hatrany anefa ny taha nentin’ny sehatra fambolena ka tsy nahasalama mihitsy ny toekarena. Sady tsy mahasehaka ny vahoaka manontolo ny fambolem-bary natao no nanjakan’ny fanondranana hatrany ka mila maka lesona izany amin’io taona ho avy io. Tanjona ihany koa ny hisian’ny tahirina vola vahiny hanatsarana hatrany ny toekarena ka amin’izany no tokony hananan’i Madagasikara tahiry mifanahantsahana amin’ny fanafarana entana mandritra ny fotoana maharitra. Raha eo amin’ny fampidiram-bolan’ny fanjakana indray dia tokony hisy ny fanatsarana mihoatra ny tamin’ny taona 2018. Tompon’antoka hatrany ny fitantanana ankapoben’ny hetra sy ny fadin-tseranana. Ezaka fanamarinan-toerana fotsiny ny harifaobe aloha izany no natao tamin’ny taon-dasa ary mbola tsy tratra aza izany. Miankina tanteraka amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena ny vinavina rehetra hatao amin’ny volavolan-dalànan’ny teti-bolam-panjakana. Ny voka-pifidianana miampy ny fitoniana ara-politika aloha no ainga voalohany fa raha tsy izay dia hanahirana hatrany ny fanatanterahana ireo ezaka rehetra hatao ao anatiny.

Legende: Rtoa Vonintsalama Sehenosoa Andriambololona , minisitry ny vola (Sary Tahiry)

Tsirinasolo

  

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana