Dans la mme rubrique

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

15/01/2019

Ny sabotsy takariva dia nihaona manokana i Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, saingy tsy nisy nipika ny resaka. Mandeha ny fanangonan-tsonia amin’izao eny amin’ny antenimieram-pirenena amin’ny mbola hamerenana an’Atoa Ntsay Christian ho praiminisitra.

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

Hamaky ny tohiny...

Rajoelina sy ny IEM Hisedra olana goavana ara-bola…

15/01/2019

Tsy maniry ratsy ho an’ny fitondram-panjakana vaovao hotarihin’i Andry Rajoelina sy ny firenena fa sarotsarotra ny zavatra miandry ny mpitondra.

Rajoelina sy ny IEM Hisedra olana goavana ara-bola…

Hamaky ny tohiny...

Fitadiavan-tseza sy fahefana Raikitra ny resa-poko sy fiaviana

15/01/2019

Fomba fanao amin’ny fitadiavan-tseza sy fahefana ary toerana ao anaty fanjakana ny resa-poko sy fiaviana.

Fitadiavan-tseza sy fahefana Raikitra ny resa-poko sy fiaviana

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny firenena Sarotra ny mitondra ny Malagasy

15/01/2019

Goavana ny asa miandry ny filoham-pirenena vaovao. Fanamby sy velirano ao anatin’ny fandaharan’asa ny filoham-pirenena vaovao ny hanatsarana ny sosialim-bahoaka ao anatin’ny dimy taona.

Fitantanana ny firenena Sarotra ny mitondra ny Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Vinan’i Andry Rajoelina Tokony hifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka, hoy ny ABA

15/01/2019

Mitohivakana ny fanehoan-kevitra mikasika ny fahazoan’ny malagasy filoham-pirenena vaovao, Andry Rajoelina. Naneho ny heviny manoloana izany ny filohan’ny Antokom-Bahoaka malagasy (ABA), Dany Rakotoson.

Vinan’i Andry Rajoelina Tokony hifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka, hoy ny ABA

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Maro ny adidy mbola miandry azy

15/01/2019

Niomana fatratra ny hitondra firenena i Marc Ravalomanana, ary nipetrapetraka ny programam-pampandrosoana, kanefa ireny no voka-pifidianana izay niteraka adihevitra saingy naneho fahendrena izy.

Marc Ravalomanana Maro ny adidy mbola miandry azy

Hamaky ny tohiny...

Arlette Ramaroson « Manana ny heviny Andriamanitra. »

15/01/2019

Tsy matin’ny malagasy maro lolo hatramin’izao ny anton’ilay fianianana tsy misy vavaka sy baiboly etsy Mahamasina amin’ny sabotsy.

Arlette Ramaroson « Manana ny heviny Andriamanitra. »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Nampiseho fahendrena ny KMMR “Ndao hiroso amin’ny fihodinana faharoa”

22/11/2018

Nandray fanapahan-kevitra goavana dia ny fisintonana ny fitarainana sy fitoriana rehetra napetrak'izy ireo teny amin'ny HCC nahatratra 208 ny Kandida Marc Ravalomanana sy ny mpiara-dia aminy omaly,

 

 mba tsy hitenenana fa tsy mankasitraka ny voka-pifidianana navoakan'ny CENI.  Nanara-maso teny amin’ny CENI androa aman’alina izy ireo nanomboka ny 7 novambra, ary afaka nanao ny fampitahana PV na “confrontation” nitondra ny PV rehetra izay efa voarain’ny CENI ary nanaja ny lalàna nisy sy ny fepetra napetraka, hoy ny mpisolovava Hasina Andriamadison. Manana ny “legal team” nandinika tsirairay ary nahita fa nisy ny tsy nety kely, izay nanaovan’izy ireo fitoriana 208. Mba hitsinjovana ny filaminana sy ny fiandrianam-pirenena anefa dia nanapa-kevitra ny KMMR sy ny TIM ary ny kandida Marc Ravalomanana fa sintonina avokoa ny fitoriana izay nataony na nanao “désistement d’action” izy ireo, izay milaza ny tokony hamelana malalaka ny valim-pifidianana avy amin’ny HCC satria efa manaiky ny vokatra vonjimaika navoakan’ny CENI izahay, hoy ireo solontenan’ny kandida laharana 25 tetsy Bel’Air Apandrana omaly. Manaiky ny fifidianana natao ny 7 novambra lasa teo ny TIM ary tsy miombon-kevitra amin'ireo izay mangataka fanafoanana ny fifidianana ny Kandida Ravalomanana sy ny mpiara-dia.

Aleo handeha ny fifidianana faharoa fa ny fifidianana ihany no hahafahana mametraka amin'ny fomba demokratika izay ho filoham-pirenena eken’ny vahoaka, hoy ny eo anivon’ny KMMR tarihin’ny Talen’ny fampielezan-kevitra Tsehenoarisoa Rabenja. Nahatsikaritra izy ireo tao anatin’ny andro vitsy fa misy paikady hafahafa hita soritra, misy hetsika toa mifono ambadika politika tazana, toa misy ampahan’olona mitady hanao izay hanafoanana ny fifidianana, nanararaotra ny fisian’ny fitarainana ny sasantsasany mba hilazana fa ny kandida roa voalohany dia samy tsy afa-po ary samy tsy mankasitraka ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny CENI, hoy izy. Ny fisian’ny fitarainana an-tsoratra voapetraka teny amin’ny HCC no nentina nanazavana ny voka-pifidianana fa tsy ankasitrahan’ny kandida roa voalohany hono, hoy ity Talen’ny fampielezan-kevitra ity. Re rahateo moa fa toa hoe misy mikotrika fananganana fanjakana tetezamita any ho any, fa voka-pifidianana. Tsy mangataka ary tsy mankasitraka ny fanafoanana ny fifidianana efa vita tamin’ny 7 novambra 2018 ny kandida Ravalomanana, ary tsy mangataka fanemorana ny fifidianana fihodinana faharoa, fa aleo hizotra izany hampazava ny safidim-bahoaka, hoy ny fanambarana. Nampiseho fandeferana mba ho amin’ny tombotsoa ambonin’ny firenena i Marc Ravalomanana na mety lasibatra aza. Tsy ho loharanon’ny korontana, ary mazava izao hoe na nenjehina sy nitsoaka aza dia niezaka niverina teto ary efa nisy sahady ny zavatra voatsangany. Nanao fanamby sy velirano fa hanao izay faraheriny sy fara-fahaizany hanavotra ny firenena. Tonga saina ny vahoaka ary ireny ny vokatra satria ny hita aloha, dia nisy kandida nampiasa volabe tena mety ambony lavitra noho izy teto, saingy tsy nisy ny elanelana be. Miandry am-pahendrena ny voka-pifidianana ofisialy havoakan’ny HCC i Marc Ravalomanana. Vonona amin’ny fiatrehana ny fihodinana fahafaroa izy, izay tsy mankasikatraka ny mety tetika hanariana ny zon’ny Malagasy any amin’ny lalan-kafa mivaona amin’ny demokrasia.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana