Dans la mme rubrique

KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA

16/01/2019

Hanao izay ho afany ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny famahana ny fitohanan’ny fifamoivoizana izay nampitaraina ny maro.

KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA

Hamaky ny tohiny...

Resaka fanonganam-panjakana

16/01/2019

Miezaka mivoy indray ankehitriny ireo haino aman-jery frantsay fa fanonganam-panjakana no nitranga teto Madagasikara ny taona 2009. Tafakatra eo amin’ny fitondrana indray, hoy ny gazety Le Monde, ny mpanongam-panjakana mpanefoefo.

Resaka fanonganam-panjakana

Hamaky ny tohiny...

FITSARAM-BAHOAKA

15/01/2019

Raha tsy tonga haingana ny polisy dia efa matin’ny fitsaram-bahoaka ny rangahy iray izay tompon’antoka tamin’ny heloka bevava.

FITSARAM-BAHOAKA

Hamaky ny tohiny...

Mampitaraina sahady

15/01/2019

Mampitaraina sahady ireo mpiara-miasa aminy ny minisitry ny mponina satria dia mbola andrasana hatramin’izao ny valin’ny

Mampitaraina sahady

Hamaky ny tohiny...

NOVONOINA AVY EO NALEVINA

14/01/2019

Novonoina ny tompon’ny fiara dia nalevina tao anaty ala. Izany no nitranga tany amin’ny tanàna kely iray manodidina an’Andranovelona.

NOVONOINA AVY EO NALEVINA

Hamaky ny tohiny...

Miandry fifidianana

12/01/2019

Miandry ny fahavitan’ny fifidianana solombavambahoaka sy ben’ny tanàna izany vao mety hahazo praiminisitra vaovao isika,

Miandry fifidianana

Hamaky ny tohiny...

FAKANA AN-KERINY

11/01/2019

Mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny rano sy ala no nisy naka an-keriny tany Isoanala, distrika Betroka. Vola mitentina 12 tapitrisa ariary no notakian’ireo olon-dratsy mba ho solon’ny ainy.

FAKANA AN-KERINY

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

FIDIRAN’NY MPIANATRA

19/11/2018

Anio alatsinainy 19 novambra no hiditra an-tsekoly amin’ny fomba ofisialy ny mpianatra amin’ny sekolim-panjakana eto Madagasikara. Mizara fe-potoana 5 ny taom-pianarana ary hifarana ny 19 novambra 2018.

 

 

 

 

HITA FATY NIHOSIN-DRA

Vehivavy iray no hita faty ary feno ra tetsy Tsarasaotra-Alarobia. Novonoina izy ary natsipy teo an-toerana raha araka ny tombana voalohany. Mangana ny lohany ary feno ra nivoaka teo amin’ny vavany. Efa nandalo teny amin’ny tranom-paty ny fianakaviany nijery ny razana ary naka izany tao an-toerana rehefa vita ny fitsirihana nataon’ny manampahaizana mba hahafahana manokatra fanadihadiana avy hatrany.  


MPAMPIHOROHORO TENY AMBOHIMANGAKELY

Sarona ihany ilay mpampihorohoro teny amin’ny faritra Ambohimangakely. Rangahy efapolo taona izy io ary tompon’antoka tamin’ny fanaparitahana trakta sy tsaho mba entina hanakorontanana ny sain’ny olona. Ny tena tanjona dia ny hialan’ny mponina ao amin’ny tanàna mba hanavotana ny ainy ary dia afaka manaram-po izany ireo jiolahy amin’ny fandrobana isan-karazany. Saika nahomby izany raha tsy nisy ny fandraisana andraikitra matomatotra kokoa nataon’ny zandary. Niainga tany am-piangonana no tena nahazoana ny vaovao momba ilay jiolahy.

VOASONGON’I DADA
Voasongon’i Dada indray Rajoelina tamin’ny fangalana ny fon’ny mpitia baolina kitra. Fisehosehoana be no natao tamin’ny fanomezana fanampiana ny ekipam-pirenena Barea ary ny an-dRajoelina irery no nahitahita be izany. Indrisy anefa fa vetivety dia lasa nisy nampifandray ny tsy fahombiazan’ny Barea sy ny fanomezan’ny kandidà fanampiana. Nolazain’ny olona fa lasa fitadiavam-bola no nitranga ary koa tsy mendrika ny hidiran’ny kilalao politika ny fanatanjahantena satria lasa tsy mampitombina ny sain’ny mpilalao. Misy lesona tokony hotsoahina ihany.

BE MPIJERY INDRINDRA

Nandritra ny lalao baolina kitra omaly alahady no tena nahitana mpijery betsaka indrindra teny amin’ny kianjan’ny CNaPS teny Vontovorona, miandahy miambavy, nisy fianakaviana iray manontolo mihitsy. Maro ireo avy any amin’ny faritany tonga teto Antananarivo mba hijery sy hankahery ny Barea.

 

 

 

FAKON’ANTANANARIVO

Andrasan’ny maro anio araka ny fotoana nomen’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny hiasan’ireo kamio lehibe vaovao handroaka ny fako manerana ireo boriborintany enina, taorian’ny fanamboarana teknika tsy maintsy natao tamin’izy ireo.

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA

Taorian’ny Sprinter dia ny moto no anisan’ny miteraka loza betsaka indrindra sy mandratra ary mamono olona mihitsy eto Antananarivo sy ny manodidina tato anatin’ny volana vitsivitsy izao.

GABORARAKA

Efa tena samy manao izay tiany ny rehetra amin’ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra sy ireo faritra manodidina azy. An-kavitsiana sisa mba tsy hitenenana hoe tsy misy ireo manaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana fa dia efa ny an-kisisika no fomba fanao. Matetika no mitazam-potsiny fa tsy mahavita mandamina intsony ireo mpitandro ny filaminana.

 

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana