Dans la mme rubrique

Vinan-dRajoelina Ireo manan-katao no tena hahazo tombony ?

16/01/2019

Ny hamisavisana ny ratsy hiavian’ny soa, hoy ny fomba fiteny, ka enga tokoa anie tsy ho arakaraka ny ahiahin’ny olona ny hafitsoky ny fitondrana Rajoelina. Maro ireo velirano nambara fa hotanterahina, ary tsy misy ratsy ireny.

Vinan-dRajoelina Ireo manan-katao no tena hahazo tombony ?

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana asam-panjakana Ho sarotsarotra ny fitsinjarana ny teti-bola iasana

16/01/2019

Hiisa 22 ireo minisitra handrafitra ny governemanta hotarihin`ny praiminisitra vaovao ho avy eo fa tsy ho 30 mahery. Tombanana fa mety ho fitsitsiana izao, araka ny nambaran`ny filoham-pirenena vaovao nandritra ny fampielezan-keviny.

Fitantanana asam-panjakana Ho sarotsarotra ny fitsinjarana ny teti-bola iasana

Hamaky ny tohiny...

Hary Razafindrazaka « Enga anie ka hahay hamondrona ny Malagasy ny Filoha vaovao »

16/01/2019

Ny atao hoe tsy azo hivalozana dia midika hoe tsy maintsy eken’ny rehetra, hoy ny mpanao politika, Hary Razafindrazaka.

Hary Razafindrazaka « Enga anie ka hahay hamondrona ny Malagasy ny Filoha vaovao »

Hamaky ny tohiny...

Mety ho fidiran’ny TIM anaty governemanta Adihevitra tsy hifankahitana

16/01/2019

Ny sabotsy 19 janoary aorian’ny fianianan’ny filoha nambaran’ny HCC fa voafidy dia hisy ny filankevitry ny minisitra hotarihiny, ary hametra-pialana ny governemanta Ntsay Christian aorian’izay, raha ny vaovao mivoaka.

Mety ho fidiran’ny TIM anaty governemanta Adihevitra tsy hifankahitana

Hamaky ny tohiny...

Revolisionina namotika taty Afrika Manomboka tonga saina ireo firenena sasany

16/01/2019

Nifanesy ireo karazana Revolisionina taty Afrika tany amin’ny 10 taona lasa na latsaka kely tany ho any.

Revolisionina namotika taty Afrika Manomboka tonga saina ireo firenena sasany

Hamaky ny tohiny...

Emmanuel Macron Hihaona amin-dRajoelina any Paris

16/01/2019

Herinandro taty aorian’ny fanambaran’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) fa voafidy ho filoham-pirenena Malagasy i Andry Rajoelina dia nandefa taratasy fiarahabana azy ny filoha Frantsay Emmanuel Macron.

Emmanuel Macron Hihaona amin-dRajoelina any Paris

Hamaky ny tohiny...

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

15/01/2019

Ny sabotsy takariva dia nihaona manokana i Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, saingy tsy nisy nipika ny resaka. Mandeha ny fanangonan-tsonia amin’izao eny amin’ny antenimieram-pirenena amin’ny mbola hamerenana an’Atoa Ntsay Christian ho praiminisitra.

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Ravalomanana ho Filohan’ny Malagasy Misokatra amin’ny rehetra hatrany

19/11/2018

Nahazo salan’isa 35, 29% ny kandida Marc Ravalomanana. Io no vokatra vonjimaika navoakan'ny Ceni Madagascar. Isaorana isika vahoaka nametraka fitokisana tamin'i Dada, hoy ny hafatra nataony.

 


 Na maro be aza ny lesoka tamin'ny fifidianana fihodinana voalohany tamin'ny 7 novambra lasa teo iny, dia ankasitrahana feno ny fitoniana sy ny fihetsika feno fahamendrehana nasehontsika vahoaka Malagasy. Mpirahalahy mianala, manamafy ny fifampitokisana misy eo amintsika, indrindra tamin'ny fijoroana tamin'ny fiarovana ny safidintsika. Dingana manaraka ny fiomanana amin'ny fihodinana faharoa ka dia alao hery ry vahoaka Malagasy tia fandrosoana, hoy izy izay manamafy hatrany an’ilay hoe:  “mpanangana isika fa tsy mpandrava”. Tany amin'ny faritra Alaotra Mangoro izy ny andron’ny sabotsy lasa teo. Nisaotra ireo rehetra nifidy azy tany an-toerana sy ireo rehetra namita adidy tamin'ny firenena ny 7 novambra teo. Mankasitraka amin'ny fanohananareo ahy sy ny ho fiarahantsika miasa hatrany, hoy izy. Tany an-toerana moa no nampahafantarana voalohany ny K25 izay hitambaran’ny rehetra vonon-kampandresy azy na antoko, na fikambanana, na olon-tsotra,… izay efa sesilany sahady amin’izao ny fahavononan’ny rehetra.  Manokatra varavarana ho an’ireo izay te hanohana azy ny kandida laharana faha-25 Marc Ravalomanana amin’ny fiomanana sy fiatrehana ny fihodinana faharoa satria izy dia ho filohan’ny Malagasy rehetra fa tsy ho an’antokon’olona vitsivitsy fotsiny, hoy kosa ny Talen’ny Fampielezan-kevitra Rabenja Tsehenoarisoa taorian’ny famohanan’ny CENI ny vokatra vonjimaika. « Tsy nisy « surprise » ny voka-pifidianana fa araka ny efa navoakan’ny CENI, tsy nisy nahazo ny antsasa-manila ny kandida fa miroso ho amin’ny fihodinana faharoa. Miverina ny « caution »’n’ireo kandida roa tafakatra ary izy ireo ihany ; mihoatra ny 7% ny vato fotsy sy ny vato maty ka tokony hojerena akaiky. Efa vonona tanteraka izahay hiatrika ny fihodinana faharoa ary manao antso ho an’ny olona rehetra mba ho tonga hifidy. Izahay dia efa vonona amin’ny paikady rehetra hiatrehana ny fihodinana faharoa, hoy kosa ny depiote Hanitra Razafimanantsoa.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana