Dans la męme rubrique

KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA

16/01/2019

Hanao izay ho afany ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny famahana ny fitohanan’ny fifamoivoizana izay nampitaraina ny maro.

KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA

Hamaky ny tohiny...

Resaka fanonganam-panjakana

16/01/2019

Miezaka mivoy indray ankehitriny ireo haino aman-jery frantsay fa fanonganam-panjakana no nitranga teto Madagasikara ny taona 2009. Tafakatra eo amin’ny fitondrana indray, hoy ny gazety Le Monde, ny mpanongam-panjakana mpanefoefo.

Resaka fanonganam-panjakana

Hamaky ny tohiny...

FITSARAM-BAHOAKA

15/01/2019

Raha tsy tonga haingana ny polisy dia efa matin’ny fitsaram-bahoaka ny rangahy iray izay tompon’antoka tamin’ny heloka bevava.

FITSARAM-BAHOAKA

Hamaky ny tohiny...

Mampitaraina sahady

15/01/2019

Mampitaraina sahady ireo mpiara-miasa aminy ny minisitry ny mponina satria dia mbola andrasana hatramin’izao ny valin’ny

Mampitaraina sahady

Hamaky ny tohiny...

NOVONOINA AVY EO NALEVINA

14/01/2019

Novonoina ny tompon’ny fiara dia nalevina tao anaty ala. Izany no nitranga tany amin’ny tanàna kely iray manodidina an’Andranovelona.

NOVONOINA AVY EO NALEVINA

Hamaky ny tohiny...

Miandry fifidianana

12/01/2019

Miandry ny fahavitan’ny fifidianana solombavambahoaka sy ben’ny tanàna izany vao mety hahazo praiminisitra vaovao isika,

Miandry fifidianana

Hamaky ny tohiny...

FAKANA AN-KERINY

11/01/2019

Mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny rano sy ala no nisy naka an-keriny tany Isoanala, distrika Betroka. Vola mitentina 12 tapitrisa ariary no notakian’ireo olon-dratsy mba ho solon’ny ainy.

FAKANA AN-KERINY

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

VOTSOTRA I RIAZ HASSIM

16/11/2018

Votsotra halina i Riaz Hassim, tale jeneralin'ny orinasa Makiplast. Herinandro izany no nitazonan'ireo olon-dratsy azy ary tsy fantatra kosa ny vola izay naloa hatreto.

 

 

 

Tsy nisy fitoriana nipetraka rahateo. Mbola tsy hita kosa izay misy ny tale jeneralin'ny Conforama Nassir Navjee izay vao nisy naka an-keriny afak'omaly alina tetsy Androhibe.

 

FANARAHAN-DIA NY DAHALO

 

Mitohy ihany ny fahafatesan’ny olona izay manampy ny mpitandro ny filaminana amin’ny fanarahan-dia ny dahalo. Tao Amboasary-Atsimo no maty ny olon-tsotra roa nandritry ny fifandonana tamin’ireo mpangalatra omby. Ankoatra izay dia mbola nisy olon-tsotra hafa am-polony koa naratra mafy satria nanao tifitra variraraka ireo olon-dratsy. Raha manodidina ny roapolo ny mpanara-dia, efa ho valopolo kosa ireo dahalo izay nenjehina ary samy mitam-basy avokoa izy ireo. 

HALATRA KOJAKOJANA FIARA

 

Fiara efa tsy misy kodiarana intsony no hitan’ny tompony vao maraina tetsy Ankadivoribe. Tsy vitan’izay fa mbola nesorin’izy ireo koa ny vatoaratra ary novakiana ny fitaratra aoriana mba nahafahana niditra tao anatin’ilay fiara ka namahana azy. Mirongatra tanteraka ny halatra jantes ankehitriny ary betsaka ireo manao fitarainana momba izany. Ny mahatalanjona dia misy mpiambina hatrany ny fiaran’ny olona eny amin’ny « parking » kanefa mbola tontosan’ireo olon-dratsy ihany ny fandrobàna an’izany.    

VOAROBA NY EKAR AO NAMORONA MANANJARY

 

Norobain’ny olon-dratsy ny fiangonana Katolika tao Namorona-Mananjary. Tsy vitan’izay fa mbola nanaovan’izy ireo maloto ihany koa. Lasa ny fanamafisam-peo sy ny fitaovana fampiasan’ny Mompera teo anivon’io fiangonana io. Ny nahatalanjona ny olona anefa navelan’ireo olon-dratsy teo ivelan’ny fiangonana fotsiny, izany hoe teo an-tokotany ny entana nangalariny. Noheverin’izy ireo fa nisy volabe tao am-piangonana saingy tsy nipetraka tao ny rakitra ka dia nody maina ireo jiolahy tsy matahotra an’Andriamanitra.

 

FISOROHANA NY FIAKARAN’NY RANO

 

Izay vao nandray fepetra momba ny fanotorana tany eny ambany tanàna indray ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’izao fahavaratra izao. Mba hialana amin’ny fiakaran’ny rano amin’ny fahavaratra no namoahana ny didy fampiatoana. Namoahana didy fampiatoana ny fanotofana tany eny Andranomahery Ankazomanga, Masay ary Amboditsiry manomboka izao. Ankoatra izay dia ahiana hiakatra koa ny rano etsy By-Pass izay efa tena feno mpanototra ny tanimbary ary efa misy manorina tranobe.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana