Dans la męme rubrique

Tontolon`ny Fitsarana Maniry ny fitohizan`ny fanatsarana natao ny minisitra

16/01/2019

Na dia 7 volana monja aza ny fotoam-piasana izay nitantanan`ny minisitry ny Fitsarana, Rtoa Norovololona Harimisa, dia nisy ny ezaka vitan`ny minisitera tao anatin`ny fotoana fohy.

Tontolon`ny Fitsarana Maniry ny fitohizan`ny fanatsarana natao ny minisitra

Hamaky ny tohiny...

Trafikana volamena Tsy mety tratra ireo tena atidoha

16/01/2019

Malagasy 3 no tratra nitondra volamena milanja 25,5 kilao tany Maorisy ny 10 janoary lasa teo, saika ho any Mumbai (Inde) ny roa raha toa ka nilaza ny ho any Dubai ny iray.

Trafikana volamena Tsy mety tratra ireo tena atidoha

Hamaky ny tohiny...

Andrefambohitra Ampitatafika Razana maromaro natsingevan’ny rano

16/01/2019

Razana maromaro no hitan’ny fokonolona tao Andrefambohitra, Ampitatafika Atsimondrano ny alatsinainy 13 janoary hariva teo.

Andrefambohitra Ampitatafika Razana maromaro natsingevan’ny rano

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran’ny ny mponina Gaboraraka ny fitantanana, hoy ireo mpiasa

16/01/2019

Nanao antsoavo tamin’ny filoham-pirenena vaovao sahady omaly ny avy eo anivon’ny sendikan’ny mpiasan’ny minisiteran’ny mponina na SYNAE-Population mba hijery akaiky ny zava-misy ao amin’ny minisiteran’izy ireo.

Minisiteran’ny ny mponina Gaboraraka ny fitantanana, hoy ireo mpiasa

Hamaky ny tohiny...

Lalao Ravalomanana “Ao anatin’ny 100 andro misy asa goavana vita”

15/01/2019

Tonga niarahaba ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Lalao Ravalomanana omaly ireo mpiara-miasa akaiky aminy noho ny fahatongavan’ny taona vaovao 2019.

Lalao Ravalomanana “Ao anatin’ny 100 andro misy asa goavana vita”

Hamaky ny tohiny...

Ampijalian’ny delestazy i Toamasina Tsy ampy solika ny Jirama

14/01/2019

Hopitaly kely – Gare routière – Tanambao V – Ankirihiry avaratra sy atsimo – Andranomadio – Cité Valpinson – Cité Haras – Ambohijafy – Asecna – Antseranampasika – Tahity Kely – Rasseta – Ampilaolava – Analamalotra – Ivoloina – Ctht – Lycée Agricole –

Ampijalian’ny delestazy i Toamasina Tsy ampy solika ny Jirama

Hamaky ny tohiny...

Halatra jiro eny amin’ny digin’i Fenoarivo 9 lahy migadra eny Tsiafahy

14/01/2019

Miisa 15 hatreto ny isan’ireo olona efa tratra nangalatra ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro eny an-dalambe eny amin’iny digy mihazo an’i Fenoarivo Atsimondrano iny.

Halatra jiro eny amin’ny digin’i Fenoarivo 9 lahy migadra eny Tsiafahy

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Mirongatra ny trafikana sokatra Efa nahatratra 19 000 ireo sarona

16/11/2018

Mitohy ny fahatrarana ireo mpanao trafikana sokatra na vao ny 25 oktobra teo aza no nivoahan’ny didim-pitsarana manameloka ireo nahatrarana sokatra 10 196 tao Betsinjaka Toliara tamin'ny 9 aprily.

 

Nohelohina higadra 6 taona sy handoa lamandy 100 tapitrisa ariary ireo tompon’antoka. Mbola saron’ny mpiasan’ny ala ao amin’ny alan’i Betioky sy ny zandarimaria indray ny mpanao trafika hafa. Rehefa nisy mantsy ny loharanom-baovao azon’ny manampahefana, dia sarona ny alarobia 24 oktobra tao Ambaliandro, fokontany Ihotry, Kaominina Tongobory, Distrikan'i Betioky Atsimo ny sokatra 7 347 saika haondrana. Ny 32 tamin’ireo no maty noho ny toerana tsizarizary nametrahana azy, izay efa 4 volana no nanangonana azy tao amin’ilay toerana rehefa nalaina tany Androy, manelanelana an’i Toliara sy Tolagnaro. Olona 3 moa no voasambotra tamin’io raharaha io, izay lehilahy roa ary vehivavy iray. Nisy ihany koa ny fitoerana manokana hita niaraka tamin’ireo sokatra, izay efa nahitana kaody samihafa midika ho efa avy nanondranana ny sasany, izany hoe efa fanaon’ireo olon-dratsy ilay izy. Tato anatin’ny taona 2018 dia tena nirongatra be ny trafikana sokatra izay manodidina ny 19 000 no efa sarona. Ny 23 novambra izao no hatao any Toliara ny fikaonan-doha nasionaly hiadivana amin’ny fanondranana sokatra, izay andraisan’ny mpiaro ny tontolo iainana, ny sampandraharahan’ny rano sy ny ala, ny tribonaly, ny bianco, ny faritra Atsimo Andrefana, ny mpitandro ny filaminana ary ny sampandraharaha iraisam-pirenena momba ny fiarovana ny zava-boary na ny WWF anjara.

Toky R 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana