Dans la mme rubrique

Taratasin’i Jean Lamasinina haingam-pandeha marina

16/01/2019

Dia ahoana Jean a ? Inona no malaza any aminareo any e ? Tena miaiky koa aho amin’ny maha lamasinina haingam-pandeha anareo a !

Taratasin’i Jean Lamasinina haingam-pandeha marina

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’I Jean Oui mse!!

14/01/2019

Inona moa izany ry Jean fa dia mbola hitohy lava be indray ny Oui mse koa ! Ary tena miha mahery vaika ilay izy a ! Mbola ho zakanao ihany ve ?

Taratasin’I Jean Oui mse!!

Hamaky ny tohiny...

Mifandrombaka sahady

12/01/2019

Taitra be aho ry Jean nahita ilay filaharana kodiarana maromaro mitovy loha teo am-piasanao omaly iny an ! Tonga ny tramway, hoy aho.

Mifandrombaka sahady

Hamaky ny tohiny...

Eny ary koa !

09/01/2019

Eny ary ry Jean fa dia arahabaina ianareo koa ! Lany tao anaty mangarahara be sy fikarakarana tsy nisy tomika, hono, ianareo ka dia arahabaina ee !

Eny ary koa !

Hamaky ny tohiny...

Mamay be io aa…

07/01/2019

Hay dia efa nanomboka ny arôzazy ianareo ry jean kely a.Mazava ny resaka fa dia tena efa azonareo antoka fa matinareo ny baolina.

Mamay be io aa…

Hamaky ny tohiny...

NY MARINA NO AMPANDRESENA

05/01/2019

Matahotra ve ny mpitsara Ny hamoaka ny vokatra marina , Ka dia kandidàn`ny mapara No amboarina fa hoe hakarina ?

NY MARINA NO AMPANDRESENA

Hamaky ny tohiny...

Hafatra ho anareo

04/01/2019

Jiolahy no tiana hakarina Mba handidy sy hanjaka, Ka totofana ny marina Dia tsy avela hahazo laka ?

Hafatra ho anareo

Hamaky ny tohiny...


Taratasy hoan'i jean

Fampandrosoana ara-toekarena Ilaina ny fampivoarana ny Indostria Malagasy

16/11/2018

Tokony hifantoka tanteraka amin’ny fampandrosoana ny firenena amin’izay ny Malagasy ary vonona i Korea Atsimo hanohana, indrindra ny amin’ny lafiny toekarena.

 

 Nampahafantatra tolotra maro amin’ny fandraharahana sy fampisamboram-bola mantsy ny fanjakana Korea Atsimo tamin’ny alalan’ny Ambasadaorony miasa sy monina eto Madagasikara ny alarobia lasa teo tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina. Maro ireo sehatra azo iaraha-miasa tahaka ny Indostria, ny angovo hatramin’ny fambolena. Nanambara ny tale jeneralin’ny fampiroboroboana ny sehatra Indostria, Ramindo Gaetan fa afaka mandray anjara amin’ireo tolotra ireo i Madagasikara ary manantena hatrany ny fitohizan’ny fiaraha-miasa amin’i Korea Atsimo mba hanatsarana ny fampivoarana ny orinasa Malagasy. Tanjona ny hitondra vokatra tsara amin’ny fampiroboroboana sy fampivoarana ny sehatra Indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina amin’ny fandraharahana atao. Amin’izany anefa dia ilaina hatrany ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy tsy miankina amin’ny sehatra sahala amin’izao mba hiteraka fampandrosoana ara-toekarena haingana amin’ny alalan’ireo paikady maro iaraha-misalahy. Mila maka lesona hatrany ihany koa amin’ny tantaran’i Korea i Madagasikara satria firenena tena efa potiky ny ady izy kanefa nisondrotra ary lasa manankarena noho ny finiavana sy ny fitiavan-tanindrazana nananan’ny vahoaka koreana. Eo anoloan’izao toe-draharaha mafana mahakasika ny fiandrasana ny voka-pifidianana izao dia miandry ny fahendren’ny Malagasy ny firenena mandroso rehetra ary mamporisika ny mpanao politika hihazona ny fitiavan-tanindrazana.

Tsirinasolo

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana