Dans la mme rubrique

Vinan-dRajoelina Ireo manan-katao no tena hahazo tombony ?

16/01/2019

Ny hamisavisana ny ratsy hiavian’ny soa, hoy ny fomba fiteny, ka enga tokoa anie tsy ho arakaraka ny ahiahin’ny olona ny hafitsoky ny fitondrana Rajoelina. Maro ireo velirano nambara fa hotanterahina, ary tsy misy ratsy ireny.

Vinan-dRajoelina Ireo manan-katao no tena hahazo tombony ?

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana asam-panjakana Ho sarotsarotra ny fitsinjarana ny teti-bola iasana

16/01/2019

Hiisa 22 ireo minisitra handrafitra ny governemanta hotarihin`ny praiminisitra vaovao ho avy eo fa tsy ho 30 mahery. Tombanana fa mety ho fitsitsiana izao, araka ny nambaran`ny filoham-pirenena vaovao nandritra ny fampielezan-keviny.

Fitantanana asam-panjakana Ho sarotsarotra ny fitsinjarana ny teti-bola iasana

Hamaky ny tohiny...

Hary Razafindrazaka « Enga anie ka hahay hamondrona ny Malagasy ny Filoha vaovao »

16/01/2019

Ny atao hoe tsy azo hivalozana dia midika hoe tsy maintsy eken’ny rehetra, hoy ny mpanao politika, Hary Razafindrazaka.

Hary Razafindrazaka « Enga anie ka hahay hamondrona ny Malagasy ny Filoha vaovao »

Hamaky ny tohiny...

Mety ho fidiran’ny TIM anaty governemanta Adihevitra tsy hifankahitana

16/01/2019

Ny sabotsy 19 janoary aorian’ny fianianan’ny filoha nambaran’ny HCC fa voafidy dia hisy ny filankevitry ny minisitra hotarihiny, ary hametra-pialana ny governemanta Ntsay Christian aorian’izay, raha ny vaovao mivoaka.

Mety ho fidiran’ny TIM anaty governemanta Adihevitra tsy hifankahitana

Hamaky ny tohiny...

Revolisionina namotika taty Afrika Manomboka tonga saina ireo firenena sasany

16/01/2019

Nifanesy ireo karazana Revolisionina taty Afrika tany amin’ny 10 taona lasa na latsaka kely tany ho any.

Revolisionina namotika taty Afrika Manomboka tonga saina ireo firenena sasany

Hamaky ny tohiny...

Emmanuel Macron Hihaona amin-dRajoelina any Paris

16/01/2019

Herinandro taty aorian’ny fanambaran’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) fa voafidy ho filoham-pirenena Malagasy i Andry Rajoelina dia nandefa taratasy fiarahabana azy ny filoha Frantsay Emmanuel Macron.

Emmanuel Macron Hihaona amin-dRajoelina any Paris

Hamaky ny tohiny...

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

15/01/2019

Ny sabotsy takariva dia nihaona manokana i Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, saingy tsy nisy nipika ny resaka. Mandeha ny fanangonan-tsonia amin’izao eny amin’ny antenimieram-pirenena amin’ny mbola hamerenana an’Atoa Ntsay Christian ho praiminisitra.

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Kandida nampiasa volabe Hosarontsaronana ny raharaha…

16/11/2018

Voafatotry ny fisorohana ny rotaka politika ny fampiharan-dalàna eto Madagasikara, raha jerena amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana. Sarontsaronana amina kazarana didy miendrika fandaminana ny fampiharan-dalàna eto,

 

 

 

izay mety hisy lafy tsarany fa mety ho leson-dratsy ihany koa, raha tarafina amin’ny fitsarana ara-politika teto Madagasikara tato anatin’ny taona vitsivitsy. Tsaroana tsara ny zava-nisy tany amin’ny jolay 2015 nisian’ilay fitsipaham-pitokisana ny filoha nataon’ny antenimieram-pirenena saingy, narovan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC  tamin’ny alalan’ny “pacte des résponsabilités” ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Nitohy indray izany taty amin’ny taona 2018 ary raha ny lalàna no nampiharina an-tsakany sy an-davany efa niongana indray ny filoha ny volana aprily satria tsy nahafeno ny fepetra voafaritry ny lalàmpanorenana toy ny tsy nanangana ny fitsarana ambony na ny HCJ tamin’izany, izay azo hanesorana azy tamin’ny toerany, saingy ny governemanta no noravana. Raha vantanina ny resaka, tsy mihatra ara-bakiteny ny sazy mifandraika amin’ny mety ho fandikan-dalàna noho ny mety ho fijerena mason-tsivana ara-politika maro.  Hiverenana ny zava-misy ara-politika mifandraika amin’ny fifidianana amin’izao fotoana izao. Nisy ny kandida voalaza fa nampiasa volabe tamin’ny fifidianana, ary ny mpanara-mason’ny sehatra iraisam-pirenena no efa nanao ny tatitra, ka isan’ny notononiny ny kandida Andry Rajoelina izay anisan’ny mahazo isam-bato ambony amin’izao. Mandeha ihany koa ny fitoriana ataon’ireo kandida filoha sasany momba izany. Ny andininy faha-233 amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka dia milaza fa mandoa onitra avo roa heny amin’ny noraisina na nomena, tsy afaka misitraka ny zony ary tsy afaka hanao asam-panjakana, voarara tsy afaka misitraka ny asa maha olom-boafidy mandritra ny 5 ka hatramin’ny 10 taona. Raha ny lalàna izany no hampiharina dia mety horoahana tsy ho kandida avy hatrany izay nanao izany, ary tsy hisaina akory ny vato azony. Ho sahy hanao izany ve ny HCC na ny fahefam-panjakana hafa afaka mandray fanapahan-kevitra ? Sarotsarotra inoana na dia ny resaka fisorohana ny fananganam-bovona ataon’ny mpanao politika aza. Rahoviana izany vao tena hihatra ny lalàna ? Ho vitavita ho azy foana ve ny fandikan-dalàna ara-politika ary hanjaka hatrany ny tsimatimanota ?

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana