Dans la mme rubrique

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy

18/01/2019

Hotontosaina anio eny amin’ny Lapam-panjakana eny Iavoloha ny fifamindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha nambaran’ny HCC fa lany hitantana ny firenena ao anatin’ny 5 taona dia i Andry Rajoelina.

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy

Hamaky ny tohiny...

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”

18/01/2019

Tanterahana anio ny famindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha sy ny filoha vaovao ary rahampitso faha 19 janoary no hatao eny Mahamasina no fotoana hanatanterahan’ny filoham-pirenena vaovao ny fianianany.

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Mihena sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy

18/01/2019

Tsy vita akory ny fianianana sy fandraisan’Atoa Andry Nirina Rajoelina ny toerana maha filoham-pirenena voafidim-bahoaka araka ny voalazan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, dia tsikaritra fa mihena ny taham-pankafizan’ny olona azy.

Andry Rajoelina Mihena sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sy fiainam-pirenena Izay tompon’ny vola no mibaiko

18/01/2019

Maro ny lalana nodiavn’ny firenena, raha tsy hitanisa afa tsy ny nanomboka ny 2009-2010.

Fifidianana sy fiainam-pirenena Izay tompon’ny vola no mibaiko

Hamaky ny tohiny...

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR

17/01/2019

Mafana ny adivarotra sy ny don-tandroka eny amin’ny Antenimieram-pirenena amin’ny fanendrena praiminisitra. Mbola i Ntsay Christian ve sa i Fienena Richard ?

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR

Hamaky ny tohiny...

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »

17/01/2019

Mbola maro ny asa miandry ny komitin’ny fampihavanana Malagasy ao anatin’ny 4 taona, hoy ny filoha lefitry ny CFM, Gerard Ramamimampionona.

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »

Hamaky ny tohiny...

Politika, toekarena, sosialy Mikorontana izao tontolo izao

17/01/2019

Notsipahan’ny parlemanta ilay fifanarahana momba ny fisintahan’i Grande Bretagne amin’ny vondrona eoropeanina.

Politika, toekarena, sosialy Mikorontana izao tontolo izao

Hamaky ny tohiny...


Politique

depiote TIM Mivonona amin’izay hiseho

16/11/2018

Manoloana ny zava-misy mitranga eto amin’ny firenena izay mifandraika amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena teo dia

 

tsikaritra ho efa mivonona amin’izay zavatra mety hiseho ireo depiote voafidy tamin’ny anaran’ny antoko Tiako i Madagasikara raha ny firesak’izy ireo tetsy amin’ny lapan’i Tsimbazaza omaly. Toy izao ny santionan’ireo fanehoan-kevitra :

Clarisse Rasendramiadana, depioten’ny boriborintany fahadimy :

« Misaotra ny malagasy tonga nifidy, indrindra fa ny mponin’ny boriborintany fahadimy. Maro ny lesoka hita tamin’iny fifidianana iny saingy mandala ny lalàna isika ka aoka samy ho tony. Raha sendra ny tsy azo hanoharana dia aleo miomana amin’ny fandraisana  ny toromarika am-pahendrena. » (sary : 1)

Voahangy Raharinirina, depioten’Atsimondrano :

« Amin’ny maha depioten’Atsimondrano ahy dia misaotra ny vahoakan’Atsimondrano aho tamin’ny niatrehany ny fifidianana tamim-pahatoniana. Nandresy isika tao. Mety misy ny tsy fetezan-javatra fa na izany aza dia misaotra antsika tamin’ny fandraisana anjara nanefa ny adidiny. Be ny olona tokony hifidy ny kandida laharana faha-25 tsy tafiditra tao anaty lisitra. Miantso ny vahoaka hiaro ny safidiny fa tsy hanaiky hanaovana jiolahimboto sy lohamboto. » (sary : 2)

Nanangona : J. Mirija

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana