Dans la mme rubrique

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy

18/01/2019

Hotontosaina anio eny amin’ny Lapam-panjakana eny Iavoloha ny fifamindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha nambaran’ny HCC fa lany hitantana ny firenena ao anatin’ny 5 taona dia i Andry Rajoelina.

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy

Hamaky ny tohiny...

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”

18/01/2019

Tanterahana anio ny famindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha sy ny filoha vaovao ary rahampitso faha 19 janoary no hatao eny Mahamasina no fotoana hanatanterahan’ny filoham-pirenena vaovao ny fianianany.

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Mihena sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy

18/01/2019

Tsy vita akory ny fianianana sy fandraisan’Atoa Andry Nirina Rajoelina ny toerana maha filoham-pirenena voafidim-bahoaka araka ny voalazan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, dia tsikaritra fa mihena ny taham-pankafizan’ny olona azy.

Andry Rajoelina Mihena sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sy fiainam-pirenena Izay tompon’ny vola no mibaiko

18/01/2019

Maro ny lalana nodiavn’ny firenena, raha tsy hitanisa afa tsy ny nanomboka ny 2009-2010.

Fifidianana sy fiainam-pirenena Izay tompon’ny vola no mibaiko

Hamaky ny tohiny...

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR

17/01/2019

Mafana ny adivarotra sy ny don-tandroka eny amin’ny Antenimieram-pirenena amin’ny fanendrena praiminisitra. Mbola i Ntsay Christian ve sa i Fienena Richard ?

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR

Hamaky ny tohiny...

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »

17/01/2019

Mbola maro ny asa miandry ny komitin’ny fampihavanana Malagasy ao anatin’ny 4 taona, hoy ny filoha lefitry ny CFM, Gerard Ramamimampionona.

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »

Hamaky ny tohiny...

Politika, toekarena, sosialy Mikorontana izao tontolo izao

17/01/2019

Notsipahan’ny parlemanta ilay fifanarahana momba ny fisintahan’i Grande Bretagne amin’ny vondrona eoropeanina.

Politika, toekarena, sosialy Mikorontana izao tontolo izao

Hamaky ny tohiny...


Politique

Kandida nampiasa volabe Hosarontsaronana ny raharaha…

15/11/2018

Voafatotry ny fisorohana ny rotaka politika ny fampiharan-dalàna eto Madagasikara, raha jerena amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana.

 Sarontsaronana amina kazarana didy miendrika fandaminana ny fampiharan-dalàna eto, izay mety hisy lafy tsarany fa mety ho leson-dratsy ihany koa, raha tarafina amin’ny fitsarana ara-politika teto Madagasikara tato anatin’ny taona vitsivitsy. Tsaroana tsara ny zava-nisy tany amin’ny jolay 2015 nisian’ilay fitsipaham-pitokisana ny filoha nataon’ny antenimieram-pirenena saingy, narovan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC  tamin’ny alalan’ny “pacte des résponsabilités” ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Nitohy indray izany taty amin’ny taona 2018 ary raha ny lalàna no nampiharina an-tsakany sy an-davany efa niongana indray ny filoha ny volana aprily satria tsy nahafeno ny fepetra voafaritry ny lalàmpanorenana toy ny tsy nanangana ny fitsarana ambony na ny HCJ tamin’izany, izay azo hanesorana azy tamin’ny toerany, saingy ny governemanta no noravana. Raha vantanina ny resaka, tsy mihatra ara-bakiteny ny sazy mifandraika amin’ny mety ho fandikan-dalàna noho ny mety ho fijerena mason-tsivana ara-politika maro.  Hiverenana ny zava-misy ara-politika mifandraika amin’ny fifidianana amin’izao fotoana izao. Nisy ny kandida voalaza fa nampiasa volabe tamin’ny fifidianana, ary ny mpanara-mason’ny sehatra iraisam-pirenena no efa nanao ny tatitra, ka isan’ny notononiny ny kandida Andry Rajoelina izay anisan’ny mahazo isam-bato ambony amin’izao. Mandeha ihany koa ny fitoriana ataon’ireo kandida filoha sasany momba izany. Ny andininy faha-233 amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka dia milaza fa mandoa onitra avo roa heny amin’ny noraisina na nomena, tsy afaka misitraka ny zony ary tsy afaka hanao asam-panjakana, voarara tsy afaka misitraka ny asa maha olom-boafidy mandritra ny 5 ka hatramin’ny 10 taona. Raha ny lalàna izany no hampiharina dia mety horoahana tsy ho kandida avy hatrany izay nanao izany, ary tsy hisaina akory ny vato azony. Ho sahy hanao izany ve ny HCC na ny fahefam-panjakana hafa afaka mandray fanapahan-kevitra ? Sarotsarotra inoana na dia ny resaka fisorohana ny fananganam-bovona ataon’ny mpanao politika aza. Rahoviana izany vao tena hihatra ny lalàna ? Ho vitavita ho azy foana ve ny fandikan-dalàna ara-politika ary hanjaka hatrany ny tsimatimanota ?

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana