Dans la mme rubrique

Miverina indray ny taloha !

18/01/2019

Hanana fahefana feno manomboka anio ireo mpitondra nanana ny tantarany tsy dia tsara tamin’ny firenena tany amin’ny 10 taona lasa.

Miverina indray ny taloha !

Hamaky ny tohiny...

Mila fisokafana !

17/01/2019

« Izao tontolo izao dia masoko sy sofiko avokoa », hoy ny Ombalahibemaso na ny mpanjaka Andrianampoinimerina.

Mila fisokafana !

Hamaky ny tohiny...

Aleo handeha hotazanina e !

16/01/2019

Maro izay fampanantenana natao izay. Tsy vitsy izay fampanofinofisana nakana ny fon’ny vahoaka izay.

Aleo handeha hotazanina e !

Hamaky ny tohiny...

Na samy resy na samy handresy !

15/01/2019

“Tsy resy akory ny resy raha noresen’ny mpampandresy fa ny tena mpandresy dia izay mahay resy raha toa ka tena resy”, hoy ilay mpandinika raharaham-pirenena iray izay.

Na samy resy na samy handresy !

Hamaky ny tohiny...

An-tsisin-tosy …

14/01/2019

Miteraka adihevitra goavana ho an’ny mpanara-baovao sy any anaty tambajotram-pifandraisana ara-tsosialy amin’izao ny momba ilay fianianan’ny filoha tsy hisy fotoam-pivavahana, tsy hisy fampiasana baiboly.

An-tsisin-tosy …

Hamaky ny tohiny...

Miandry fahagagana

12/01/2019

fito andro katroka sisa dia handray ny fahefany amin’ny fomba manetriketrika ny filoham-pirenena vaovao.

Miandry fahagagana

Hamaky ny tohiny...

Alahelom-bahoaka no ilafihana !

11/01/2019

Fa inona ihany no tiana hahatongavana eto amin’ity firenena ity e ? Efa nanaiky sy nilefitra ny kandida an-kilany tamin’ny fifidianana, ary efa nitsodrano ilay ambara fa lany na azo iadian-kevitra aza ny fahalaniana.

Alahelom-bahoaka no ilafihana !

Hamaky ny tohiny...


Edito

Edito Tantara indray miseho

15/11/2018

Nalaza ho be sinema efa hatramin’izay Isika malagasy. Ireo mpisehatra politika vaventy eto Madagasikara no tena havanana indrindra amin’izany.

 Mety efa nisy mpilalao sarimihetsika ihany angamba tany aloha fa tsy dia tena matihanina loatra ka tsy tena hita niharihary toy ny ankehitriny ny zava-bitany. Nanomboka ny taona 2009 no ho nankaty kosa dia indramina kely ny voambolan’ny filoha lefitry ny CENI izay entina hilazana azy hoe « manomboka efa zatra ». Efa nisy an’izany baomba tsy nipoaka izany teto, andro maro nifanesy ary na ry zareo be kintana aza niaiky mihitsy hoe mba andefaso ny manampahaizanareo ho aty aminay izahay fa haingam-piasa ny tekinisianina malagasy. Mandrak’ankehitriny io kilalao kibaombabaomba io dia mbola mahavita manakorontana saim-bahoaka foana kanefa matetika tsy nisy nirefotra fa nitsefotra fotsiny ny ankavitsiany. Ny mahagaga dia tamin’ny fotoana tokony ho naha mailo indrindra sy nilana ireny tena matihanina ireny, toy ny fianianan’ny filoham-pirenena sy fetim-pirenena 2013, ohatra, dia tsy voasoroka ny tena fipoahana. Tato aoriana moa dia ny tantara indray miseho indray no lasa lamaody. Misy tolona sendikaly miainga dia miara-manainga ny azy daholo. Ny mahagaga anefa dia miara-mijanona daholo ihany koa. Tsy mety tafajabaka ny tena mpandrehitra sy mpamono afo fa ireo izay tena mafana fo hatrany no voa mafy rehefa mifarana ny « horonantsary ». Tsy vitan’ny mahay milalao sarimihetsika isika fa mbola mahay mamarana izany amin’ny fomba hafakely hatrany ihany koa. Ny tena mpilalao fototra anefa tsy mba mikarama be toa an-dry zareo any Holliwood fa sady efa voa mafy no mbola manary ny an-tanana koa. Ireo mpanoratra sy mpanatontosa kosa dia matavy dia matavy. Iny izao omaly dia indray niseho indray ny tantara niainga teny Ankorondrano nizotra nankeny amin’ny CENI sy ny tantara nitranga teny amin’ny fitsarana ambony Anosy. Asa indray izay hiafaran’ity tantara ity sy izay mpilalao fototra ho lasibany.

J. Mirija

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana