Dans la męme rubrique

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy

18/01/2019

Hotontosaina anio eny amin’ny Lapam-panjakana eny Iavoloha ny fifamindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha nambaran’ny HCC fa lany hitantana ny firenena ao anatin’ny 5 taona dia i Andry Rajoelina.

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy

Hamaky ny tohiny...

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”

18/01/2019

Tanterahana anio ny famindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha sy ny filoha vaovao ary rahampitso faha 19 janoary no hatao eny Mahamasina no fotoana hanatanterahan’ny filoham-pirenena vaovao ny fianianany.

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Mihena sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy

18/01/2019

Tsy vita akory ny fianianana sy fandraisan’Atoa Andry Nirina Rajoelina ny toerana maha filoham-pirenena voafidim-bahoaka araka ny voalazan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, dia tsikaritra fa mihena ny taham-pankafizan’ny olona azy.

Andry Rajoelina Mihena sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sy fiainam-pirenena Izay tompon’ny vola no mibaiko

18/01/2019

Maro ny lalana nodiavn’ny firenena, raha tsy hitanisa afa tsy ny nanomboka ny 2009-2010.

Fifidianana sy fiainam-pirenena Izay tompon’ny vola no mibaiko

Hamaky ny tohiny...

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR

17/01/2019

Mafana ny adivarotra sy ny don-tandroka eny amin’ny Antenimieram-pirenena amin’ny fanendrena praiminisitra. Mbola i Ntsay Christian ve sa i Fienena Richard ?

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR

Hamaky ny tohiny...

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »

17/01/2019

Mbola maro ny asa miandry ny komitin’ny fampihavanana Malagasy ao anatin’ny 4 taona, hoy ny filoha lefitry ny CFM, Gerard Ramamimampionona.

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »

Hamaky ny tohiny...

Politika, toekarena, sosialy Mikorontana izao tontolo izao

17/01/2019

Notsipahan’ny parlemanta ilay fifanarahana momba ny fisintahan’i Grande Bretagne amin’ny vondrona eoropeanina.

Politika, toekarena, sosialy Mikorontana izao tontolo izao

Hamaky ny tohiny...


Politique

Boriborintany fahadimy Mitarika hatrany ny filoha Ravalomanana

15/11/2018

Manangasanga tokoa ny fandresena ho an`ny antoko Tiako I Madagasikara.

 

 

Manentana ny rehetra ho tony ny depioten`ny boriborintany fahadimy, Rasendramiadana Clarisse, sady nisaotra tamin`ireo mponina ao amin`ny boriborintany iadidiany. Azo antoka hoy izy fa lany ny kandidà Marc Ravalomanana fa mangataka kosa ity solombavambahoaka ity mba hiandry am-pitoniana sy am-pahendrena ny voka-pifidianana. Manao antso avo ny mponina kosa izy tsy hanaiky ny fafy lainga aelin`ny olona. Nohamafisiny fa mitarika ny kandidà Ravalomanana Marc. Noraisiny ohatra ny fokontany  Ambohidahy Ankadidramamy fa nahazo 62% ity filoham-pirenena teo aloha ity. Misy fetrany ny fahendrena sy fandeferana fa mbola mitohy ny tolona, hoy ny depiote, Rasendramiadana Clarisse, ka miantso ny rehetra mba hiaro ny safidiny. Nanao tatitra ny fampielezan-kevitra nataony tany Manjakadriana izay toerana niaviany ity depiote ity ka nilaza fa nisy hatrany ny fidinana ifotony isa-tokantrano. Nitety fokontany maro ny tenany ary nandresy lahatra ny vahoaka tany an-toerana. Tsikaritra fa mahatsiaro an`i Dada ny rehetra ary ny faritra Vakiniadiana no anisan`ny nahazo fanampiana tamin`ny fitondran`ny filoha Marc Ravalomanan toy ny ombivavy be ronono, hoy hatrany ny fanazavana.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana