Dans la mme rubrique

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy

18/01/2019

Hotontosaina anio eny amin’ny Lapam-panjakana eny Iavoloha ny fifamindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha nambaran’ny HCC fa lany hitantana ny firenena ao anatin’ny 5 taona dia i Andry Rajoelina.

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy

Hamaky ny tohiny...

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”

18/01/2019

Tanterahana anio ny famindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha sy ny filoha vaovao ary rahampitso faha 19 janoary no hatao eny Mahamasina no fotoana hanatanterahan’ny filoham-pirenena vaovao ny fianianany.

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Mihena sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy

18/01/2019

Tsy vita akory ny fianianana sy fandraisan’Atoa Andry Nirina Rajoelina ny toerana maha filoham-pirenena voafidim-bahoaka araka ny voalazan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, dia tsikaritra fa mihena ny taham-pankafizan’ny olona azy.

Andry Rajoelina Mihena sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sy fiainam-pirenena Izay tompon’ny vola no mibaiko

18/01/2019

Maro ny lalana nodiavn’ny firenena, raha tsy hitanisa afa tsy ny nanomboka ny 2009-2010.

Fifidianana sy fiainam-pirenena Izay tompon’ny vola no mibaiko

Hamaky ny tohiny...

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR

17/01/2019

Mafana ny adivarotra sy ny don-tandroka eny amin’ny Antenimieram-pirenena amin’ny fanendrena praiminisitra. Mbola i Ntsay Christian ve sa i Fienena Richard ?

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR

Hamaky ny tohiny...

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »

17/01/2019

Mbola maro ny asa miandry ny komitin’ny fampihavanana Malagasy ao anatin’ny 4 taona, hoy ny filoha lefitry ny CFM, Gerard Ramamimampionona.

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »

Hamaky ny tohiny...

Politika, toekarena, sosialy Mikorontana izao tontolo izao

17/01/2019

Notsipahan’ny parlemanta ilay fifanarahana momba ny fisintahan’i Grande Bretagne amin’ny vondrona eoropeanina.

Politika, toekarena, sosialy Mikorontana izao tontolo izao

Hamaky ny tohiny...


Politique

1er tour tsy vita Rajoelina sy Ravalomanana no hifampitady…

15/11/2018

Mitarazoka hatrany ny famoahana voka-pifidianana eo anivon`ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana (CENI). Raha ny vaovao farany azo teo amin`ny voka-pifidianana dia elanelana kely no misy eo amin`ny kandidà mitondra ny laharana 13 sy 25 fa ny antoko HVM kosa dia miakatra hatrany.

 

 

Ity voka-pifidianana ity dia eo amin`ny birao fandatsaham-bato 18 400 eo ho eo halina. Mbola miandry ny fikirakirana hatramin`ny farany ireo  antontan-taratasy P.V na fitanana an-tsoratra. Na dia izany, mivoatra ny raharaha ary tsy dia miova aloha ny fironana hatreto. Mivoatra arakaraka ny fahatongavan`ny voka-pifidianana any amin`ny faritra sy avy any lavitra izany. Etsy an-kilany, tsy mitsahatra ny famakiana bantsilana ny lesoka rehetra teo amin`ny fifidianana fihodinana voalohany iny saingy tsikaritra fa tsy dia mihoa-pefy loatra ny filazana ny lesoka. Efa manomana hatrany ireo kandidà sasany amin`ny fanomanana ny fametrahana ny fitoriana eo amin`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) izay efa voafaritry ny lalàna rahateo toa an-dRavalomanana sy Rajaonarimampianina izay milaza fa hitory eo anivon`ny HCC. Miandry ny rehetra saingy mailo, indrindra manoloana ny zava-misy. Amin`ny ankapobeny, manana sivy andro aorian`ny 20 novambra ny HCC handinihana sy hamoahana ny voka-pifidianana ofisialy. Etsy an-daniny, mbola manana dimy andro koa ireo kandidà hametrahana fitoriana sy fitarainana raha tsy manaiky ny voka-pifidianana ofisialy izany. Tokony hanomboka ny 4 desambra ny propagandy amin’ny fihodinana faharoa amin`ny fifidianana filoham-pirenena ka hotanterahina ny 19 desambra kosa ny latsa-bato amin`izany. Mbola mirona eo anivon`ny CENI sy mahatoky ity rafi-panjakana ity ny rehetra eo amin`ny famoahana izay voka-pifidianana izay. Efa nihoarana ny adihevitra amin`ny “1er tour dia vita” ka mifantoka amin`ny fanatanterahana ny fihodinana faharoa amin`izao no tokony himasoana. Miandry kosa ny fanamafisana izany amin`ny 20 novambra hamoahana ny voka pifidianana vonjimaika ny rehetra, sangy efa mazava izao fa i Rajoelina sy Ravalomanana no kandida roa hofaninana amin’ny fihodinana faharoa ary azo antoka fa hafana dia hafana ny fampielezan-kevitra sy ny adihevitra hifanatrehan’ny roa tonta ao amin’ny haino amanjerim-panjakana.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana