Dans la mme rubrique

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy

18/01/2019

Hotontosaina anio eny amin’ny Lapam-panjakana eny Iavoloha ny fifamindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha nambaran’ny HCC fa lany hitantana ny firenena ao anatin’ny 5 taona dia i Andry Rajoelina.

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy

Hamaky ny tohiny...

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”

18/01/2019

Tanterahana anio ny famindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha sy ny filoha vaovao ary rahampitso faha 19 janoary no hatao eny Mahamasina no fotoana hanatanterahan’ny filoham-pirenena vaovao ny fianianany.

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Mihena sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy

18/01/2019

Tsy vita akory ny fianianana sy fandraisan’Atoa Andry Nirina Rajoelina ny toerana maha filoham-pirenena voafidim-bahoaka araka ny voalazan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, dia tsikaritra fa mihena ny taham-pankafizan’ny olona azy.

Andry Rajoelina Mihena sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sy fiainam-pirenena Izay tompon’ny vola no mibaiko

18/01/2019

Maro ny lalana nodiavn’ny firenena, raha tsy hitanisa afa tsy ny nanomboka ny 2009-2010.

Fifidianana sy fiainam-pirenena Izay tompon’ny vola no mibaiko

Hamaky ny tohiny...

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR

17/01/2019

Mafana ny adivarotra sy ny don-tandroka eny amin’ny Antenimieram-pirenena amin’ny fanendrena praiminisitra. Mbola i Ntsay Christian ve sa i Fienena Richard ?

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR

Hamaky ny tohiny...

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »

17/01/2019

Mbola maro ny asa miandry ny komitin’ny fampihavanana Malagasy ao anatin’ny 4 taona, hoy ny filoha lefitry ny CFM, Gerard Ramamimampionona.

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »

Hamaky ny tohiny...

Politika, toekarena, sosialy Mikorontana izao tontolo izao

17/01/2019

Notsipahan’ny parlemanta ilay fifanarahana momba ny fisintahan’i Grande Bretagne amin’ny vondrona eoropeanina.

Politika, toekarena, sosialy Mikorontana izao tontolo izao

Hamaky ny tohiny...


Politique

Rafolisisoa UNMDH Nilamina ny fifidianana tamin’ny ankapobeny

12/11/2018

Naneho ny heviny mikasika ny fahitany ny fifidianana filoham-pirenena notontosaina teto amintsika ny 7 novambra lasa teo iny Ramatoa Rafolisisoa, filohan’ny fikambanana miaro ny

 

 

 

 

zon’olombelona sady mpanara-maso ny fifidianana teto an-toerana ihany koa. Nambarany fa nilamina ny fizotry ny fifidianana tamin’ny ankapobeny. Tsy nisy ny olana goavana be nitranga fa saika ireo olana madinidinika ihany no niverimberina, hoy izy. Anisan’ny notsiahiviny manokana  ny fisian’ireo olona efa maty nefa mbola voasoratra tao anaty lisi-pifidianana ihany, ireo olona efa tsy mipetraka tamina fokontany iray intsony fa nifindra monina nefa mbola voaisa ho mponina tao amin’ilay tanàna efa nialany ihany … Nomarihiny anefa fa tsy andraikitry ny CENI irery ireny. Efa nomena fotoana isika, hoy izy nandehanana nanamarina ny anarantsika tao anatin’ny lisi-pifidianana izay nalefa teny anivon’ny fokontany saingy betsaka ireo tsy nanao. Teo an-danin’izay dia mety tsy nahavita ny asany araka ny tokony ho izy ihany koa ny fiarahamonim-pirenena toa azy ireo nanentana ny vahoaka. Miantso ny rehetra mba tsy hifanome tsiny intsony, araka izany, Ramatoa Rafolisisoa. Ny tombontsoa ambonin’ny firenena ho azy no tokony hobanjinina hananan’ny vahoaka Malagasy filaminana sy fitonian-tsaina.

 Pati

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana