Dans la même rubrique

Taratasin’I Jean Oui mse!!

14/01/2019

Inona moa izany ry Jean fa dia mbola hitohy lava be indray ny Oui mse koa ! Ary tena miha mahery vaika ilay izy a ! Mbola ho zakanao ihany ve ?

Taratasin’I Jean Oui mse!!

Hamaky ny tohiny...

Mifandrombaka sahady

12/01/2019

Taitra be aho ry Jean nahita ilay filaharana kodiarana maromaro mitovy loha teo am-piasanao omaly iny an ! Tonga ny tramway, hoy aho.

Mifandrombaka sahady

Hamaky ny tohiny...

Eny ary koa !

09/01/2019

Eny ary ry Jean fa dia arahabaina ianareo koa ! Lany tao anaty mangarahara be sy fikarakarana tsy nisy tomika, hono, ianareo ka dia arahabaina ee !

Eny ary koa !

Hamaky ny tohiny...

Mamay be io aa…

07/01/2019

Hay dia efa nanomboka ny arôzazy ianareo ry jean kely a.Mazava ny resaka fa dia tena efa azonareo antoka fa matinareo ny baolina.

Mamay be io aa…

Hamaky ny tohiny...

NY MARINA NO AMPANDRESENA

05/01/2019

Matahotra ve ny mpitsara Ny hamoaka ny vokatra marina , Ka dia kandidàn`ny mapara No amboarina fa hoe hakarina ?

NY MARINA NO AMPANDRESENA

Hamaky ny tohiny...

Hafatra ho anareo

04/01/2019

Jiolahy no tiana hakarina Mba handidy sy hanjaka, Ka totofana ny marina Dia tsy avela hahazo laka ?

Hafatra ho anareo

Hamaky ny tohiny...

AHINTSANO NY MPANGALA-BATO

03/01/2019

Mila ahintsana tanteraka ny olona mpangala-bato, Manome modely ratsy ka dia tokony haato. Tsy olo-mendrika hitondra fa mpividy fahefana, Sady efa ratsy laza fa mpanongam-panjakana.

AHINTSANO NY MPANGALA-BATO

Hamaky ny tohiny...


Taratasy hoan'i jean

Ireny olona ireny !

09/11/2018

Miarahaba anao aho ry Jean ! Tanana zatra mitsotra tokoa angaha ka sarotra avokona e !

 

Tena mbola mahatsiaro aho e ! Tadidiko ireny olona ireny. Ireny ihany anie ilay nampandany an’ity dinam-piarahamonintsika ity tamin’ny alalan’ny karatra vinany ee ! Ireny olona ireny ihany koa ilay nampanantena lamasinina haingam-pandeha tsy azo hatramin’izao tany aloha tany. Tsy hataoko lava ny resako fa aleo koa aloha tsy mbola mamoha fotamandry. Ny tiako ambara aminao fotsiny dia mbola hitako mitombina hatramin’izao ilay hoe sarotra ny miala amin’ny mahazatra. Dia eto foana izany isika koa ! Atao ahoana moa ? Dia hifampitsetsetra eto indray izany ee ! Hifampifendrofendro eto fa samy nanaiky ho lembenana. Izay aloha fa rahampitso indray raha mbola hanankina ny hoavinao amin’ireny olona ireny ianao ee !

Marco

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana