Dans la mme rubrique

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

15/01/2019

Ny sabotsy takariva dia nihaona manokana i Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, saingy tsy nisy nipika ny resaka. Mandeha ny fanangonan-tsonia amin’izao eny amin’ny antenimieram-pirenena amin’ny mbola hamerenana an’Atoa Ntsay Christian ho praiminisitra.

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

Hamaky ny tohiny...

Rajoelina sy ny IEM Hisedra olana goavana ara-bola…

15/01/2019

Tsy maniry ratsy ho an’ny fitondram-panjakana vaovao hotarihin’i Andry Rajoelina sy ny firenena fa sarotsarotra ny zavatra miandry ny mpitondra.

Rajoelina sy ny IEM Hisedra olana goavana ara-bola…

Hamaky ny tohiny...

Fitadiavan-tseza sy fahefana Raikitra ny resa-poko sy fiaviana

15/01/2019

Fomba fanao amin’ny fitadiavan-tseza sy fahefana ary toerana ao anaty fanjakana ny resa-poko sy fiaviana.

Fitadiavan-tseza sy fahefana Raikitra ny resa-poko sy fiaviana

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny firenena Sarotra ny mitondra ny Malagasy

15/01/2019

Goavana ny asa miandry ny filoham-pirenena vaovao. Fanamby sy velirano ao anatin’ny fandaharan’asa ny filoham-pirenena vaovao ny hanatsarana ny sosialim-bahoaka ao anatin’ny dimy taona.

Fitantanana ny firenena Sarotra ny mitondra ny Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Vinan’i Andry Rajoelina Tokony hifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka, hoy ny ABA

15/01/2019

Mitohivakana ny fanehoan-kevitra mikasika ny fahazoan’ny malagasy filoham-pirenena vaovao, Andry Rajoelina. Naneho ny heviny manoloana izany ny filohan’ny Antokom-Bahoaka malagasy (ABA), Dany Rakotoson.

Vinan’i Andry Rajoelina Tokony hifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka, hoy ny ABA

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Maro ny adidy mbola miandry azy

15/01/2019

Niomana fatratra ny hitondra firenena i Marc Ravalomanana, ary nipetrapetraka ny programam-pampandrosoana, kanefa ireny no voka-pifidianana izay niteraka adihevitra saingy naneho fahendrena izy.

Marc Ravalomanana Maro ny adidy mbola miandry azy

Hamaky ny tohiny...

Arlette Ramaroson « Manana ny heviny Andriamanitra. »

15/01/2019

Tsy matin’ny malagasy maro lolo hatramin’izao ny anton’ilay fianianana tsy misy vavaka sy baiboly etsy Mahamasina amin’ny sabotsy.

Arlette Ramaroson « Manana ny heviny Andriamanitra. »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Mampitandrina ny KMMR Misy fetrany ny fandeferana

09/11/2018

Nanao fanambarana ny teo anivon’ny KMMR na ny Komity Mpanohana an’i Marc Ravalomanana, tamin’ny alalan’ny Talen’ny Fampielezan-kevitra Tsehenoarisoa Rabenja omaly noho ny fanambarana hafahafa ataon’ny kandida milaza tena sy mitonon-tena ho mpandresy.

 

 

 

 Zavatra telo lehibe no nambarany, dia ny raharaham-pifidianana filoha, ka nilazany fa tsy raharahana jiolahim-boto ny raharaham-pifidianana filoha. Izahay nandritra iny tontolo andro iny dia niatrika fomba hafahafa, fomba fiasa sy fomba fandresen-dahatra olona hafahafa, hoy izy. Vata fandatsaham-bato feno tany Marovoay, vata angalarina olona manao fanamiana miaramila kanefa tsy miaramila tao Sabotsy Namehana. Misy andiana tompon’andraikitra miaraka amin’ny “badge” an’ny CENI miaraka amin’ny tompon’andraikitra ara-panjakana mihaodihaody eran’ny tanàna mandresy lahatra ny olona hoe aza mandeha mifidy. Tena tsy maotina ny fomba ohatr’izany, hoy ny Filohan’ny KMMR, ary dia teneninay fa manakaiky ny toetran’ny olona tsy mendrika ny hitantana fanjakana. Ny fahatelo, dia ny KMMR izay manohana ny kandida Marc Ravalomanana dia manana ny fomba maoderina rehetra hahafahana milaza ny voka-pifidianana amin’ny fotoana ilana azy. Ankehitriny izahay dia milaza fa manana ny 70%-n’ny voka-pifidianana efa eto aminay ary manana angidim-by izahay hanangonana ny fitanana an-tsoratra, ka ny foibe dia manana ny fitaovana rehetra ara-elektronika mba hahafahana manao ny voka-pifidianana, kanefa dia hajainay ny lalàna ary milaza izahay fa ny CENI no  napetraky ny lalàna hamoaka ny voka-pifidianana, dia antintranterinay fa ny governemanta sy ny CENI, dia tokony haka fepetra faran’izay henjana amin’ny fanasaziana  ny kandida izay mandika lalàna toy io satria efa betsaka loatra izay fandeferana nataon’ny kandida Marc Ravalomanana izay. Lisitra tsy manjary, ny anaran’ny mpitolona tao aminay nesorina tao anaty lisitra, araka ny baiko izay nomena tany amin’ny ambaratongam-pahefana rehetra tany. Ny tanora 18 taona izay noraisina ho toy ny andian-jiolahy ka tsy mahazo mifidy satria ny CENI sy ny governemanta tsy nametraka ny fotoana hifidianana ny filoham-pirenena satria tsy tafiditra tao anaty fanavaozana ny lisi-pifidianana. Aoka isika mba hahatsiaro fa io fandeferana io misy fetrany ihany ny fahazoana manery ny olona hanao izany, ka ankehitriny izahay dia miteny hentitra amintsika rehetra fa ny vahoaka Malagasy dia tsy manaiky intsony ny tsy mety sy tsy mendrika toy izao atao eo anatrehan’ny fanatanterahana fifidianana izao.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana