Dans la mme rubrique

depiote TIM Mivonona amin’izay hiseho

16/11/2018

Manoloana ny zava-misy mitranga eto amin’ny firenena izay mifandraika amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena teo dia

depiote TIM Mivonona amin’izay hiseho

Hamaky ny tohiny...

Gerard Ramamimampionona - CFM « Ny omby miasa tsy maintsy misy mikapoka »

16/11/2018

Anisan’ireo sampandraharaha iharana tsikera koa ankehitriny ny avy eo anivon’ny komitin’ny fampihavanana malagasy na CFM manoloana ny tsy fetezan-java-mitranga eto amin’ny firenena, dia ny fifidianana.

Gerard Ramamimampionona - CFM « Ny omby miasa tsy maintsy misy mikapoka »

Hamaky ny tohiny...

Kandida nampiasa volabe Hosarontsaronana ny raharaha…

16/11/2018

Voafatotry ny fisorohana ny rotaka politika ny fampiharan-dalàna eto Madagasikara, raha jerena amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana. Sarontsaronana amina kazarana didy miendrika fandaminana ny fampiharan-dalàna eto,

Kandida nampiasa volabe Hosarontsaronana ny raharaha…

Hamaky ny tohiny...

Valim-pifidianana Hivoaka amin’ny faran’ny herinandro

16/11/2018

Raha ny vokatra voaray omaly alakamisy 15 novambra tamin’ny 5 ora hariva mahery 5 minitra, dia birao fandatsaham-bato 21201 / 24852 no namoahan’ny CENI voka-pifidianana, izay manome ny 85.31% amin’ny birao fandatsaham-bato.

Valim-pifidianana Hivoaka amin’ny faran’ny herinandro

Hamaky ny tohiny...

Fitakiana fanafoanana fifidianana Noraisin’ny CENI

16/11/2018

Tonga nanatitra ny taratasy fitakian’izy ireo ny hanafoanana ny fifidianana izay nitranga ny 7 novambra teo tetsy amin’ny CENI Alarobia omaly ireo hery politika isan-karazany toy ny firaisankinan’ireo kandida sy fikambanana politika maro sy ireo mpanaradia azy.

Fitakiana fanafoanana fifidianana Noraisin’ny CENI

Hamaky ny tohiny...

Fanakorontanana ny fifidianana Misy paikady avo lenta ao ambadika ?

16/11/2018

Mahalasa saina tanteraka ny zava-nitranga rehetra tao anatin’izao fotoam-pifidianana izao na ny nialoha na ny nandritra ary ny ankehitriny.

Fanakorontanana ny fifidianana Misy paikady avo lenta ao ambadika ?

Hamaky ny tohiny...

Ravalomanana sy Rajoelina Fihodianana faharoa hampangitakitaka

16/11/2018

Hifampitady any anaty fifidianana filoha fihodinana faharoa i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, 9 taona aty aorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009, rehefa tratry ny “ni…ni…” tamin’ny taona 2013.

Ravalomanana sy Rajoelina Fihodianana faharoa hampangitakitaka

Hamaky ny tohiny...


Politique

Faritanin’Antsiranana Delegen’ny kandida miisa 5 ihany no hita tamin’ireo biraom-pifidianana

08/11/2018

Fohy loatra ny fotoana nahafahana nanomana ary nanahirana rahateo ny arofenitra nasaina narahina mikasika ny fametrahana ireo solontenan’ny kandida isak’ireo biraom-pifidianana isam-paritra.

 Izay amin’ny ankapobeny no azo handravonana ny fitarainan’ireo kandida momba izay resaka fametrahana solontenana kandida isaky ny biraom-pifidianana izay. Isan’ny nampametra-panontaniana mpanaradia kandida iray moa ny hoe ahoana no ahafahana mitantana ny fomba fametrahana ireo delege raha toa ka ny sabotsy teo no tsy maintsy namaranana ny fanaterana izany isak’ireo biraom-pifidianana? Amin’ny ankapobeny moa dia miisa eo amin’ny 288 eo ireo delege isaky ny boriboritany, raha ho an’Antananarivo, raha ny fampatsiahivana natao farany. Efa nahabe tsikera ireo mpikirakira vaovao io toe-javatra izay nahazoana antoka fa hitranga io fony mbola nampimenomenona ny olona ny fahitana kandida ho filoham-pirenena diso be loatra. Delegena kandida ho filoham-pirenena miisa 5 amin’ireo 36 ihany moa no hita tamin’ireo biraom-pifidianana tao amin’ny faritanin’Antsiranana, raha ny fampitam-baovao iray avy any an-toerana. Tranga azo lazaina ho efa nampoizina fa hanerana biraom-pifidianana maromaro ihany anefa ny toy ity fa tsy ho an’Antsiranana ihany.

J. Mirija

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana