Dans la mme rubrique

VOTSOTRA I RIAZ HASSIM

16/11/2018

Votsotra halina i Riaz Hassim, tale jeneralin'ny orinasa Makiplast. Herinandro izany no nitazonan'ireo olon-dratsy azy ary tsy fantatra kosa ny vola izay naloa hatreto.

VOTSOTRA I RIAZ HASSIM

Hamaky ny tohiny...

Fitaterana

16/11/2018

Efa diso tafahoatra ny fahasahian’ireo mpitatitra taksibe maniratsira mpanjifa.

Fitaterana

Hamaky ny tohiny...

MPANAO GAZETY NOVONOIN’NY DAHALO

15/11/2018

Fidèle Jules, mpanao gazety iray eo anivon’ny Radio Mampita (FM 94 ao Fianarantsoa) no maty novonoin’ny dahalo.

MPANAO GAZETY NOVONOIN’NY DAHALO

Hamaky ny tohiny...

Faniry Ernaivo

15/11/2018

Nolavin’ny filankevi-panjakana ny fampiatoana ny sazin’ny filohan’ny sendikan’ny mpitsara malagasy, Faniry Ernaivo.

Faniry Ernaivo

Hamaky ny tohiny...

MPIZAHATANY SINOA

14/11/2018

Mpizahatany sinoa 50 000 no ho avy aty Madagasikara amin'ny 2019 raha ny fampanantenana nomen'ny governemanta sinoa amin'ny minisitry ny fizahantany malagasy.

MPIZAHATANY SINOA

Hamaky ny tohiny...

MIASA NY ZANDARY

13/11/2018

Nampiana isa ireo zandary izay mitady ireo mpaka an-keriny ilay zazavavikely karàna teny amin’ny RN4.

MIASA NY ZANDARY

Hamaky ny tohiny...

Fanatanjahantena

13/11/2018

Andrasana anio ny fahatongana voalohan’ireo mpilalaon’ny Barean’i Madagasikara mila ravinahitra any ampitan-dranomasina hiatrika ny fihaonana amin’i Soudan etsy Vontovorona ny alahady izao.

Fanatanjahantena

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

Mpanakorontana fifidianana Migadra 2 hatramin’ny 5 taona

08/11/2018

Mateti-piavy niditra tamin’ny antso an-taroby tamin’ireo haino aman-jery isan-karazany iny omaly iny ny avy eo anivon’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI.

 

 

 

 

 

 Maro ireo tranga nampiahiahy nitranga nandritr’iny fotoam-pifidianana iny ary dia niezaka nanome toromarika hatrany moa ny filoha lefitr’ity vaomiera ity, Thierry Rakotonarivo. Isan’ny fitarainana nandeha tamin’ireo fitaovan-tserasera sy tambazotra sosialy, ohatra, ny resaka fisiana biraom-pifidianana nitrangana fandrovitana mpifidy tsy natohitra fientanam-po ka nihoa-pefy nandrovitra ny lisitry ny mpifidy ka niteraka korontana tamina birao iray teto Antananarivo. Manoloana izany moa dia nampatsiahy ity filoha ity fa mahavoasazy ary mety hampigadra 2 hatramin’ny 5 taona ny fihetsika toy izany. Isan’ny nampatsiahiviny ihany koa fa tsy azo atao ny mbola manao tombana na “sondage” mandritra ny fotoam-pifidianana. Mbola re moa fa nisy nanao izany omaly. Isan’ny nampiahiahy ihany koa ny fisiana vata-fandatsaham-bato nadiva ho feno vao maraina ary nanome toromarika moa ny tenany fa rehefa feno ny vata iray dia soloina avy hatrany fa akisaka kosa ny efa feno. Nampiahiahy ny mpanara-baovao, ohatra, ny fahenoana fa efa nahatratra 85% sahady ny tahan’ny mpifidy tao Toliara kanefa tsy dila akory ny mitatao vovonana. Toy izany koa ny fokontany 1 tao Ampefy izay efa heno fa 98% sahady ny taham_pahavitrihana. Afaka 11 andro moa raha ny efa voambara no vinaniana hivoaka ny voka-pifidianana mbola tsy ofisialy.

J. Mirija

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana