Dans la męme rubrique

depiote TIM Mivonona amin’izay hiseho

16/11/2018

Manoloana ny zava-misy mitranga eto amin’ny firenena izay mifandraika amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena teo dia

depiote TIM Mivonona amin’izay hiseho

Hamaky ny tohiny...

Gerard Ramamimampionona - CFM « Ny omby miasa tsy maintsy misy mikapoka »

16/11/2018

Anisan’ireo sampandraharaha iharana tsikera koa ankehitriny ny avy eo anivon’ny komitin’ny fampihavanana malagasy na CFM manoloana ny tsy fetezan-java-mitranga eto amin’ny firenena, dia ny fifidianana.

Gerard Ramamimampionona - CFM « Ny omby miasa tsy maintsy misy mikapoka »

Hamaky ny tohiny...

Kandida nampiasa volabe Hosarontsaronana ny raharaha…

16/11/2018

Voafatotry ny fisorohana ny rotaka politika ny fampiharan-dalàna eto Madagasikara, raha jerena amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana. Sarontsaronana amina kazarana didy miendrika fandaminana ny fampiharan-dalàna eto,

Kandida nampiasa volabe Hosarontsaronana ny raharaha…

Hamaky ny tohiny...

Valim-pifidianana Hivoaka amin’ny faran’ny herinandro

16/11/2018

Raha ny vokatra voaray omaly alakamisy 15 novambra tamin’ny 5 ora hariva mahery 5 minitra, dia birao fandatsaham-bato 21201 / 24852 no namoahan’ny CENI voka-pifidianana, izay manome ny 85.31% amin’ny birao fandatsaham-bato.

Valim-pifidianana Hivoaka amin’ny faran’ny herinandro

Hamaky ny tohiny...

Fitakiana fanafoanana fifidianana Noraisin’ny CENI

16/11/2018

Tonga nanatitra ny taratasy fitakian’izy ireo ny hanafoanana ny fifidianana izay nitranga ny 7 novambra teo tetsy amin’ny CENI Alarobia omaly ireo hery politika isan-karazany toy ny firaisankinan’ireo kandida sy fikambanana politika maro sy ireo mpanaradia azy.

Fitakiana fanafoanana fifidianana Noraisin’ny CENI

Hamaky ny tohiny...

Fanakorontanana ny fifidianana Misy paikady avo lenta ao ambadika ?

16/11/2018

Mahalasa saina tanteraka ny zava-nitranga rehetra tao anatin’izao fotoam-pifidianana izao na ny nialoha na ny nandritra ary ny ankehitriny.

Fanakorontanana ny fifidianana Misy paikady avo lenta ao ambadika ?

Hamaky ny tohiny...

Ravalomanana sy Rajoelina Fihodianana faharoa hampangitakitaka

16/11/2018

Hifampitady any anaty fifidianana filoha fihodinana faharoa i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, 9 taona aty aorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009, rehefa tratry ny “ni…ni…” tamin’ny taona 2013.

Ravalomanana sy Rajoelina Fihodianana faharoa hampangitakitaka

Hamaky ny tohiny...


Politique

Kolikolim-pifidianana tany Toliara Nisy voafitaka tamin`ny vola sandoka

08/11/2018

Vola 20 000 Ariary sandoka maro no niparitaka tao amin`ny Renivohitrin`ny faritanin`i Toliara nandritra ny androm-pifidianana omaly.

 

 

 

Raha ny loharanom-baovao voaray dia nisy andian`olona sasany no manao takalo vola sandoka amin`ny safidin`ny mpifidy ka nomena ireo vola sandoka ireo. Saika mitovy tsisy valaka amin`ny vola roa alina Ariary tena izy saingy tamin`ny alalan`ny lokony sy ny kalitaon`ny taratasim-bola no nahafantarana fa tsy izy ireo vola nividianana safidim-bahoaka izay.  Raha tsiahivina ny faran`ny volana Oktobra lasa teo no nahasarona volabe sandoka nitentina 616 600 000 Ariary amin`ny 10 000 Ariary teo aloha ny mpitandro filaminana izay saika haparitaka teto an-drenivohitra indrindra amin`izao fotoam-pifidianana izao. Efa harifomba ny fitaovana ampiasain`ireo olon-dratsy ka efa saika nanakaiky ny vola tena izy mihitsy ireo. Fotoam-pidianana rahateo isika ka mbola hita taratra hatrany ny kolikolim-pifidianana. Na dia eo aza ny fikasan`ny olon-dratsy hanao izany fomba maloto izany dia omena tsiny ihany koa ireo mpifidy izay saika hivarotra ny safidiny izay. Anatra ho an`ny sisa, aoka tsy ho variana amin`ny laza, harena, na ny vola zarazaraina fotsiny sy ireny tee-shirt ireny ny olom-pirenena rehefa fotoam-pifidianana satria adidy sy andraikitra ny mifidy ary anisan`ny tompon’andraiktra voalohany amin`ny fampandrosoana ny tsirairay.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana