Dans la męme rubrique

Antenimieram-pirenena Malagasy Fa inona marina, ahoana ny fiasany ?

19/04/2019

Andrim-panjakana iray anisan’ny hiankinan’ny fiainam-pirenen’ity nosy misy antsika ity ny Antenimieram-pirenena Malagasy amin’ny ankapobeny. Rariny raha mba hofantarintsika olom-pirenena tsy an-kanavaka amin’izao ankatoky ny fifidianana solombavambahoaka izao ny tantaran’ny Antenimieram-pirenena Malagasy sy ny asany ary ny fomba firafiny sy fomba fiasan’izay depiote ho lany ao ary ny tombontsoa maro samihafa mety ho azo ao. Hisy ihany karazana fanehoan-kevitr’ireo depiote nahavita taom-piasana maromaro nifandimby tao. Farany, hotsiahivintsika etoana ny anaran’ireo filoha nifandimby nitantana an’ity Antenimieram-pirenena Malagasy ity hatramin’ny niandohany ka hatramin’ny taona 2018 teo.

Antenimieram-pirenena Malagasy Fa inona marina, ahoana ny fiasany ?

Hamaky ny tohiny...

Efa tena tany miady i Madagasikara Nahetsika ny miaramila

18/04/2019

Ny polisy (an-tanàn-dehibe) sy ny zandary (any ambanivohitra) no mitandro ny filaminana sy ny fandriampahalemana raha ny mahazatra. Ankehitriny anefa nahetsika an-tanàn-dehibe ary nalefa amina distrika maro ny miaramila izay manda farany amin’ny fiarovana ny firenena. Tranga izay toa mampiseho fa efa tany miady i Madagasikara.

Efa tena tany miady i Madagasikara Nahetsika ny miaramila

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao Namaly bontana ireo te hanongana azy

18/04/2019

Maro no niandry sy nanongilan-tsofina nanaraka ny onjam-peon’ny Top Radio 102.8FM omaly na teto an-tanindrazana na hatrany ampitan-dRanomasina tamin’ny alalan’ny tranonkala https://www.radioking.com/radio/topradio-102-8?redirect nihaino ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao, ary filoha nasionalin’ny Antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM) teo aloha omaly. Anisan’ny antoko mbola tanora ny HVM ny taonany izay 5 taona izao, fa nandray anjara feno tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna, loholona, filoham-pirenena, ary manana ny paikadiny amin’izao fifidianana depiote izao.

Rivo Rakotovao Namaly bontana ireo te hanongana azy

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Misy manipy hoditr’akondro

17/04/2019

Tena nanome sary ratsy ary nanimba an’i Hery Rajaonarimampianina ireo olona nanodidina azy (namana, mpanolontsaina, minisitra, depiote, mpiasam-panjakana ambony,…). Telo volana nitantanana ny firenena ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina, fa toa efa tratran’io toe-javatra io sahady. Misy ireo akaiky azy tsikaritra fa efa manao fanararaotam-pahefana ary tena manambany olona, fa izy ireo izao no eo amin’ny fahefana. Vao nitondra herinandro vitsy dia toa efa nisy nisoloky hoe iraky ny filoha hanao hanao ny IEM.

Andry Rajoelina Misy manipy hoditr’akondro

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana solombavambahoaka Ahiana hihamafy ny hosoka sy hala-bato…

17/04/2019

Manodidina ny 200 000 ny anarana niverimberina efa nodiovina tao anatin’ny lisi-pifidianana taorian’ny fifidianana filoham-pirenena, raha ny nambaran’ny teo anivon’ny CENI. Mbola nisy an’io 200 000 izany tamin’ny fifidianana filoha, izany hoe lisi-pifidianana tsy araka ny tokony ho izy sy azo nanaovana hosoka tsara no nampiasaina. Ny fanalana ireo anarana niverina no ambara mazava ho azy fa tsy nampitombo betsaka firy ny fitomboan’ny isan’ny mpifidy zara raha nisy 0,83% taorian’ny fisokafan’ny lisitra ny volana desambra, izay nikatona vonjimaika tamin’ny 15 febroary, ary ny 15 mey izany hoe: 12 andro aorian’ny fifidianana solombavambahoaka.

Fifidianana solombavambahoaka Ahiana hihamafy ny hosoka sy hala-bato…

Hamaky ny tohiny...

SeFaFi “Solombavambahoaka, inona marina no ilana azy ?”

17/04/2019

Namoaka fanambarana ny Sehatra Fanaraha-Maso Ny Fiainam-Pirenena (SEFAFI) mahakasika ny anton`ny ilana solombavambahoaka. Amin’ny 27 mey ho avy izao, ny olom-pirenena dia hifidy depiote 151 amin’ny kandidà 803 samy hafa. Ny and. 68 ao amin’ny Lalàm-panorenana dia milaza fa « Ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona no mandrafitra ny Antenimiera. Izy no mandany ny lalàna sy manara-maso ny asan’ny governemanta ary ny fanaovana tombana ny politikam-panjakana ».

SeFaFi “Solombavambahoaka, inona marina no ilana azy ?”

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny firenena Be loatra ny kitoatoa !

16/04/2019

Matoa voasokajy ao anatin’ny firenena dimy mahantra indrindra eto ambonin’ny tany ny firenena dia misy zavatra tsy manjary ao, indrindra fa ny fomba fitantanana ny firenena. Mahantra ny 90% mahery amin’ny Malagasy, saingy tsy tokony hohararaotina amin’izany sy hatao tompon-trano mihono satria tsy an’ny mpitondra irery ity firenena ity. Sesilany ny kitoatoa sy ny kimaizimaizina ankehitriny.

Fitantanana ny firenena Be loatra ny kitoatoa !

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fizotry ny fifidianana Araho ny hevitr’ireo kandida

08/11/2018

MARC RAVALOMANANA: Teny Faravohitra no nanatanteraka ny adidy maha-olompirenena azy ny kandida Marc Ravalomanana mianakavy.

 

 

 Nilahatra toy ny olon-drehetra izy raha niditra ny biraompifidianana laharana faha-2 ao amin'ny Lycée Jules Ferry. Mbola nanentana ny mpiray tanindrazana rehetra ny tenany tamin’izany mba tsy hisalasala hanatanteraka izany adidy masina amin'ny Firenena izany. Tena fifaliana lehibe ho ahy ny nanatanteraka ny adidy ho an’ny firenena satria iarahatsika mahalala sy mahita tsara fa kihon-dalana lehibe ho an’ny firenentsika ity, ka dia faly aho, hoy izy. Ny fahitako azy nizotra tsara ary aleo raisina amin’ny endriny miabo (positif) mba tena hantenaintsika satria miandry daholo ny olona rehetra. Elaela izy izay tsy nanao fifidianana tahaka izao, dia tsy azo tonga dia haratsiana foana, ka maniry ny rehetra aho mba samy handray ny andraikitra, hoy ny nambarany.

ANDRY RAJOELINA: Andro lehibe eo amin’ny tantaran’ny firenena izao, hoy I Andry Rajoelina nandritra ny fandatsaham-bato nataony teny amin’ny Biraom-pifidianana teny amin’ny EPP Ambatobe. Andro iray nanehoan’ny olom-pirenena izay feno taona ny adidiny amin’ny maha olom-pirenena azy. Mba hahafahan’izy ireo misafidy ihany koa, ka mahatoky ny fahendren’ny Malagasy aho, satria andro iny nahafahana naneho ny safidy izay olona heverintsika hitantana ny firenana, hoy izy.

HERY RAJAONARIMAMPIANINA: Ny fahitako azy dia mizotra araka ny tokony ho izy ny fifidianana, hoy ny Kandida Hery Rajaonarimampianina nandritra ny fandatsaham-bato nataony teny Tsimbazaza.  Misy ihany ny pitsopitsony tokony harenina fa ny fahitako azy dia nizotra tsara, ary tena an-kafaliana no nahazahoako nanao ny adidiko amin’ny maha olom-pirenena ahy, ka nandatsa-bato, hoy izy. Azo heverina fa niverina tany amin’ny vahoaka ny fahefana, ka dia naneho izany izy ireo, raha ny nambaran-dRajaonarimampianina. Niantso fitoniana ihany koa izy ho an’ny andron’ny omaly satria ilaina izany ho an’ny fampandrosoana ny firenentsika, hoy hatrany I Hery Rajaonarimampianina.

DIDIER RATSIRAKA: Tokony nalamina ny zava-drehetra dia ny lisi-pifidianana, ny lalàm-pifidianana, ny lalàmpanorenana,… fa tsy teren’ny vahiny fotsiny isika dia tsy maintsy mifidy, hoy ny Amiraly Didier Ratsiraka izay nandatsa-bato teny Faravohitra. Raha ohatra misy tsy manaiky dia tsy hifankahitana eo indray korontana.  Ankasitrahako daholo izay vokatra eo, raha tsy hoe hita zavatra tena maizina, raha ny fanambarany. Raha ohatra mitombina izay noteneninay, hoy izy. Nahoana no 10 000 000 ny mpifidy nefa 13 000 000 ny bileta natonta? Fitantanana an-tsoratra (PV) 25 000 raha be indrindra dia ampy kanefa 200 000 no natonta. Hatao inona izany? Tsy mandry ny eritreritra. Tsisy hanaovana fitoriana satria makany amin’ny HCC ianao dia tsy anjaranay no valiny, ary torak’izany ihany koa ny any amin’ny Filankevi-panjakana, hoy ny amiraly Didier Ratsiraka.

FANIRISOA ERNAIVO: Amin’ny maha-olompirenena ahy dia tonga nanao adidy amin’ny fandatsaham-bato aho satria izany no adidy fototra eo amin’ny raharaham-pirenena, hoy ny kandida Fanirisoa Ernaivo teny Mahalavolona. Porofo ihany koa izao fa tsy manohitra ny fifidianana velively aho fa nitaky ny hisian’ny lalao madio. Hitantsika tsara angamba izao fa mihamaro ireo fitarainana miainga eny anivon’ny vahoaka noho tsy fahatomombanana tamin’ny fikarakarana ny fifidianana. Eto nefa aho dia miantso fitoniana satria betsaka no ho diso fanantenana amin’io fifidianana io, na izany aza dia tsy hanaiky lembenana isika amin’ny fiarovana ny safidim-bahoaka ary vonona hiatrika izany hatramin’ny farany. Ndao hatrehina am-pilaminana ny ady amin’ny fampanajana ny tena safidim-bahoaka, hoy izy.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana