Dans la mme rubrique

Antenimieram-pirenena Malagasy Fa inona marina, ahoana ny fiasany ?

19/04/2019

Andrim-panjakana iray anisan’ny hiankinan’ny fiainam-pirenen’ity nosy misy antsika ity ny Antenimieram-pirenena Malagasy amin’ny ankapobeny. Rariny raha mba hofantarintsika olom-pirenena tsy an-kanavaka amin’izao ankatoky ny fifidianana solombavambahoaka izao ny tantaran’ny Antenimieram-pirenena Malagasy sy ny asany ary ny fomba firafiny sy fomba fiasan’izay depiote ho lany ao ary ny tombontsoa maro samihafa mety ho azo ao. Hisy ihany karazana fanehoan-kevitr’ireo depiote nahavita taom-piasana maromaro nifandimby tao. Farany, hotsiahivintsika etoana ny anaran’ireo filoha nifandimby nitantana an’ity Antenimieram-pirenena Malagasy ity hatramin’ny niandohany ka hatramin’ny taona 2018 teo.

Antenimieram-pirenena Malagasy Fa inona marina, ahoana ny fiasany ?

Hamaky ny tohiny...

Efa tena tany miady i Madagasikara Nahetsika ny miaramila

18/04/2019

Ny polisy (an-tanàn-dehibe) sy ny zandary (any ambanivohitra) no mitandro ny filaminana sy ny fandriampahalemana raha ny mahazatra. Ankehitriny anefa nahetsika an-tanàn-dehibe ary nalefa amina distrika maro ny miaramila izay manda farany amin’ny fiarovana ny firenena. Tranga izay toa mampiseho fa efa tany miady i Madagasikara.

Efa tena tany miady i Madagasikara Nahetsika ny miaramila

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao Namaly bontana ireo te hanongana azy

18/04/2019

Maro no niandry sy nanongilan-tsofina nanaraka ny onjam-peon’ny Top Radio 102.8FM omaly na teto an-tanindrazana na hatrany ampitan-dRanomasina tamin’ny alalan’ny tranonkala https://www.radioking.com/radio/topradio-102-8?redirect nihaino ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao, ary filoha nasionalin’ny Antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM) teo aloha omaly. Anisan’ny antoko mbola tanora ny HVM ny taonany izay 5 taona izao, fa nandray anjara feno tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna, loholona, filoham-pirenena, ary manana ny paikadiny amin’izao fifidianana depiote izao.

Rivo Rakotovao Namaly bontana ireo te hanongana azy

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Misy manipy hoditr’akondro

17/04/2019

Tena nanome sary ratsy ary nanimba an’i Hery Rajaonarimampianina ireo olona nanodidina azy (namana, mpanolontsaina, minisitra, depiote, mpiasam-panjakana ambony,…). Telo volana nitantanana ny firenena ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina, fa toa efa tratran’io toe-javatra io sahady. Misy ireo akaiky azy tsikaritra fa efa manao fanararaotam-pahefana ary tena manambany olona, fa izy ireo izao no eo amin’ny fahefana. Vao nitondra herinandro vitsy dia toa efa nisy nisoloky hoe iraky ny filoha hanao hanao ny IEM.

Andry Rajoelina Misy manipy hoditr’akondro

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana solombavambahoaka Ahiana hihamafy ny hosoka sy hala-bato…

17/04/2019

Manodidina ny 200 000 ny anarana niverimberina efa nodiovina tao anatin’ny lisi-pifidianana taorian’ny fifidianana filoham-pirenena, raha ny nambaran’ny teo anivon’ny CENI. Mbola nisy an’io 200 000 izany tamin’ny fifidianana filoha, izany hoe lisi-pifidianana tsy araka ny tokony ho izy sy azo nanaovana hosoka tsara no nampiasaina. Ny fanalana ireo anarana niverina no ambara mazava ho azy fa tsy nampitombo betsaka firy ny fitomboan’ny isan’ny mpifidy zara raha nisy 0,83% taorian’ny fisokafan’ny lisitra ny volana desambra, izay nikatona vonjimaika tamin’ny 15 febroary, ary ny 15 mey izany hoe: 12 andro aorian’ny fifidianana solombavambahoaka.

Fifidianana solombavambahoaka Ahiana hihamafy ny hosoka sy hala-bato…

Hamaky ny tohiny...

SeFaFi “Solombavambahoaka, inona marina no ilana azy ?”

17/04/2019

Namoaka fanambarana ny Sehatra Fanaraha-Maso Ny Fiainam-Pirenena (SEFAFI) mahakasika ny anton`ny ilana solombavambahoaka. Amin’ny 27 mey ho avy izao, ny olom-pirenena dia hifidy depiote 151 amin’ny kandidà 803 samy hafa. Ny and. 68 ao amin’ny Lalàm-panorenana dia milaza fa « Ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona no mandrafitra ny Antenimiera. Izy no mandany ny lalàna sy manara-maso ny asan’ny governemanta ary ny fanaovana tombana ny politikam-panjakana ».

SeFaFi “Solombavambahoaka, inona marina no ilana azy ?”

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny firenena Be loatra ny kitoatoa !

16/04/2019

Matoa voasokajy ao anatin’ny firenena dimy mahantra indrindra eto ambonin’ny tany ny firenena dia misy zavatra tsy manjary ao, indrindra fa ny fomba fitantanana ny firenena. Mahantra ny 90% mahery amin’ny Malagasy, saingy tsy tokony hohararaotina amin’izany sy hatao tompon-trano mihono satria tsy an’ny mpitondra irery ity firenena ity. Sesilany ny kitoatoa sy ny kimaizimaizina ankehitriny.

Fitantanana ny firenena Be loatra ny kitoatoa !

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fifidianana filoha Nahitana lesoka isan-karazany

08/11/2018

Nilamina tamin’ny ankapobeny ny zotram-pifidianana filoham-pirenena omaly. Tsikaritra ho maro ihany ny tsy fahatomombanana izay niteraka tsy fankasitrahana sy fimenomenonana avy amin’ny olom-pirenena.

 

 

 Isan’ireny ny fisian’ny olona manana kara-pifidianana kanefa tsy ao anaty lisitra; ny nanana kara-pifidianana roa; fahataran’ny fisokafan’ny biraom-pifidianana, tsy fahampian’ny delege; fividianana safidim-bahoaka, toy ilay hita teny Ankorondrano nisian’ilay fiara misy soratra hoe:“Ny fitiavana ny lehibe” indrindra voalaza fa nizara vola. Nifandrotehana ny lisi-pifidianana toy ny teny Itaosy. Nisy ihany koa ny olona fa efa avy nifidy saingy mbola niverina nifidy, raha ny fampitam-baovaon’ny olom-pirenena.  Olona efa maty mbola mahazo karatra kanefa ny velona izay efa tao anaty lisitra ary efa nifidy hatramin’izay, tsy tao tamin’ity indray mitoraka ity. Nisy ihany koa ny karatra tsy nozaraina kanefa tsy misy anarana. Teo amin’ny fandatsaham-bato dia nisy tamin’ny mpifidy no nanao sonia tao ambadiky ny bileta tokana noho ny tsy fahampian’ny toromarika. Azo antoka aloha fa mety ho maro ny karazana fitoriana sy fitarainana amin’ity fifidianana ity. Andrasana ihany koa ny tatitra samihafa ataon’ireo mpanara-maso na teratany na vahiny.

Toky R

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana