Dans la mme rubrique

Sao dia efa ketrika hafa mihitsy ?

16/11/2018

Mafampana hatrany ny toe-draharaham-pirenena amin’izao ary ambony dia ambony ny risika hisian’ny korontana. Miseho ireo toe-javatra toa fanomanan-tsaina toy ny fahamaizan-javatra misesisy etsy sy eroa.

Sao dia efa ketrika hafa mihitsy ?

Hamaky ny tohiny...

Edito Tantara indray miseho

15/11/2018

Nalaza ho be sinema efa hatramin’izay Isika malagasy. Ireo mpisehatra politika vaventy eto Madagasikara no tena havanana indrindra amin’izany.

Edito Tantara indray miseho

Hamaky ny tohiny...

Hanao amboletra indray hoe e ?

14/11/2018

Mifantoka hatrany any amin’ny fiandrasana izay ho valim-pifidianana ny sain’ny rehetra.

Hanao amboletra indray hoe e ?

Hamaky ny tohiny...

Mamboly ady sy hady

13/11/2018

Anaty vanim-potoana goavana natao hiandrandrana maraina vaovao ho an’ny firenena isika ankehitriny.

Mamboly ady sy hady

Hamaky ny tohiny...

Fandemen-tsaina sy fampisaraham-bazana

12/11/2018

Raikitra ny fandemen-tsaina isan-karazany ataon’ny kandida iray sy ny mpomba azy fa efa azon’izy ireo, hono, ny fandresena amin’ity fifidianana ity.

Fandemen-tsaina sy fampisaraham-bazana

Hamaky ny tohiny...

Fandemen-tsaina sy fampisaraham-bazana

12/11/2018

Raikitra ny fandemen-tsaina isan-karazany ataon’ny kandida iray sy ny mpomba azy fa efa azon’izy ireo, hono, ny fandresena amin’ity fifidianana ity.

Fandemen-tsaina sy fampisaraham-bazana

Hamaky ny tohiny...

Toran-kovitra sy mandrovi-tsihy

09/11/2018

Miandry am-pitoniana izay ho voka-pifidianana ny rehetra ankehitriny. Miandry na eo aza ireo mafana fo mampiaka-peo eo anatrehan’ny zavatra hitany fa tsy nety sy tsy rariny.

Toran-kovitra sy mandrovi-tsihy

Hamaky ny tohiny...


Edito

Ratsy fototra

08/11/2018

Tontosa ihany aloha izany iny omaly ny andron’ny 7 novambra 2018. Androm-pifidianana, ho an’ireo izay namaritra azy ho amin’izay anarana izay. Andro fandatsaham-bato kosa ho an’ireo izay mihevitra fa dingana hafa aloha no tokony natao nialoha ity fifantenana olona iray amina olona miisa 36 hitondra an’i Madagasikara mandritry ny 5 taona ity.

  Na inona na inona fanehoan-kevitra sy fomba fijery dia tsy azo lavina kosa ny hoe ratsy fototra tokoa isika. Na ireo nanaiky na ireo nanda ny hanatanterahana iny omaly iny dia samy niombon-kevitra fa mila fanorenana ifotony ny firenena. Na ny ady hevitra nikasika ny fomba tokony nanatanterahana  izay resaka fanorenana ifotony izay koa aza anefa, raha tsiahivina, dia azo faritana ihany koa hoe “ratsy fototra” na dia naherin’ny 2 taona aza no nanaovana atrikasa sy fikaonan-doha niarahan’ireo hery politika maro samihafa momba izany. Tsy voafaritra mazava ireo fototra tokony hiaingana amin’ny fanorenana tokony hatao fa samy nanana ny azy daholo. Tsy nahagaga isika raha tonga amina kihon-dalana mandindon-doza toy izao. Iza moa no tsy niaiky fa tsy tomombana, mba tsy hilazana hoe naloto, ny fanomanana izao fifidianana izao? Na ireo dondona tamin’ny hanatanterahana azy iny aza azo antoka fa niombon-kevitra tamin’izany. Tsy nitsahana omaly tontolo andro ny antso an-tariby voaray tamin’ireo olom-pirenena niantefa tamin’ireo haino aman-jery ka hatrany amin’ny CENI nitanteran’izy ireo ny tranga nampiahiahy rehetra nandritr’ity androm-pifidianana ity. Sarina mpifidy mifandrirotra lisitra eny an-tokontanim-birao no niseho tanaty tambazotran-tserasera, sarin’olona mbola miverina mifidy kanefa efa misy ilay marika tsy maty vonoina ny ankihibeny, mpisandoka ho mpiasan’ny vaomieram-pifidianana mitety trano. Isan’ny tranga nampiahiahy mafy koa moa ny fahitan’ireo mpifidy maraina tamina birao sasantsasany ireo vata-fandrotsaham-bato nadiva ho feno sahady ary nisy birao mihitsy aza nahenoana fa mbola tsy dila akory ny mitataovovonana dia efa nahatratra hatrany amin’ny 85% sy 98% ny taham-pahavitrihany. Antony nampiahiahy ny olona manoloana ireo tarehimarika ireo ny hoe sao dia nasolo vata efa ho feno ilay nangarahara teo aloha? Izany rehetra izany dia santionany ihany fa ny fehiny dia hoe mila mijery lavitra sy miala amin’ny fanao mahazatra tamin’ireo fifidianana tany aloha rehetra isika raha tiana ny hanarina ny fototra sy ho tafita.

J. Mirija

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana