Dans la mme rubrique

KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA

16/01/2019

Hanao izay ho afany ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny famahana ny fitohanan’ny fifamoivoizana izay nampitaraina ny maro.

KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA

Hamaky ny tohiny...

Resaka fanonganam-panjakana

16/01/2019

Miezaka mivoy indray ankehitriny ireo haino aman-jery frantsay fa fanonganam-panjakana no nitranga teto Madagasikara ny taona 2009. Tafakatra eo amin’ny fitondrana indray, hoy ny gazety Le Monde, ny mpanongam-panjakana mpanefoefo.

Resaka fanonganam-panjakana

Hamaky ny tohiny...

FITSARAM-BAHOAKA

15/01/2019

Raha tsy tonga haingana ny polisy dia efa matin’ny fitsaram-bahoaka ny rangahy iray izay tompon’antoka tamin’ny heloka bevava.

FITSARAM-BAHOAKA

Hamaky ny tohiny...

Mampitaraina sahady

15/01/2019

Mampitaraina sahady ireo mpiara-miasa aminy ny minisitry ny mponina satria dia mbola andrasana hatramin’izao ny valin’ny

Mampitaraina sahady

Hamaky ny tohiny...

NOVONOINA AVY EO NALEVINA

14/01/2019

Novonoina ny tompon’ny fiara dia nalevina tao anaty ala. Izany no nitranga tany amin’ny tanàna kely iray manodidina an’Andranovelona.

NOVONOINA AVY EO NALEVINA

Hamaky ny tohiny...

Miandry fifidianana

12/01/2019

Miandry ny fahavitan’ny fifidianana solombavambahoaka sy ben’ny tanàna izany vao mety hahazo praiminisitra vaovao isika,

Miandry fifidianana

Hamaky ny tohiny...

FAKANA AN-KERINY

11/01/2019

Mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny rano sy ala no nisy naka an-keriny tany Isoanala, distrika Betroka. Vola mitentina 12 tapitrisa ariary no notakian’ireo olon-dratsy mba ho solon’ny ainy.

FAKANA AN-KERINY

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

FANAMBOARANA ROVA

31/10/2018

Ny vahiny no miantoka ny fanamboarana ny rova eto amintsika. Isan’ny vita amin’izao fotoana izao ny rovan’Ambohidratrimo izay tamin’ny taona 2015 no nanomboka namboarina. Efa handeha tsy ho ela koa ny fanambarana ny rovan’ny mpanjaka.

 



 

Fikambanana avy ao amin’ny nosy La Réunion no manome tànana amin’izany fanamboarana sy fanarenana izany. Tsy misy maharatsy ny fifanampianana eo amin’ny firenena roa tonta saingy mba mahamenatra kosa raha ny vakoka dia hiandrasana ny vazaha ny fikarakaràna azy. 

NANADIO TENA NY FANJAKANA

 

Nanadio tena amin’izay ny fitondram-panjakana taorian’ny kiana izay nataon’ny mpanakanto iraisam-pirenena Joss Stone. Nilaza arak’izany ny tompon’andraikitra fa efa mandeha tsara ny asa fanamboarana ny seranam-piaramanidina vaovao ary efa tapitra ny asa goavana mahakasika izany. Ny ao anatiny sy ny toeranana fiantsonan’ny fiaramanidina sisa no tena asa manaraka. Dia miandry fanakianana iraisam-pirenena toa izany hatrany ve vao mba mihetsika ny eto amintsika ? Raha ny samy malagasy no miteny dia henoina fotsiny ary raisina ho fanaratsiana. 


MPANARATO NATELIN’NY RANO

 

Mpanarato iray no natelin’ny ranomasina tao Tanandava, Toamasina faharoa. Omaly atoandro no hitan’ny olona natsingevan’ny rano ny vatana mangatsiaka raha efa ny alatsinainy no niala tao an-tranony ary nifampitadiavina rehefa tsy tafody tamin’ny fotoana mahazatra. Raha ny filazan’ny fianakaviany dia tsy mahay milomano akory ity rangahy ity kanefa ny asany dia manarato sy mampiasa lakana isan’andro. 


FAMONOANA FRANTSAY

 

Samy nanao ny fanadihadiana ny polisy sy ny zandary mahakasika ny raharaha izay nahafatesan’ilay frantsay Stéphane Laurin. Ny polisy moa dia ny alin’ny fahafatesana ihany dia efa nilaza fa nahatratra jiolahy miisa fito. Ny zandary indray kosa dia nilaza omaly (roa herinandro taty aoriana) fa nisambotra mpivady izay tompon’antoka tamin’iny raharaha iny. Iza no tokony hinoana ? Mangin’izay, tsy tokony misy izany hoe samy manao fanadihadiana raha tsy ny fitsaràna no mibaiko. Nidoboka eny Tsiafahy omaly ny roa tamin’ireo voasambotry ny zandary.   


MAORISIANA NORAISIM-POTSINY TENY IVATO

 

Noraisim-potsiny teny Ivato ny teratany Maorisiana roa izay saika hivoaka any ivelany, hody any aminy. Raha ny fantatra dia misy didy fisamborana ary koa tsy hahafahan’ireo mivoaka ny sisin-tanin’i Madagasikara nandehandeha tany amin’ny mpitandro ny filaminana tany. Rehefa teo am-panolorana ny pasipaoro ka nisava ny mombamomba izany tao anaty solosaina anefa ny tompon’andraikitra tetsy Ivato dia avy hatrany dia nivoaka teo ny momb ireo didy ka noraisim-potsiny teo izy roa lahy omaly. 


FITSARAM-BAHOAKA

 

Mitady ho raikitra koa ny fitsaram-bahoaka any Vangaindrano ary mitady hanafika ny tobin’ny zandary indray ny olona. Izany dia noho ny fangatahan’izy ireo ny hamoahana ny lehilahy iray izay tazomina ao. Io farany dia voasaringotra amin’ny heloka bevava raha araka ny vaovao azo any an-toerana. Tsy manaiky ny fianakavian’ny maty ary mitaky ny hamonoana azy koa. Omaly dia nohamafisina ny fiambenana ny toby tany an-toerana.

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana