Dans la męme rubrique

Vinan-dRajoelina Ireo manan-katao no tena hahazo tombony ?

16/01/2019

Ny hamisavisana ny ratsy hiavian’ny soa, hoy ny fomba fiteny, ka enga tokoa anie tsy ho arakaraka ny ahiahin’ny olona ny hafitsoky ny fitondrana Rajoelina. Maro ireo velirano nambara fa hotanterahina, ary tsy misy ratsy ireny.

Vinan-dRajoelina Ireo manan-katao no tena hahazo tombony ?

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana asam-panjakana Ho sarotsarotra ny fitsinjarana ny teti-bola iasana

16/01/2019

Hiisa 22 ireo minisitra handrafitra ny governemanta hotarihin`ny praiminisitra vaovao ho avy eo fa tsy ho 30 mahery. Tombanana fa mety ho fitsitsiana izao, araka ny nambaran`ny filoham-pirenena vaovao nandritra ny fampielezan-keviny.

Fitantanana asam-panjakana Ho sarotsarotra ny fitsinjarana ny teti-bola iasana

Hamaky ny tohiny...

Hary Razafindrazaka « Enga anie ka hahay hamondrona ny Malagasy ny Filoha vaovao »

16/01/2019

Ny atao hoe tsy azo hivalozana dia midika hoe tsy maintsy eken’ny rehetra, hoy ny mpanao politika, Hary Razafindrazaka.

Hary Razafindrazaka « Enga anie ka hahay hamondrona ny Malagasy ny Filoha vaovao »

Hamaky ny tohiny...

Mety ho fidiran’ny TIM anaty governemanta Adihevitra tsy hifankahitana

16/01/2019

Ny sabotsy 19 janoary aorian’ny fianianan’ny filoha nambaran’ny HCC fa voafidy dia hisy ny filankevitry ny minisitra hotarihiny, ary hametra-pialana ny governemanta Ntsay Christian aorian’izay, raha ny vaovao mivoaka.

Mety ho fidiran’ny TIM anaty governemanta Adihevitra tsy hifankahitana

Hamaky ny tohiny...

Revolisionina namotika taty Afrika Manomboka tonga saina ireo firenena sasany

16/01/2019

Nifanesy ireo karazana Revolisionina taty Afrika tany amin’ny 10 taona lasa na latsaka kely tany ho any.

Revolisionina namotika taty Afrika Manomboka tonga saina ireo firenena sasany

Hamaky ny tohiny...

Emmanuel Macron Hihaona amin-dRajoelina any Paris

16/01/2019

Herinandro taty aorian’ny fanambaran’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) fa voafidy ho filoham-pirenena Malagasy i Andry Rajoelina dia nandefa taratasy fiarahabana azy ny filoha Frantsay Emmanuel Macron.

Emmanuel Macron Hihaona amin-dRajoelina any Paris

Hamaky ny tohiny...

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

15/01/2019

Ny sabotsy takariva dia nihaona manokana i Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, saingy tsy nisy nipika ny resaka. Mandeha ny fanangonan-tsonia amin’izao eny amin’ny antenimieram-pirenena amin’ny mbola hamerenana an’Atoa Ntsay Christian ho praiminisitra.

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Tranga tsy azo hanoharana mialoha ny fifidianana Tsy mbola anatiny isika, hoy ny loholona Amido

31/10/2018

Misy lalĂ na mifehy ny fifidianana, hoy ny loholona Amido, ary io no lehibe indrindra isorohana ny zava-mitranga.

Be tokoa, hoy ity loholon’Antsiranana ity, ny zava-nitranga tao anatin’ny herinandro. Isan’ireny ireo endrika fitsaram-bahoaka, ny hetsik’ireo kandida ho filoham-pirenena miisa 25 sy ny hafa maro saingy ny fehiny dia miroso amin’ny fifidianana isika. Raha ny voalazan’ny lalàna dia maro ireo endri-java-miseho antony tsy maintsy hanemorana fifidianana toy ny hoe fahafatesana kandida, valanaretina mipariaka, ny loza voajanahary saingy hatreto aloha dia tsy anatin’izay tranga tsy azo hanoharana mialoha ny fifidianana isika. Mbola misy tomponandraiki-panjakana koa eto afaka manapaka ny tokony hatao. Izany resaka fitsaram-bahoaka izany, hoy izy, tsy vao androany ary vokatry ny tsy fanarahan-dalàna nataontsika ihany. Tomponandraikitra amin’izany ny vahoaka fa tomponandraikitra voalohany ny mpanao politika. Nosinganin’ity loholona ity manokana moa ireo mpanongam-panjakana sy mpandrangitra adim-poko. Soa, hoy izy, fa Hendry ny gasy ka tsy nety ho voasarik’izany adim-poko izany.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana