Dans la męme rubrique

Vinan-dRajoelina Ireo manan-katao no tena hahazo tombony ?

16/01/2019

Ny hamisavisana ny ratsy hiavian’ny soa, hoy ny fomba fiteny, ka enga tokoa anie tsy ho arakaraka ny ahiahin’ny olona ny hafitsoky ny fitondrana Rajoelina. Maro ireo velirano nambara fa hotanterahina, ary tsy misy ratsy ireny.

Vinan-dRajoelina Ireo manan-katao no tena hahazo tombony ?

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana asam-panjakana Ho sarotsarotra ny fitsinjarana ny teti-bola iasana

16/01/2019

Hiisa 22 ireo minisitra handrafitra ny governemanta hotarihin`ny praiminisitra vaovao ho avy eo fa tsy ho 30 mahery. Tombanana fa mety ho fitsitsiana izao, araka ny nambaran`ny filoham-pirenena vaovao nandritra ny fampielezan-keviny.

Fitantanana asam-panjakana Ho sarotsarotra ny fitsinjarana ny teti-bola iasana

Hamaky ny tohiny...

Hary Razafindrazaka « Enga anie ka hahay hamondrona ny Malagasy ny Filoha vaovao »

16/01/2019

Ny atao hoe tsy azo hivalozana dia midika hoe tsy maintsy eken’ny rehetra, hoy ny mpanao politika, Hary Razafindrazaka.

Hary Razafindrazaka « Enga anie ka hahay hamondrona ny Malagasy ny Filoha vaovao »

Hamaky ny tohiny...

Mety ho fidiran’ny TIM anaty governemanta Adihevitra tsy hifankahitana

16/01/2019

Ny sabotsy 19 janoary aorian’ny fianianan’ny filoha nambaran’ny HCC fa voafidy dia hisy ny filankevitry ny minisitra hotarihiny, ary hametra-pialana ny governemanta Ntsay Christian aorian’izay, raha ny vaovao mivoaka.

Mety ho fidiran’ny TIM anaty governemanta Adihevitra tsy hifankahitana

Hamaky ny tohiny...

Revolisionina namotika taty Afrika Manomboka tonga saina ireo firenena sasany

16/01/2019

Nifanesy ireo karazana Revolisionina taty Afrika tany amin’ny 10 taona lasa na latsaka kely tany ho any.

Revolisionina namotika taty Afrika Manomboka tonga saina ireo firenena sasany

Hamaky ny tohiny...

Emmanuel Macron Hihaona amin-dRajoelina any Paris

16/01/2019

Herinandro taty aorian’ny fanambaran’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) fa voafidy ho filoham-pirenena Malagasy i Andry Rajoelina dia nandefa taratasy fiarahabana azy ny filoha Frantsay Emmanuel Macron.

Emmanuel Macron Hihaona amin-dRajoelina any Paris

Hamaky ny tohiny...

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

15/01/2019

Ny sabotsy takariva dia nihaona manokana i Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, saingy tsy nisy nipika ny resaka. Mandeha ny fanangonan-tsonia amin’izao eny amin’ny antenimieram-pirenena amin’ny mbola hamerenana an’Atoa Ntsay Christian ho praiminisitra.

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fampielezan-kevitra Pitik`afo dia mahatonga korontana

31/10/2018

Tsy nanomboka akory ny fampielezan-kevitra dia efa nisy ny fifanaratsiana sy fifandrangitana naindraindran`ny mpomba ireo kandidĂ  sasany.

 

Efa tafiditra tanteraka  amin`ny fotoam-pifidianana isika izao ka ho sarotra be ny hiala amin`izay. Efa nisy olona ny maty noho ny fifandrafiana eo amin`ny samy mpanohana kandidà. Rehefa mifanena ireo mpomba ireo kandidà sasany dia mifandramatra am-bava, misy hatramin`ny tora-bato. Herinandro fahefatra isika amin`izao amin`ny propagandy ka mila fitandremana satria hisesy ny faradoboka eto an-drenivohitra. Adidy sy andraikitry ny kandidà sy ireo mpitarika ireo mpanohana no mandamina ny zava-misy rehetra satria ho sarotra be ny fidirana amin`ny fihodinana faharoa raha izao no mitohy. Mila jerena ifotony ny tena fampihavanam-pirenena satria raha zohina ireo mpifaninana amin`ny fifidianana dia nanana olana ara-politika. Ny taona 2002, nisy ny ady teo amin`i Didier Ratsiraka sy i Marc Ravalomanana. Ny taona 2009, Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina ary ny taona 2013-2018, tsy fifankahazoana teo amin`i Andry Rajoelina sy Hery Rajaonarimampianina. Aiza ny andraikitra raisin`ny Komitin`ny Fampihavanam-pirenena ( CFM) ? Ireo kandidà ireo mantsy dia mpifanandrina ara-politika kanefa tsy vita ny fandaminana azy ireo teo alohan`ny fifidianana. Ity fifidianana 2018 ity anefa no eritreretina hitondra fifandaminana ara-politika avy eo ka izay ho mamim-bahoaka no tokony ho lany. Ankehitriny anefa, lasa mafampana ny maripana ara-politika ka mila fitandremana ny rehetra satria efa hitantsika ny tsy fitovian-kevitra tamin`ny taona 2009. Ahiana hiverina indray ireny raha tsy mitandrina satria pitik’afo dia mahatonga korontana. Midika izany fa ny mpanohana foana no marary fo amin`ny fifanoheran-kevitra politika.

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana