Dans la mme rubrique

Vinan-dRajoelina Ireo manan-katao no tena hahazo tombony ?

16/01/2019

Ny hamisavisana ny ratsy hiavian’ny soa, hoy ny fomba fiteny, ka enga tokoa anie tsy ho arakaraka ny ahiahin’ny olona ny hafitsoky ny fitondrana Rajoelina. Maro ireo velirano nambara fa hotanterahina, ary tsy misy ratsy ireny.

Vinan-dRajoelina Ireo manan-katao no tena hahazo tombony ?

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana asam-panjakana Ho sarotsarotra ny fitsinjarana ny teti-bola iasana

16/01/2019

Hiisa 22 ireo minisitra handrafitra ny governemanta hotarihin`ny praiminisitra vaovao ho avy eo fa tsy ho 30 mahery. Tombanana fa mety ho fitsitsiana izao, araka ny nambaran`ny filoham-pirenena vaovao nandritra ny fampielezan-keviny.

Fitantanana asam-panjakana Ho sarotsarotra ny fitsinjarana ny teti-bola iasana

Hamaky ny tohiny...

Hary Razafindrazaka « Enga anie ka hahay hamondrona ny Malagasy ny Filoha vaovao »

16/01/2019

Ny atao hoe tsy azo hivalozana dia midika hoe tsy maintsy eken’ny rehetra, hoy ny mpanao politika, Hary Razafindrazaka.

Hary Razafindrazaka « Enga anie ka hahay hamondrona ny Malagasy ny Filoha vaovao »

Hamaky ny tohiny...

Mety ho fidiran’ny TIM anaty governemanta Adihevitra tsy hifankahitana

16/01/2019

Ny sabotsy 19 janoary aorian’ny fianianan’ny filoha nambaran’ny HCC fa voafidy dia hisy ny filankevitry ny minisitra hotarihiny, ary hametra-pialana ny governemanta Ntsay Christian aorian’izay, raha ny vaovao mivoaka.

Mety ho fidiran’ny TIM anaty governemanta Adihevitra tsy hifankahitana

Hamaky ny tohiny...

Revolisionina namotika taty Afrika Manomboka tonga saina ireo firenena sasany

16/01/2019

Nifanesy ireo karazana Revolisionina taty Afrika tany amin’ny 10 taona lasa na latsaka kely tany ho any.

Revolisionina namotika taty Afrika Manomboka tonga saina ireo firenena sasany

Hamaky ny tohiny...

Emmanuel Macron Hihaona amin-dRajoelina any Paris

16/01/2019

Herinandro taty aorian’ny fanambaran’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) fa voafidy ho filoham-pirenena Malagasy i Andry Rajoelina dia nandefa taratasy fiarahabana azy ny filoha Frantsay Emmanuel Macron.

Emmanuel Macron Hihaona amin-dRajoelina any Paris

Hamaky ny tohiny...

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

15/01/2019

Ny sabotsy takariva dia nihaona manokana i Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, saingy tsy nisy nipika ny resaka. Mandeha ny fanangonan-tsonia amin’izao eny amin’ny antenimieram-pirenena amin’ny mbola hamerenana an’Atoa Ntsay Christian ho praiminisitra.

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Marc Ravalomanana “Asa mivaingana ny antsika fa tsy nofinofy”

31/10/2018

Mahabo, Belo sur Tsiribihina, Maintirano, Antsalova, Miandrivazo,… no nanaovan’ny kandida Marc Ravalomanana laharana faha-25 fampielezan-kevitra omaly.

 

Nahazo ny anjarany tamin’ny fanazavana ny “Manifesto”, izay fanomezan-toky ataony ny olona, ary nasehony ny “kits scolaires” hozaraina amin’ny mpianatra, hisian’ny ny fanabezana ho olom-pirenena vanona. Nasehony koa ny fitaovana hanofanana ny tanora izay misy solosaina  ary nohamafisina koa ny fanomezana fiofanana ny mpampianatra sy ny famerenana ny hasin’izy ireo. Nohamafisiny tao Belo sur Tsiribihina  hatrany ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana izay mampitebiteby isan’andro ny vahoaka sy ny faharatsian’ny lalana. Efa  ao anaty “Manifesto” ny fanomezan-tokin’ny kandida lah.25 ka handroso vahaolana momba ireo toe-javatra ireo izy. Homena fitaovana mifanaraka amin’ny toetrandro ankehitriny  ny mpitandro ny filaminana, ka hanaovana fanandramana miaraka amin’ny Amerikanina any Andranomafana- Ifanadiana ny “drônes”. Tao Belo sur Tsiribihina ihany koa no nanamafisany fa rehefa tonga eo amin’ny fitondrana izy dia tsy misy omby azo haondrana intsony.  Niavaka ny zavatra nambarany tao Maintirano, ka hoy ny kandidà Marc Ravalomanana  hoe: “tsy mampanonofy anareo aho ka hanangana “buildings” izay tsy ho azonareo hipetrahana akory na hampiandry anareo telopolo taona”. Tonga ho azy izany rehefa voavaha aloha izay maika indrindra. Hamboarina ny tanàna, ny lalana mampitohy ny distrikan’i Maintirano sy ny kaominina rehetra manodidina ary ny lalana mampitohy azy sy ny renivohitra Antananarivo ary haverina ihany koa, hoy izy, ny fihantsonan’ny fiaramanidina ao an-toerana. Mitohy hatrany etsy an-daniny ny fampielezan-kevitra amin’ny endriny maro manerana ny Nosy hampandaniana an’i Marc Ravalomanana. Isan’andro ny “carna-vam” miaraka amin’ny “sono” ataon’ny tanora eto an-drenivohitra. Tsara ny mampahafantatra fa manodidina ny 90 eo ho eo ny toerana nolalovan’ny kandida Marc Ravalomanana tamin’ity fampielezan-kevitra ity, ary tena midina ifotony mifandray amin’ny vahoaka mihitsy mampiely ny hevitra hanarenana sy hampandrosoana ny firenena. Hatramin’ny taona 2014 niverenany, dia nahatety toerana 246 teto Madagasikara izy, izay midika fa kandida tena akaiky ny Malagasy, ary tsy atao mahagaga raha vory lanona hatrany vahoaka rehefa i Marc Ravalomanana no tonga. Nijery sy nitsinjo ny Malagasy izy ary akaiky ny rehetra, fa tsy mba nanava-tena nandeha niliba tany ampitan-dranomasina, ka rehefa fifidianana vao mody hihatsaravelatsihy sy hanambitamby olona sy hizara vola handrotsa-bato ho azy.

 

 

 

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana