Dans la męme rubrique

Tontolon`ny Fitsarana Maniry ny fitohizan`ny fanatsarana natao ny minisitra

16/01/2019

Na dia 7 volana monja aza ny fotoam-piasana izay nitantanan`ny minisitry ny Fitsarana, Rtoa Norovololona Harimisa, dia nisy ny ezaka vitan`ny minisitera tao anatin`ny fotoana fohy.

Tontolon`ny Fitsarana Maniry ny fitohizan`ny fanatsarana natao ny minisitra

Hamaky ny tohiny...

Trafikana volamena Tsy mety tratra ireo tena atidoha

16/01/2019

Malagasy 3 no tratra nitondra volamena milanja 25,5 kilao tany Maorisy ny 10 janoary lasa teo, saika ho any Mumbai (Inde) ny roa raha toa ka nilaza ny ho any Dubai ny iray.

Trafikana volamena Tsy mety tratra ireo tena atidoha

Hamaky ny tohiny...

Andrefambohitra Ampitatafika Razana maromaro natsingevan’ny rano

16/01/2019

Razana maromaro no hitan’ny fokonolona tao Andrefambohitra, Ampitatafika Atsimondrano ny alatsinainy 13 janoary hariva teo.

Andrefambohitra Ampitatafika Razana maromaro natsingevan’ny rano

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran’ny ny mponina Gaboraraka ny fitantanana, hoy ireo mpiasa

16/01/2019

Nanao antsoavo tamin’ny filoham-pirenena vaovao sahady omaly ny avy eo anivon’ny sendikan’ny mpiasan’ny minisiteran’ny mponina na SYNAE-Population mba hijery akaiky ny zava-misy ao amin’ny minisiteran’izy ireo.

Minisiteran’ny ny mponina Gaboraraka ny fitantanana, hoy ireo mpiasa

Hamaky ny tohiny...

Lalao Ravalomanana “Ao anatin’ny 100 andro misy asa goavana vita”

15/01/2019

Tonga niarahaba ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Lalao Ravalomanana omaly ireo mpiara-miasa akaiky aminy noho ny fahatongavan’ny taona vaovao 2019.

Lalao Ravalomanana “Ao anatin’ny 100 andro misy asa goavana vita”

Hamaky ny tohiny...

Ampijalian’ny delestazy i Toamasina Tsy ampy solika ny Jirama

14/01/2019

Hopitaly kely – Gare routière – Tanambao V – Ankirihiry avaratra sy atsimo – Andranomadio – Cité Valpinson – Cité Haras – Ambohijafy – Asecna – Antseranampasika – Tahity Kely – Rasseta – Ampilaolava – Analamalotra – Ivoloina – Ctht – Lycée Agricole –

Ampijalian’ny delestazy i Toamasina Tsy ampy solika ny Jirama

Hamaky ny tohiny...

Halatra jiro eny amin’ny digin’i Fenoarivo 9 lahy migadra eny Tsiafahy

14/01/2019

Miisa 15 hatreto ny isan’ireo olona efa tratra nangalatra ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro eny an-dalambe eny amin’iny digy mihazo an’i Fenoarivo Atsimondrano iny.

Halatra jiro eny amin’ny digin’i Fenoarivo 9 lahy migadra eny Tsiafahy

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Nosy Maorisy Miaro fatratra an`i Mamy Ravatomanga

31/10/2018

Nametra-panontaniana ny gazety vahiny iray ny amin`ny fifandraisana eo amin`ny firenena Maorisianina sy ny mpandraharaha Malagasy, Mamy Ravatomanga.

 

 Voarohirohy amina raharaha famotsiam-bola mantsy ity mpandraharaha ity ka ny fitsarana Frantsay no miady azy amin`izao fotoana. Efa roa taona ny raharaha fa izay vao mipoitra tsikelikely ny antontan-taratasy mahakasika izany. Nangataka fifanarahana ara-pitsarana ny « Pole financier de Paris » mahakasika an`io mpandraharaha malagasy io. Ny ankamaroan`ireo firenena nanaiky niasa niaraka tamin`ny fitsarana frantsay fa ny tao Maorisy no tsy nanaiky sy tsy namaly ny antso. Raha ny fanadihadiana natao dia misy tombontsoa ara-toekarena goavana be harovana ao. Misy teratany maorisianina akaiky an`ilay mpandraharaha  Malagasy sady akaiky an’io fitondrana io tonga eto. Sarotsarotra ny ahafahan`ny frantsay mahazo fiaraha-miasa amin`ny maorisianina. Marihina anefa fa io teratany io izay mpandraharaha ihany koa dia efa voahenjika tao Maorisy kanefa votsotra. Noho izay fifandraisana izay dia voaaro tanteraka i Mamy Ravatomanga. Tsy afaka madiodio anefa ny famotsiam-bola nataon’ny filoha tale jeneralin’ny SODIAT tratran’ny fitsarana tany Parisy, ary efa eo am-pelatanan’ny AGRASC (Agence de Gestion et de Recouvrement des Avoirs Saisis et Confisqués)… Andrasana izay ho tohin`ny raharaha.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana