Dans la męme rubrique

FITSARAM-BAHOAKA

15/01/2019

Raha tsy tonga haingana ny polisy dia efa matin’ny fitsaram-bahoaka ny rangahy iray izay tompon’antoka tamin’ny heloka bevava.

FITSARAM-BAHOAKA

Hamaky ny tohiny...

Mampitaraina sahady

15/01/2019

Mampitaraina sahady ireo mpiara-miasa aminy ny minisitry ny mponina satria dia mbola andrasana hatramin’izao ny valin’ny

Mampitaraina sahady

Hamaky ny tohiny...

NOVONOINA AVY EO NALEVINA

14/01/2019

Novonoina ny tompon’ny fiara dia nalevina tao anaty ala. Izany no nitranga tany amin’ny tanàna kely iray manodidina an’Andranovelona.

NOVONOINA AVY EO NALEVINA

Hamaky ny tohiny...

Miandry fifidianana

12/01/2019

Miandry ny fahavitan’ny fifidianana solombavambahoaka sy ben’ny tanàna izany vao mety hahazo praiminisitra vaovao isika,

Miandry fifidianana

Hamaky ny tohiny...

FAKANA AN-KERINY

11/01/2019

Mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny rano sy ala no nisy naka an-keriny tany Isoanala, distrika Betroka. Vola mitentina 12 tapitrisa ariary no notakian’ireo olon-dratsy mba ho solon’ny ainy.

FAKANA AN-KERINY

Hamaky ny tohiny...

Nisoroka ady

11/01/2019

Mitohivakana ny fiarahabana ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, izay milaza ny fahendrena nasehony nanomboka ny 8 janoary teo ka hatramin’izao.

Nisoroka ady

Hamaky ny tohiny...

POLISY MENDRIKA

10/01/2019

Sambany mba nanao fihetsika mendri-piderana ireo polisy. Nahavariana ireo mponina teo Anosy ny nahita polisy efatra mirahalahy nanamboatra ny lalana goaka manoloana ny boriborintany. Asa raha baiko na fandavantena fa izy ireo mihitsy no nandray borety sy nanampina ny lavaka

POLISY MENDRIKA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

AFA-BARAKA NY SERANAM-PIARAMANIDINA

27/10/2018

Nalain’ilay artista malaza eran-tany Joss Stone baraka ny seranam-piaramanidin’Ivato.

 

 Tsy mbola nahita  filaharana sy fahelana toa izany izy, raha araka ny nambarany tamin’ny tambajotra sosialiny. Nolazainy fa vitany ny fitetezana an’izao tontolo izao saingy tsy mbola nahita izay hitany teo Ivato izy tamin’izany rehetra izany. Endrika iray mba tokony hahatonga saina ny manam-pahefana ny tranga toa izao satria rehefa ny Malagasy no miteny dia lazaina fa tsy tan-dalàna na koa miteniteny foana. 


LOZAM-PIFAMOIVOIZANA RN6

Olona telo no maty tamin’ny lozam-pifamoivoizana izay nitranga teny amin’ny lalam-pirenena faha-enina. Fiara mpitatitra, marika Sprinter indray, izay niala teto an-drenivohitra ka hihazo an’Ambanja no nivadika sy nivarina tany an-kady noho ny fandehanana mafy. Ankoatra ireo maty dia nisy telo hafa tsy maintsy nalefa maika aty an-drenivohitra ka tonga omaly. Tsy misy “radiographie” akory ny hopitalin’Antsohihy ary ny hopitalin’I Mahajanga nantsoina an-telefaonina dia tsy nisy namely. 

FANDROBANA

Nisy nandroba sahady ny toeram-pivarotana (centre commercial) le Colisée etsy Ampasanimalo izay vao tsy ela no notokanana. Mpivarotra firavaka sy ny telma shop iray no voaroba tao ary entana sy vola mitentina aman-tapitrisa maro no lasa teo. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia fantatra fa lehilahy iray izay mbola tokony higadra eny Antanimora no tompon’antoka saingy nomena MOP izy ka afaka miasa aty ivelany. Voasambotra koa ny namany iray avy eo. Nalefa eny Tsiafahy sy Antanimora izy ireo. 

MPANERA MISERA

Hay manao mpanera fotsiny ireo kaoperativa sasany izay miandraikitra ny zotra mankany avaratra. Isan’izany ny Transmad izay maka ny anaran’ny olona fotsiny no nataony dia mandray vola. Rehefa tonga ny fiara izay eo dia haparitany amin’izay malalaka ny olona avy eo. Rehefa misy ny loza mitranga dia tsy fantatra intsony hoe iza no lasa aiza ary tsy manana anaran’ny olona entiny akory ny fiara izay mitondra. Miteraka olana be ho an’ny mpandeha izay tsy fanarahan-dalàna izany. 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana