Dans la mme rubrique

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

15/01/2019

Ny sabotsy takariva dia nihaona manokana i Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, saingy tsy nisy nipika ny resaka. Mandeha ny fanangonan-tsonia amin’izao eny amin’ny antenimieram-pirenena amin’ny mbola hamerenana an’Atoa Ntsay Christian ho praiminisitra.

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

Hamaky ny tohiny...

Rajoelina sy ny IEM Hisedra olana goavana ara-bola…

15/01/2019

Tsy maniry ratsy ho an’ny fitondram-panjakana vaovao hotarihin’i Andry Rajoelina sy ny firenena fa sarotsarotra ny zavatra miandry ny mpitondra.

Rajoelina sy ny IEM Hisedra olana goavana ara-bola…

Hamaky ny tohiny...

Fitadiavan-tseza sy fahefana Raikitra ny resa-poko sy fiaviana

15/01/2019

Fomba fanao amin’ny fitadiavan-tseza sy fahefana ary toerana ao anaty fanjakana ny resa-poko sy fiaviana.

Fitadiavan-tseza sy fahefana Raikitra ny resa-poko sy fiaviana

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny firenena Sarotra ny mitondra ny Malagasy

15/01/2019

Goavana ny asa miandry ny filoham-pirenena vaovao. Fanamby sy velirano ao anatin’ny fandaharan’asa ny filoham-pirenena vaovao ny hanatsarana ny sosialim-bahoaka ao anatin’ny dimy taona.

Fitantanana ny firenena Sarotra ny mitondra ny Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Vinan’i Andry Rajoelina Tokony hifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka, hoy ny ABA

15/01/2019

Mitohivakana ny fanehoan-kevitra mikasika ny fahazoan’ny malagasy filoham-pirenena vaovao, Andry Rajoelina. Naneho ny heviny manoloana izany ny filohan’ny Antokom-Bahoaka malagasy (ABA), Dany Rakotoson.

Vinan’i Andry Rajoelina Tokony hifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka, hoy ny ABA

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Maro ny adidy mbola miandry azy

15/01/2019

Niomana fatratra ny hitondra firenena i Marc Ravalomanana, ary nipetrapetraka ny programam-pampandrosoana, kanefa ireny no voka-pifidianana izay niteraka adihevitra saingy naneho fahendrena izy.

Marc Ravalomanana Maro ny adidy mbola miandry azy

Hamaky ny tohiny...

Arlette Ramaroson « Manana ny heviny Andriamanitra. »

15/01/2019

Tsy matin’ny malagasy maro lolo hatramin’izao ny anton’ilay fianianana tsy misy vavaka sy baiboly etsy Mahamasina amin’ny sabotsy.

Arlette Ramaroson « Manana ny heviny Andriamanitra. »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Tonga saina ny vahoaka Ravalomanana no hofidiana

27/10/2018

Mitaky ny hiverenan’i Marc Ravalomanana eo amin’ny toeran’ny filoham-pirenena indray ny vahoaka rehetra tany amin’ireo tanàna marobe manerana ny Nosy nadalovan’ny kandidà laharana faha-25, manome toky fa handatsa-bato ho azy ny 7 novambra 2018.

   Mahatsiaro ny zava-bitan’i Dada tany aminy tamin’ny fotoana nitondrany ny vahoaka ka nisy mihitsy ny raiamandreny nitsodrano azy, toy ny tao Madirovalo, ary nanentana ny vahoaka hifidy azy ka hiverina eo amin’ny fitondrana ny firenena indray. Na ambanivohitra na an-drenivohitra, resy lahatra avokoa satria nahavita i Marc Ravalomanana. Mipetraka ho tantara tsara ho an’ny vahoaka ny vitany, ary tsaroan’ny Malagasy fa izy no nahavita nampandroso indrindra ny firenena hatramin’ny nahazoantsika fahaleovantena. Nandray tombontsoa mivantana na an-kolaka taminy ny vahoaka Malagasy ka anisan’izany ny hoe tsara sy nilamina ny fiainany, ambany ny vidim-piainana satria raha 2000Ar ny sandan’ny vola vahiny Euros dia efa 4000Ar eo ho eo izao, nandry fahalemana ny tany, tsara tantana ny firenena ka nipetraka ny fahatokisan’ny sehatra iraisam-pirenena,… ary haverina indray izany. Raha ny resaka fotodrafitrasa dia izy no nahatsangana tobim-pitsaboana CSB II sy sekoly nanerana ny Nosy. Raha handray ohatra vitsivitsy isika, dia i Marc Ravalomanana no nanajary an’Antananarivo tamin’ny fanamboarana ny lalana teny Anosibe, ny By Pass, Marais Masay, nahavita ny lalam-pirenena faha-6 mampifandray an’Ambondromamy sy Antsiranana, nanajary ny Morontsirak’i Mahajanga,… Hita taratra tamin’ny fotoana nitantanany ny firenena ny fampandrosoana mira zotra satria samy nisitraka izany na ny tantsaha na ny vahoaka an-drenivohitra. Ho an’ny omaly, dia Manaratsandry, Didy, Ambatomanohina, Andaingo, any amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka no nanaovany fampielezan-kevitra, ka tsy mitsahatra ny manazava ilay « Fanomezan-toky » (Manifesto) ataony amin’ny vahoaka Malagasy izy. Zaraina amin’ny vahoaka moa ity « Fanomezan-toky » ity ka ho hampatsiahivina ny kandidà Ravalomanana Marc rehefa tonga eo amin’ny fitondrana izy. Mampirisika ny vahoaka handeha hifidy izy ary mampianatra ny fampiasana ilay biletà tokana satria ny any ambany ravinkazo any no tena mila izany. Ankoatra ny fitetezam-paritra ataon’ny kandidà Ravalomanana Marc dia tsy mitsahatra ihany koa isan’andro, ny “carnaval” sy ny “carna-vam” eto an-drenivohitra ka ny tanora no manatanteraka izany ary ny fanaparitahana ny “Manifesto” no vontoatiny. Ny faran’ny herinandro moa no tena mafana ny fampielezan-kevitra ka hinoana fa mbola ho betsaka lavitra noho ny tamin’ny farany teo ny mpanohana ny kandidà Ravalomanana Marc no ho avy hanafana ny hetsika anio eny Ambohijatovo. Ho an’ny anio, dia ho any Marolambo, Fandriana, Ambositra, Ambinanindrano, Ambohimahasoa, Mahasoabe, Fianarantsoa,… i Marc Ravalomanana.

 

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana